Toko faha 4

1 Da ra fantatr'i Jesosy hoe regnin'e Fariseo fa nahazo sy nagnano batisa mpianatry maro noho Jaona 2 Izy (ndre tsy Jesosy tegnany gne nagnano batisa, fa gne mpianatriny), 3 da niala ta Jodia Izy da niverigny nandea ta Galilia indraiky. 4 Fa ilainy gne mamakivaky an'i Samaria. 5 Da Tonga tame tanàgny raiky ta Samaria Izy, hangiagny hoe Sykara, mariny an'ilay ampahan-tany izay nimen'i Jakoba an'i Josefa zanany. 6 Teo gne fangalan-dranon'i Jakoba. Natsiaro valaky tame diany Jesosy da nidoboky tame fangalan-drano. Tokony tme gn'ora fahaenina teo. 7 Nisy viavy Samaritans raiky Tonga angala rano, da hoy Jesosy taminazy hoe: "Mba agnomezo rano Iao ho sotroiko." 8 Fa gne mpianatriny efa dila t'an-tanàgny mba hividy hanigny. 9 Avy teo hoy igny viavy samaritana igny taminazy hoe: "Akognaia anao, izay Jiosy, gne mangataka aminà, iao viavy samaritana ty, rano ho sotroigny?" Fa indreo Jiosy tsy misy hifandraisagny ame samaritana. 10 Fa Jesosy namaly da nizaka taminazy hoe: "Raha lalanao gne fagnomezan'Andriamanitry, da gne mizaka aminao hoe: 'omeo iao hosotroiko,' da anao avakoa gne nangataky taminazy, da omeny rano velogny." 11 Hoy igny viavy igny taminazy hoe: "Tompoko, Anao da tsy managny fanovozagny sady gne fangalan-drano da laligny. Da Akognaia gne hahazaoanao rano velogny? 12 Anao da tsy zakabe, sa, noho Jakoba razambentsika, izay magnome anay gne fangalan-drano sy nisotro tam'izany gne tegnany, akô gne nanin-dreo zanany miaraky amin'e biby?" 13 Jesosy namaly da nizaka taminazy hoe: " Izay mindrano am'ity rano ity da mbola hangetaheta indraiky, 14 fa ndre ia ndre ia misotro ame rano homeko anazy da tsy hangetaheta mandrakizay. F'izy, gne rano izay omeko anazy da hanjary loharano miboiboiky agnatiny, izay mitondra amin'e fiainagny mandrakizay." 15 Hoy raviavy taminazy hoe: "Tompoko, omeo an'izany Rani izany iao mba tsy hangetaheta sady ho avy angala rano eto koa." 16 Hoy Jesosy tamin-draviavy hoe: "Mandiana, angio gne vadinao, da miviregna aty." 17 Namaly igny viavy igny da nizaka taminazy hoe: "Tsy manambady iao." Namaly Jesosy hoe: 'Marigny e zakanao hoe: 'Tsy manambady anao,' 18 f'izy efa manambady indimy anao, da gne raiky hipetrahanao amizao da tsy mbola vadinao. Marina gne raha zakaina." 19 Hoy raviavy taminazy hoe: "Tompoko, itako fa mpaminany Anao. 20 Indreo razantsika nivavaky tamin'ity tendrombohitry ity tendrombohitry ity, f'izy anareo magnambara fa Jerosalema gne toeragny tokony hivavahan'olo." 21 Hoy Jesosy taminazy hoe: "Minoa Anà, raviavy, fa ho avy gn'andro hideranareo gne Ray da tsy am'ity an-tendrombohitry ty gne tsy a Jerosalema. 22 Fa anareo mandoaliky amin'izay fantanareo. Fa Iay da mandoaliky am'izay fantanay, satria gne famonjegny da avy am'e Jiosy. 23 F'izy, ho avy gn'andro, da tonga amizao, raha hidera gne Ray amin'e fagnahy sy fahamarinagny indreo tena mpivavaky, satria e Ray da mitady olo akô izany ho mpidera Anazy. 24 Andriamanitra da Fagnahy, da gne olo izay midera Anazy da tsy maintsy midera amin'e fagnahy sy fahamarinagny." 