Toko faha 9

1 Nampagneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintana avy agny an-danitra aho zay nilatsaka tegny amin'ny tany. Lay kintana no nomena ny lakilen'ny lavaka tsy hita popoka. 2 Nivoainy ny lavaka tsy hita popoka, de niakatra ny vovoka nivoaka tamin'ny lavaka kara vovoka avy amin'ny lafôro be. Nivadika matroka ny masoandro mban'ny agnina noho ny vovoka nivoka avy tagny an-davaka. 3 Avy amin'ny vovoka no nitongavan'ny valala teto ambonin'ny tany, sady nomena hery kara ny an'ny hala teto ambonin'ny tany iary zareo. 4 Nizakaina iary zareo mba tsy handratra ny ahitra teto ambonin'ny tany na ny raha maniry mentso na kakazo, fa ny olona zegny tsy managna tombo-kasen'Andrimanitra eo amin'ny handrignan'iary zareo my. 5 Tsa nahazo alalagna ny hamono an'io olona io iary zareo, fa hampijaly an'iary zareo mandrapa-tapitra ny dimy volana my. Ny fanaitaignan'iary zareo de kara ny fagnkeran'ny hala ndreka magnekitra olona. 6 Amin'izany andro izany de hiaragna fahafatesana ny olona, fa tsy ahita an'izany. Tena te ho faty iary zareo, nefa hilefa an'iary zareo ny fahafatesana. 7 Kara ny sôvaly nomagnina tamin'ny ady ny valala. Tamin'ny lohan'iary zareo de nisy raha kara satro-boninahitra volamena, ka ny tarehin'iary zareo de kara tarehin'olombelona. 8 Nanagna randragna kara randram-biavy iary zareo, sady kara nifin'ny liogna ny nifin'iary zareo. 9 Nanagna ferovan-tratra kara fervan-tratra vy iary zareo, ka ny feon'ny elatran'iary zareo de kara ny feon'ny kalesy mban'ny sôvaly maro mihazakazaka ho agny amin'ny ady. 10 Nanagna rambo magnekitra kara hala io iary zareo; amin'ny rambon'iary zareo no misy ny hery handratra ny olona mandritra ny dimy volana. 11 Nanagna mpanjaka iary zareo de ny anjelin'ny lavaka tsy hita popoka. Ny agnarany tamin'ny fizakana Hebreo de Abadona, de ny agnarany amin'ny fizakana grika de i Apoliona. 12 Dila ny loza voalohany. Ka! afaran'izao de mbola hisy loza roy ho tonga. 13 Nampagneno ny trompetrany ny anjely fahaenina, de naregny feo nivôka tamin'ny tandroky ny alitara volamena zay efa nisy teo agnatrehan'Andriamanitra aho. 14 Sady nizaka tamin'ny anjely fahaenina ny feo magnano hoe: "Avotsory ny anjely efatra izay mifatotra any amin'ny tegnarano lehiben'ny Eofrata." 15 Ny anjely efatra zay nomagnina tamin'ny zany lera zany, de nivahaina hamono ny ampahatelon'ny olombelona. 16 Ny isan'ny miaramila nideaba sôvaly de 200,000,000. Naregny an'io isa io aho. 17 Karan'izany no fomba naitako ny sôvaly tamin'ny fahitako mban'ny zegny nideba tamin'iary zareo teo. Ny ferovan-tratran'iary zareo de menabe, manga antitra de solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ny liogna ny lohan'ny sôvaly,ka ny nivôka avy tam-bavan'iary zareo de afo, vovoka de solifara. 18 Sady ny ampahatelon'ny olona de matin'ny loza telo: ny afo, ny vovoka, de ny solifara zay nivôka avy tam-bavan'iary zareo. 19 Ka ny herin'ny sôvaly de avy tamin'ny vavan'iary zareo mban'ny rambon'iary zareo - ka ny rambon'iary zareo de kara bibilava, sady nanagna loha zay afaka mahavôratra olona iary zareo. 20 Ny olombelona sisa, zegny tsy matin'io loza io, de tsy nivalo tamin'ny asa vitan'iary zareo, na nijanogna nanompo ny demony mban'ny sampy volamena, volafotsy, varaigna, vato, de kakazo - ny raha tsy ita maso, regny, na mandeha. 21 Iary zareo de tsy mbola nivalo tamin'ny famonoan'olona, ny famosavena, ny fijangajangana mban'ny fangalarana namboarin'iary zareo.