Toko faha 5

1 Tafaran'izany da nisy firavoravoan'e Jiosy, da niakatry ho a Jerosalema Jesosy. 2 Da ta Jerosalema akekin'e vavahadin'ondry, da nisy farihy, izay nangiagny tamin'e Hebreo hoe Betesda, da misy fialofagny dimy izany. 3 Maro gn'olo marary, jamba, malemy, na tsy afa-mihetsiky natory tao. (Fagnamarihagny: Gne antotan-taratasy taloha tena tsara da magnala gne fehezanteny hoe: "Mandigny gne fihetsehan'e rano") 4 (Fagnamarihagny: Gne antotan-taratasy taloha tena tsara da magnala gne and. 4 hoe: "Fa nisy anjelin'e Tompo raiky nidigny da nampihetsiky gne rano indraindraiky sady ndre is ndre ia nandroso tamignao rehefa nihetsiky gne Rani da sitragny taminy gn'aretigny namparary anazy ndre ino ndre ino.") 5 Da nisy lelà raiky teo izay efa narary valo amby telo-polo taogny. 6 Rehefa hitan'i Jesosy natory tamigneo izy, sady tafany gne nahatsapany fa efa an-taogny maro izy e teo, da hoy Izy taminazy hoe: "ta-ho sitragny me anao?" 7 Namaly igny lelà marary igny hoe: "Tompoko, tsy managny ndre ia ndre ia iao handroboky ana agnaty farihy rehefa nihetsiky gne rano, Rehefa mande iao, da misy misosoky aloahako." 8 Hoy Jesosy taminazy hoe: "Mitsangàna, ndeso gne fandrianao, da mandehana." 9 Tonga da sitragny gne lelà, da nalainy gne fandriany da nandea izy. Sady Sabata gn'andro tamin'io. 10 Da hoy indreo Jiosy tame sitragny hoe: "Sabata gn'andro da tsy mahazo minday gne fandrianao anao". 11 Namaly izy hoe: "Gne hagnasitragny ana gne nizaka hoe: 'Ndeso gne fandrianao da mandiàna.'" 12 Da nagnontany anazy indreo hoe: "Ia e lelà nizaka taminao hoe: 'Ndeso gne fandrianao da madiàna'?" 13 F'izy, igny olo sitragny igny tsy nahafantatry an'Azy satria nisitaky moramora Jesosy fa nisy fokonolo tamigneo. 14 Avy teo, hitan'i Jesosy t'an-tempoly izy da hoy Izy taminazy hoe: "Indro, sitragny anao! ka manota sanaky, mba tsy hiseo aminao gne Raha ratsy amboniny e teo." 15 Avy teo da dila ralelà da nitatitry tamin-dreo Jiosy fa Jesosy gne hagnasitragny anazy. 16 Noho io Raha maro be ireo da nagnenjiky an'i Jesosy indreo Jiosy, satria nagnano gne raha aby io tamign'andro Sabata Izy. 17 Da namaly andreo Jesosy hoe: "I Abako da miasa egny ndre am'izao aza, da Iao, avakoa, da miasa." 18 Noho izany, da vômaiky mitady hamono Anazy indreo Jiosy tsy nohon'e fagnamboarany tsisy dikany gne Sabata avao, fa gne nagnangihany an'Andriamanitry avakoa hoe Iabany nanokagny, magnano gne tegnany ho nitovy amin'Andriamanitra. 19 Da Jesosy namaly andreo hoe :"Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa gne zanaky da tsy afaky magnano ndre ino ndre ino ho anazy, afa-tsy gne hitany anin' I Abany avao, fa ndre ino ndre ino amboarin'e Ray, da amboarin'e Zanaky avakoa izany raha aby zany. 20 Fa gne Ray tia gne Zanaky ka magnambara anazy gne raha marobe izay namboarin'e tegnany, sadyhampiseo anazy raha zakabe mihoatry gne raha maro be io Izy mba ho gaga anareo. 21 Fa akô gne Aba manangagny sady mamelogny gne maty, da akô izany avakoa gne ameloman'e Zanaky izay tiany. 