25 Hoy igny viavy igny taminazy hoe: "Fantako fa ho avy gne Mesia (gn'antsovagny hoe Kristy). Da ra avy Izy, da hagnazava amintsika gne raha aby." 26 Hoy Jesosy taminazy hoe: "Iao izay mikoragny aminao, gne Izy." 27 Tamin'izany fotoagny izany da nipody gne mpianatriny. Da nagnontany tegna indreo hoe nagnino Izy gne miresaky ame viavy, fa tsy nisy nizaka hoe: "Ino gne tadiavinao?" na hoe: "Nagnino Anao rà miresaky amin'azy?" 28 Noho izany da namela gne sininy raviavy, da nandea nipody ta tanàgny, sady nizaka tamign'olo hoe: 29 "Aska, agnety gne lelà nizaka gne raha namboariko marobe. Tsy ho Kristy izany, sa Izy?" 30 Da niala tame tanàgny indreo da nandea taminazy. 31 Nandritry an'izany, namporisiky Anazy indreo mpianatry, magnano hoe: "Raby, mihinàna." 32 Fa hoy Izy tamin-dreo hoe: "Iao da managny hanigny afaky hoanigny izay tsy fantatrareo." 33 Da nifampizaka indreo mpianatry hoe: "Tsy nisy olo ninday Raha ho hanigny ho anazy, sa nisy?" 34 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Gne hanigny da gne magnano gne sitrapon'Ilay nagniraky Ana sady magnano gn'asany. 35 Anao me tsy mizaka hoe: "Efa-bolagny sisa da ho avy gne fararano?' Zakaiko aminareo, hatsipizo gne masonareo da iteo gne an-tanimboly, fa efa masaky sady ho hilaigny indreo! 36 Izay mihila da mandray karama sady manangogny vokatry ho ame fiainagny mandrakizay, ka hiaraky faly gne mpamafy miaraky ame mpihila. 37 Fa amin'izany da marigny e zaka magnano hoe: 'Gne raiky mamafy, da gne raiky mihila,' 38 Nagniraky anareo hihila gne tsy nisasaranareo Iao. Indreo hafa gne nisasatry, da anareo gne niditry tamin'izany nisasarany." 39 Maro tamindreo samaritana tamin'izany tanàgny zany gne nino Anazy nohon'e tatitrin'igny viavy nizaka hoe: " Nozakainy taminà aby e raha nataomk aby io." 40 Da rehefa nagnantogny Anazy indreo samaritana, da nangataky nAnazy mba hijanogny hiaraky amindreo, da nijanogny tamignao roy andro Izy. 41 Maro gne nino nohon'e Zanany. 42 Hoy indreo tamin-draviavy hoe: "Tsy noho gne raha nozakainao gne hinoanay, fa anay minsy gn'efa nahare, da fantanay fa Izy tokôtry gne Mpamonjy am'izao tontolo izao." 43 Tafaran'e Roy andro io, da niala avy tao Izy handea a Galilia. 44 Fa Jesosy mihintsy gne nagnambara fa gne mpaminany da tsy manan-danja ame taniny nanokagny. 45 Rehefa avy ta Galilia Izy, da nandray Anazy indreo Galilia. Indreo da nahita gne raha aby naniny ta Jerosalema tamign'andro firavoravoagny, satria nandeha tamin'e andro firavoravoagny avakoa indreo. 46 Da avy te Kana a Galilia indraiky Izy, gne toeragny namadiany gne rano ho divay. Nisy tandapa raiky zay nanagny zanaky là marary ta Kapernaomy. 47 Rehefa regniny fa avy ta Jodia ande a Galilia Jesosy, da nagnantogny tam'i Jesosy Izy sad nangataky taminazy mba nidigny mba hagnasitragny gne zanany là, izay efa ho faty. 48 Avy teo Jesosy nizaka taminazy hoe: "Raha tsy mahita famantaragny sy fahagagagny anareo, tsy mba hino minsy." 49 Hoy e tandapa taminazy hoe: "Tompoko, midigna alohan'e fahafatesan'e zanako." 50 Hoy I Jesosy taminazy hoe: "Mandiana. Velogny e zanakao." Nino gne zakan'i Jesosy ra lelà, da dila izy. 51 Raha igny izy nidigny igny, da nitsena anazy indreo mpanompony, nizaka fa velogny gne zanany. 52 Da nagnontany andreo gne lera nagnaretagny izy. Namaly anazy indreo hoe: "Omaly tamin'e lera fafafito gne nelan'e tazo taminazy. 53 Fantatr'i abany avy teo fa tamin'io lera io e nizakan'i Jesosy anazy hoe: "Velogny e zanakao." Da nino gne tegnany miaraky amin'e fianakaviany marobe. 54 Izany gne famantaragny faharoy nanin'i Jesosy tamin'Izy niala ta Jodia ho a Galilia.