Toko faha 6

1 Tafaran'e Raha maro be io, da nandeha nitsaky gne ranomasin'i Galilia Jesosy, angiagny avakoa hoe ranomasin'i Tiberiasy. Nisy fokonolo marobe 2 nagnaraky Anazy satria hitandreo gne famantaragny izay naniny tamign'e marary. 3 Niakatry tamin'e tendrombohitry I Jesosy da nidoboky tegny niaraky tamindreo mpianatriny Izy. 4 (Da gne Paska, gne andro firavoravoan'e Jiosy, da efa akeky.) 5 Da nagnety t'akabôgny Jesosy da nahita fokonolo marobe nagnantogny Anazy, Da hoy Izy tamin'i Filipo hoe: "Aia gne hividianan-tsika mofo mba hafandreo nihinagny?" 6 (Fa Jesosy nizaka an'izany mba hitsapagny an'i Filipo, fa efa fantany gne ho aniny.) 7 I Filipo Namaly Anazy hoe: "Ndre da mofo roanjato dinaria aza tsy ho amoy ho an'e tsiraidraiky ndre da kidy agnaby aza. 8 "Raiky tame mpianatry, Andrea, ralàhin'i Simona Petera, nizaka tamin'i Jesosy hoe: 9 "Misy lelà raiky etoa managny mofo dimy da laok'andrano riy, fa ino ireo agnatrehan'olo marobe toa?" 10 Da Jesosy nizaka hoe: "Ampidoboy gne olo" (sady feno ahitry tamin'e toeragny.) da nidoboky gne olo, akevikeviny ho dimy arivo teo gne isany. 11 Avy teo Jesosy nangala an'e mofo maro io da rehefa avy nisaotry, da nizara an'izany tamindreo nidoboky teo. Akô izany avakoa gne naniny tamin'igny laoky an-drano igny, da maro gne nilain-dreo. 12 Rehefa voky gne olo, da hoy Izy tamin'e mpianatriny hoe: "Aorogny gne sisa tavela, mba tsy hisy ho very." 13 Da nahorin-dreo izany da nahafeno harogny roy ambin'ny folo ne sisasisan'e mofo dimy sisa navelan-dreo nihinagny. 14 Avy teo, Raha nahita an'izany famantaragny naniny izany gn'olo, da hoy indreo hoe: "Ity marina gne mpaminany izay tonga amin'izao tontolo izao." 15 Rehefa hitan'i Jesosy fa hoavy indreo nangala Anazy sady hanandratry Anazy an-keriny ho mpanjaka, da niverigny ta tendrombohitry raiky indraiky koa Izy. 16 Rehefa aligny gn'andro, da nidigny tame ranomasigny gne mpianatriny. Niditry tagnatin'e sambokidy 17 indreo, da nitsaky gne ranomasigny ande e Kapernaomy. Efa mizigny tam'izay, sady Jesosy mbola tsy avy tamin-dreo avakoa. 18 Nisy rivotry nifofofofo mafy, sady niha-nahery gne ranomasigny. 19 Rehefa nivoezin-dreo tokony ho dimy amby roapolo stadio teo, da nahita an'i Jesosy nandeha tamin'e ranomasigny sady nagnakeky gne sambokidy, da nalia indreo. 20 Fa hoy Izy tamin-dreo hoe: "Iao avao ity! Ka malia." 21 Avy teo da vonogny gne handray Anazy tamin'e sambokidy indreo, da tampoky teo da avy ame toeragny andehanan-dreo gne sambokidy. 22 Gn'omaray, hitan'e fokonolo izay nitsangagny t'ampitan'e ranomasigny fa tsy nisy sambokidy hafa tamigneo afa-tsy gne raiky igny avao, da Jesosy tsy niditry tao niaraky tamindreo mpianatriny fa nandeha raiky indreo mpianatriny. 23 F'izy nisy sambokidy maromaro avy ta Tiberiasy takekin'e toeragny nihinanan-dreo gne mofo rehefa avy nisaotry gne Tompo. 24 Raha hitan'e fokonolo fa tsy teo fa tsy teo na I Jesosy na indreo mpianatriny, da niditry tagnatin'e sambokidy indreo da nande ta Kapernaomy hitadia an'i Jesosy. 