22 Fa gne Aba tia da tsy mitsara ndre ia ndre ia, fa nomeny e Zanaky gne fisaragny aby 23 mba hagnajan'e olo aby gne zanaky akô gne hagnajàn-dreo gne Aba. Izay tsy magnaja gne Zanaky da tsy magnaja gne Ray nagniraky Anazy. 24 Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa ze maregny gne zakako sady mino any gne nagniraky Ana da managny gne fiainagny mandrakizay da tsy ho heloigny, fa niala tamin'e fahafatesagny ho amin'e fiainagny izy. 25 Zakaiko aminareo marina, da marina tokôtry, fa avy gne lera, sady tonga izany am'izao fotoagny izao, raha naregny gne feon'e Zanak'Andriamanitry gne maty, da ho velogny idreo izay maregny. 26 Da akô gne Ray managny fiainagny Aminazy ao, gne nagnomezagny gne Zanaky avakoa mba hanagnany fiainagny Aminazy ao, 27 sady nomen'ny Ray fahefagny hitsara gne Zanaky noho Izy Zanak'olo. 28 Ka gaga amizany, fa Tonga gn'andro haregnesan'olo an-kobory gne feony 29 da hibôky: idreo nagnano gne tsara da ho ame fitsanganagny ho amin'e fiainagny, fa indreo izay nagnano gne ratsy kosa da ho agny ame fitsanganagny ho ame fitsaragny. 30 Tsy afaky magnano ndre ino ndre ino raha Iao avao. Araky e regniko, gne itsarako, da gne fitsarako da marigny satria tsy mitady gne sitrapoko nanokagny Iao fa gne sitrapon'Izy nagniraky Anà. 31 Raha tokony hagnambara e momba gne tegnako Iao, da tsy marigny e fagnambarako. 32 Misy raiky hafa nagnambara gne momba Anà, sady fantako fa marigny gne fagnambaragny Nozakainy momba Anà. 33 Nirahigny nande tamin'i Jaona anareo, sady nagnambara gne marigny izy. 34 F'izy gne fagnambaragny izay tazomiko da tsy avy amin'olo. Mizaka an'izany raha zany Iao mba mety ho voavonjy anareo. 35 Jaona da jiro nirehitry sady magnazava, sady anareo nagniry gne hifaly selasela tamin'e fahazavagny. 36 F'izy gne fagnambarako da mbola lehibe noho gne an'i Jaona, fa gne asa maro nomen'ny Ray ho tanterahiko, gne asa maro aniko aby io, gne magnambara gne momba Anà fa nirahin'ny Ray Iao. 37 Gne Ray Izay nagniraky Ana minsy gne nagnambara Anà. Tsy mbola naregny gne feony na nahita gne tarehiny anareo. 38 Sady gne zakany tsy mba mipetrky agnatinareo, satria tsy mino gne nirahiny anareo. 39 Mitadia gne Soratry Masigny anareo satria heverinareo fa amin'io iaha io gne anagnanareo fiainagny mandrakizay, sady gne Soratry Masigny aby io avao gne magnambara momba Anà, 40 F'izy tsy vonogny gne hagnantogny Anà anareo mba hanagnanareo fiainagny. 41 Tsy mandray laza avy ame gn'olo Iao, 42 satria fantako fa tsy misy fitiavagny an'Andriamanitry agnatinareo. 43 Avy amin' e agnaran'ny Raiko Iao, f'izy tsy raisinareo. Raha misy hafa tonga amign'agnarany manokagny, da ho raisinareo izy. 44 Akognaia gne hinoanareo, anareo izay mandray laza avy amin'olo hafa f'izy tsy mitadia gne laza avy amin'Andriamanitra tokagny? 45 Ka mieritreritry hoe Iao gne hitory anareo amason'e Ray. Gne raihy hitory anareo da I Mosesy, izay nametrahanareo gne fagnantenanareo. 46 Raha nino an'i Mosesy anareo da tokony hino Anà, satria nanoratry gne momba Anà izy. 47 Raha tsy mino gne raha aby nosoratany anareo da akognaia gne hino gne zakako?