Toko faha 10

1 "Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa ze tsy miditry gne vavahady ho ame valan'ondry, fa magnaniky lalagny hafa, da mpagnakatry sady mpandroba Izy. 2 Fa izay miditry e vavahady da mpiandry ondry tsara. 3 Izy e vahan'e mpiandry vavahady. Mahare gne feony gne ondry, da izy nagnanso gne ondriny manokagny ame gn'agnarany da mitondra anazy mijotso. 4 Rehefa namoaky gn'anazy aby manontolo izy, da nialo nitariky gne lalan-dreo, sady nagnaraky anazy gne ondriny, satria mahafantatry gne feony. 5 Da tsy hagnaraky vahiny indreo fa hilefa anazy, satria tsy fantany gne feon'e vahiny." 6 Jesosy nizaka an'izany fagnoharagny zany tamindreo, f'izy tsy azondreo mintsy gne raha nizakainy tamindreo. 7 Da nizaka indraiky koa Jesosy tamindreo hoe: "Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa Iao gne vavahadin' e ondry. 8 Gne rehetra avy taloako da mpangalatry sady mpandroba, satria tsy niteno andreo gne ondry. 9 Iao gne vavahady. Raha misy miditry ao amin'e gn'alalako, da ho voavonjy izy; hiditry sady hijotso izy da hahita gne fihinanagny. 10 Fa gne mpangalatry tsy avy raha tsy hangalatry sady hamono da handrava. F'izy Iao avy mba hanagnan-dreo fiainagny sady hanagny an'izany maro da maro. 11 Iao gne mpiambigny tsara. Gne mpiambigny tsara da manolotry gn'ainy hagnavotagny gne ondriny. 12 Gne mpikarama da tsy mpiambigny sady tsy tompon'e ondry. Raha nahita amboadia magnantogny Izy da hiaka gne ondry da hilefa, da gn'amboadia misambotry sady mampiparitaky andreo. 13 Milefa izy satria mpikarama ka tsy miraharaha gne ondry. 14 Iao gne mpiambigny ondry tsara, da fantako gn' Anà, da fantany Iao. 15 Gne Ray mahafantatry Ana, da Iao mahafantatry e Ray, da manolotry gn'aiko ho an'e ondry Iao. 16 Managny ondry hafa tsy agnatin'ity vala ity Iao. Tsy maintsy hindesiko avakoa ireny, da indreo naregny gne feoko mba hatonga andininy raiky 17 Izao gn'antony hitiavan'e Ray Ana: mahafoy manolotry gne vatako Iao mba hazahoako an'izany indraiky. 18 Tsy misy mangala an'izany aminà, fa gne tegnako avao e manolotry an'izany. Managny fahefagny honolotry an'izany Iao, sady managny fahefagny nangala an'izany indraiky. Izany didy izany da azoko avy tamin'i Abako." 19 Nisy fizarazaragny indraiky koa tamindreo Jiosy noho ireo teny ireo. 20 Maro tamindreo gne nizaka hoe: "Managny demonia Izy sady very Saigny. Nagnino me anareo raha miteno Anazy?" 21 Gne sasany nizaka hoe: "Tsy fizakàn'olo misy demonia izany. Gne demonia me ko afaky mampahiratry gne Mason's jamba?" 22 Avy teo da avy gne fetin'e fanokanagny ta Jerosalema. 23 Rirignigny tam'izay, da Jesosy nitsangagny tame kianjan'ny tempoly tame fialofan'i Solomona. 24 Avy teo notangorognan-dreo Jiosy Izy sady nizaka taminazy hoe: "Mandrapa-hovia gne hampisalasalanao anay? Raha Anao e Kristy, da hambarao mibaribary aminay." 25 Da Jesosy namaly andreo hoe: "Efa nagnamba anareo iao, fa tsy mino anareo. Gne asa maro aniko amign'agnaran'e Raiko, ireo gne magnambara gne mahakasiky Ana. 26 F'izy anareo tsy mino satria tsy mba ondriko. 27 Mahare gne feoko gne ondriko; fantako indreo, sady nagnaraky Ana. 28 Omeko andreo gne fiainagny mandrakizay; ka tsy ho faty mandrakizay indreo, da tsy hisy handrobaky anazy eo am-pelantagnako. 29 E Raiko, gne nagnome anio Ana, da lebe noho gne hafa aby, sady tsy misy mahavita mandrobaky andreo eo am-pelatagnan'e Ray. 30 Iao Izy amin'i Abako da raika avao." 31 Avy teo nangala vato indraiky indreo Jiosy mba hitora-bato Anazy. 32 Da Jesosy namaly andreo hoe: "Maro gne asa tsara nabôkiko anareo avy tame Ray. Ino tamin'e asa aby aby io gne hitorahanareo vato Ana?" 33 Namaly andreo Jiosy hoe: "Tsy gn'asa tsara gne hitorahanay vato anao, fa gne zaka ratsy, satria anay, olombelo, da magnano gne tegnanao ho Andriamanitr." 34 Namaly andreo Jesosy hoe: "Tsy efa voasoratry agnatin'e lalàgninareo me hoe: 'Hoy Iao hoe: "Andriamanitry anareo"'? 35 Raha mangaiky ireny ho Andriamanitra izy, da ho an'ia izany gne niavian'e zanak'Andriamanitry ( sady gne Soratry Masina da tsy azo foagnagny), 36 gne nohamasinin'e Ray sy nihiraniny amin'izao tontolo izao gne aninaareo hoe: "Mizaka ratsy Anao; noho Iao nizaka hoe: "Iao gne Zanak'Andriamanitry'? 37 Raha tsy magnano gne asany Abako Iao, da ka mino Ana. 38 Fa raha magnano an'io Iao, ndre da tsy mino Ana aza anareo, da mino gn'asako mba ahafantaranareo sy ahazahoanareo fa e Ray da aminà atoa sady Iao amin'e Ray." 39 Mbola nikinia gne nisambotry Anazy indraiky indreo, fa nilefa Izy. 40 Da nandeha an-dafin'e Jordana indraiky Izy ho amin'e toeragny izay nagnamboaran'i Jaona Batisa voalohany, sady nipetrak teo. 41 Maro gne olo nagnantogny Anazy da hoy indreo hoe: "Jaona tsy nagnano famantaragny, fa gne raha marobe nozakain'i Jaona momba anio lelà io da marina." 42 Maro gne olo nino Anazy teo.