25 Rehefa hitan-dreo t'ampitan'e renirano Izy, da hoy indreo taminazy hoe: "Raby, ovia anao avy tetoa?" 26 Jesosy namaly andreo, nagnano hoe: "Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa mitadia Ana anareo, tsy nohon'e nahitanareo famantaragny, fa nohon'e nihinananareo gne mofo da voky. 27 Ka miasa ho an'e hanigny mety levogny, fa miasà ho an'e hanigny izay maharitry hi an'e fiainagny mandrakizay izay homen'e Zanak'Olo anareo, satria Andriamanitra Ray gne nagnisy tombo-kase taminazy." 28 Avy teo da hoy indreo taminazy hoe: "Ino e tsy maintsy haninay, mba nagnamboaranay ireo asan'Andriamanitra?" 29 Jesosy namaly da nizaka tamin-dreo hoe: "Izao gne asan'Andriamanitra: da gne hinoanareo gne raiky nirahiny." 30 Ka hoy indreo taminazy hoe: "Ino gne famantaragny haninao, mba hahitanay sy hinoanay anao? Ino gne ho ataonao? 31 Gne ababenay nihinagny gne mana tame tany foagny, arak'e voasoratry hoe: ' Nomeny mofo avy t'an-dangnitry indreo hoanigny."' 32 Avy teo Jesosy namaly andreo hoe: "Zakaiko aminareo marigny, da marigny tokôtry, fa tsy Mosesy e magnome anareo gne mofo avy t'andagnitry, fa i Abako gne nagnome anareo gne Tena mofo avy t'andagnitry. 33 Satria gne mofon'Andiamanitry da gne nidigny latan-dagnitry da magnome fiainagny ho an'izao tontolo izao." 34 Da hoy indreo taminazy hoe:"Tompoko, omeo anay isanandro gne mofo zany." 35 Da hoy Jesosy tamindreo hoe: "Iao gne mofon'e fiainagny; gne magnantogny Ana tsy mba ho mosaregny koa, da gne olo mino Ana tsy hangetaheta koa. 36 F'izy efa nizakaiko taminareo fa nahita Ana avao anareo, f'izy tsy mino. 37 Gne olo aby izay omen'e Raiko Ana da hagnantogny Anà, sady gne magnantogny Ana da tsy mba ho ariako. 38 Fa nizoso avy t'andagnitry Iao, tsy mba hagnano gne sitrapoko manokagny, fa gne sitrapon'Izy izay nagniraky Ana. 39 Da akô izao gne sitrapon'Izy izay nagniraky Ana, da gne tsy hagnariako gne raha aby nomeny Ana, fa hanangagny andreo ame gn'andro farany. 40 Satria akô izao gne sitrapon'e Raiko, da gne mba ahazahoan'e maro izay mahita gne Zanaky sady mino Anazy gne fiainagny mandrakizay sady ho hatsangako amign'andro farany izy. 41 Avy teo da nimenomenogny Anazy indreo Jiosy satria Izy nizaka hoe: "Iao gne mofo nidigny avy t'andagnitry." 42 Da hoy indreo hoe: "Tsy gne Jesosy Zanak'i Josefa me io, izay fahotantsika gne ray aman-dreniny? Akognaia me gne izakany hoe: 'Nidigny avy t'andagnitry Iao'?" 43 Jesosy namaly da nizaka tamin-dreo hoe: "Ajanogny gne fimenomenogny misy aminareo. 44 Tsy misy olo afaky magnantogny Ana raha tsy gne Ray izay nagniraky Ana gne mitaogny Anazy, da ho hatsangako izy amign'andro farany. 45 Izany da vôsoratry ame bokin'ny mpaminany hoe: 'Hampianarin'Andriamanitry indreo aby.' Gne olo aby naregny sady nianatry tame Ray gne magnantogny Ana. 46 Tsy nisy nahita gne Ray, afa-tsy gne avy amin'Andriamanitra, izy gne nahita gne Ray. 47 Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa izay mino gne managny fiainagny mandrakizay. 