Toko faha 7

1 Tafarany e raha marobe io Jesosy da nandeha ta Galilia, fa ts te-ho a Jodia anefa Izy noho indreo Jiosy mitady hamono Anazy. 2 Da efa mariny gne andro firavoravoan'e Jiosy e tabernakely. 3 Noho izany indreo ralàny nizaka taminazy hoe: "Mialà am'ity toeragny ity da mandehàna a Jodia, mba hafahan-dreo mpianatrinao mahita gne asa maro aninao avakoa. 4 Tsy misy olo magnano raha mifiny zany raha Izy tegnany sady te-ho fantatry ampahibemaso. Raha magnano an'io Raha marobe io Anao, da miboà am'izao tontolo izao." 5 Fa ndre indreo ralàny aza tsy nino Anazy. 6 Noho izany Jesosy nizaka andreo hoe: "Mbola tsy avy gne fotoagniko, f'izy gne fotoagninareo da vonogny lalandava. 7 Tsy afaky gne hankahala anareo izao tontolo izao, fa Iao gne halany satria magnambara fa ratsy gne asany. 8 Anareo mekara amin'e firavoravoagny; f'izy Iao tsy nandeha am'izany satria tsy mbola avy gne fotoagniko." 9 Tafaran'e nizakany gne raha io andreo, da nijanogny ta Galilia Izy. 10 Fa rehefa niakatry tame firavoravoagny indreo ralàny, da niakatry tagny avakoa Izy avy teo, tsy nisehoseo fa nifiny. 11 Nitadia anazy tame firavoravoagny indreo Jiosy sady nizaka hoe: "Aia Izy?" 12 Nisy koragny marobe momba Anazy tamin'e fokonolo. Gne sasany mizaka fa: "Lelà tsara Izy." Gn'afa mizaka hoe: "Aha, mitaogny gne fokonolo ho ame fahaverezagny Izy." 13 Da tsy nisy nasahy nizaka amaso amaso momba Anazy nohon'e fatahoran-dreo Jiosy. 14 Rehefa nisasaky gne firavoravoagny, da niakatry tame tempoly Jesosy da nanomboky nampianatry. 15 Avy teo da Gaga indreo Jiosy, magnano hoe: "Akognaia gne nahezan'io lelà io an'izany raha marobe izany? Izy tsy mba nandalo fenaragny mihintsy." 16 Jesosy namaly andreo da nagnano hoe: "Tsy Anà gne fampianarako, fa avy amin'Izy nagniraky Ana. 17 Raha misy olo magniry hagnano e sitrapony, da nahafantatry momban'io fampianaragny io Izy, na avy amin'Andriamanitra izany, ndre Iao gne mizaka avy ame tegnako. 18 Ndre ia ndre ia mizaka avy ame tegnany da nitadia voninahitriny gne tegnany manokagny, fa ndre ia ndre ia mitadia voninahitr'e nagniraky anazy, da io olo io e marigny, da tsy misy tsy fahamarinagny aminazy ao. 19 Tsy nimen'i Mosesy anareo me gne lalàgny? F'izy tsy misy aminareo mitandrigny gne lalàgny. Nohoa anareo gne mitady hamono Ana? 20 Namaly gne fokonolo hoe: "Anao da misy demonia. Ia koa gne mitady hamono anao?" 21 Jesosy namaly da nizaka andreo hoe: "Asa raiky avao gne aniko, sady da Gaga noho izany avakoa anareo. 22 Nomen'i Mosesy gne famoràgny anareo (tsy hoe Avy amin'i Mosesy izany, fa avy amin-dreo razagny), da amin'e Sabata da mamora olo anareo. 23 Raha amin'e Sabata gne amoràgny gne olo mba tsy ho voadika gne lalàn'i Mosesy, da nagnino anareo vignitry aminà Raha hagnasitragny tanteraky olo raiky tamin'e Sabata Iao? 24 Ka mitsara amign'endriky ivelany, fa mitsarà am-pahamarinagny." 25 Gne sasany tamindreo avy a Jerosalema nizaka hoe: "Tsy ity me gne tadiavindreo ho vonoigny?" 26 Iteo, miresaky mibaribary Izy, sady tsy misy mizaka ndre ino ndre ino Anazy indreo. Da ho fantatrin'e mpitondta tokôtry me fa Izy e Kristy, sa akognaia? 27 Efa fantatsika hoe avy aia io lelà io. Fa rehefa avy e Kristy, da tsy hisy hahafantatry hoe Avy aia Izy." 28 Avy teo nihiaky mafy Jesosy t'an-tempoly, nampianatry sady nizaka hoe: "Anareo da samby mahafantatry e tegnako sady mahalala gne fiaviko. Tsy avy nohon'e tegnako manokagny Iao, Fa gne nagniraky Ana da marigny, sady tsy fantatrareo Izy. 29 Fantatr'i Izy satria Iao da avy aminazy sady Izy gne nagniraky Ana". 30 Niezaky gne nisambotry Anazy indreo, fa tsy nisy naninji-tanagny taminazy satria tsy mbola avy gne fotoagny. 31 F'izy maro tame fokonolo gne nino Anazy, da hoy indreo hoe: "Rehefa avy e Kristy, hagnano famantaragny maro noho e vitan'io lelà io me Izy?" 32 Naregny gne fokonolo nivitsikitsiky gne raha momban'i Jesosy indreo Fariseo, da gne lohan'e mpisorogno sy indreo Fariseo da nagniraky mpiandry raharaha nisambotry Anazy. 33 Hoy Jesosy avy teo hoe: "kidy sisa gne fotoagny heresako aminareo, da handea ho ame nagniraky Ana Iao. 34 Hitady Ana anareo fa tsy hahita Ana; Gne handianako, tsy ho azonareo andeanagny." 35 Noho izany indreo Jiosy da nifampiresaky hoe: "Fa handea hoegnaia io lelà io gne tsy ho vitantsika gne nitadia anazy? Handea ho amin'indreo niparitaky nandea amin'e Grika da hagnanatry indreo Grika me? 36 Da ino gne dikan'e teny nozakainay hoe: 'Hitadia Ana anareo fa tsy hahita Ana; gne handeanako, tsy ho azonareo andeanagny'?" 37 Da tamin'e farany, andro zakabe amin'e firavoravoagny, da nitsangagny Jesosy sady nizaka mafy, magnano hoe: "Raha misy mangetaheta, Avelay izy hagnantogny Anà da hisotro. 38 Gne mino Anà, araky e vôzakan'e Soratry Masigny, da hikoriagny avy an-trokiny gne onin'e rano velogny." 39 Fa akô izao gn'ambarany e momban'e Fagnahy, indreo nino Anazy gne handray; gne Fagnahy da tsy mbola nomeny satria tsy mbola nahazo voninahitry Jesosy. 40 Gne sasany tamindreo fokonolo, rehefa naregny gne zaka marobe io, da nizaka hoe: "Ity tokôtry gne mpaminany." 41 Indreo hafa nizaka hoe: "Ity gne Kristy." Fa gne sasany nizaka hoe: "I Kristy me ko avy e Galilia? 42 Tsy vôzakakan'e Soratry Masigny me fa Kristy da ho avy ame taranak'i Davida sady avy a Betlehema, gne tanàgny nisy an'i Davida?" 43 lasa nisy fizaragny tamin'e fokonolo noho Izy. 44 Gne sasany tamindreo te-hisambotry Anazy, fa tsy nisy nagnampatry tagna taminazy. 45 Avy teo indreo mpiambigny raharaha niverigny tamindreo lohan'e mpisorogny sy indreo Fariseo, e nizaka tamin-dreo hoe: "Nahoa me anareo raha tsy ninday Anazy?" 46 Namaly indreo mpiambigny raharaha hoe: "Tsy mbola nisy nikoragny akô izany mihintsy." 47 Noho izany indreo Fariseo namaly andreo hoe: "Voafitaky avakoa me anareo? 48 Mba nisy tamindreo mpanapaky me mba nino Anazy, na tamindreo Fariseo? 49 Fa indreo fokonolo da nahafantatry gne Lalàgny, voahozogny indreo." 50 Nikodemosy (raiky tamin'e Fariseo, e avy mialoha taminazy), nizaka hoe: 51 "Gne lalàgnitsika me ko mitsara olo mialohan'e aregnesagny anazy ka ahafantatry gne naniny?" 52 Namaly indreo da nizaka taminazy hoe: "Avy e Galilia avakoa me anao? Mitadiava da iteo fa tsy misy mpaminany avy e Galilia." 53 (Fagnamarihagny: Gne dikan-teny taloha tena tsara da tsy ahita gne Jaona 7:53-8: 11) [Avy teo gne tsiraidraiky nande an-dragnony aby.