48 Iao gne mofon'e fiainagny. 49 Gne Abanareo nihinagny gne mana tame tany foagny, da maty indreo. 50 Ity gne mofo nidigny avy t'andagnitry, mba tsy ho faty gne mihinagny am'izay. 51 Iao gne mofo velogny nidigny avy t'andagnitry. Raha misy olo mihinagny am'ity mofo ity, da ho velogny mandrakizay izy. Gne mofo homeko gne nofotriko ho an'e fiainan'izao tontolo izao." 52 Ne-vignitry indreo Jiosy da nanomboky niady hevitry, nagnano hoe: " Akognaia gne afahan'io lelà io magnome antsika gne nofotriny hoanigny?" Da hoy I Jesosy tamindreo hoe: 53 "Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa Raha tsy minagny gne mofon'e Zanak'olo anareo sady misotro gne ràny, da tsy hanagny fiainagny ao anareo. 56 54 Ndre ia ndre ia mihinagny gne nofotriko sady misotro gne ràko da managny fiainagny mandrakizay, sady hatsangako izy ame gn'andro rany. 55 Fa gne nofotriko e tena fihinagny, da gne ràko gne tena fisotro. 56 Gne olo mihinagny gne nofotriko sady misotro gne ràko gne mipetraky Aminà ao, sady Iao aminazy ao. 57 Akô e nagnirahan'e Ray velogny Anà, sady akô gne hivelomako nohon'e Ray, izay mihinagny Anà, da ho velogny avakoa nohon'e Aminà. 58 Ity gne mofo nidigny avy t'andagnitry, tsy akô gne Ababe nihinagny da maty. Gne olo mihinagny ity mofo ity da ho velogny mandrakizay." 59 Fa Jesosy nizaka gne raha marobe io t'agnatin'e synagoga rehefa nampianatry ta Kapernaomy Izy. 60 Sady maro tamin'e mpianatriny naregny anizany gne nizaka hoe: "Fampianaragny sarotry izany; ia gne afaky agneky an'izany?" 61 Jesosy, noho Izy nahafantatry ntaminazy tao fa nimenomenogny tam'izany indreo mpianatriny, nizaka andreo hoe: "Manafitohignh anareo me izany? 62 Akognaia raha tokony hahita gne Zanak'Olo miakatry ame nidoboan'e taloha anareo? 63 Gne Fagnahy e magnome fiainagny; gne nofo tsy ahazaoagny ndre ino ndre ino. Gne zaka marobe nizakaiko taminareo da fagnahy, sady fiainagny. 64 Mbola misy sasany aminareo tsy mino. "Fa Jesosy efa nahafantatry hatramin'e voaloany gne tsy hino da gne hamadiky Anazy. 65 Hoy Izy hoe: "Avy amizany e nizakako taminareo fa tsy misy olo afaky magnantogny Anà raha tsy nomen'e Ray Anazy izany." 66 Nohonizany, maro tamin'e mpianatriny gne lasa sady tsy niara-dia taminazy sanaky. 67 Da hoy Jesosy tamindreo roa ambin'ny folo hoe: "Tsy te-andeha 68 sanaky me anareo, sa Tsia?" Sady Simona Petera namaly Anazy hoe: "Tompo, hande amin'ia me anay? Anao gne managny e zakan'e fiainagny mandrakizay, 69 sady mino anay ka magnantogny mba hafantatry fa Anao gne Masignin'Andriamanitry." 70 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Tsy Iao me gne nifidy anareo, roy ambin'ny folo, da gne raiky aminareo da devoly? 71 Da Jodasy Zanak'I Simona Iskariota gne resahiny, satria Izy, e raiky amin'izy roy ambin'ny folo, izay hamadiky an'i Jesosy.