Toko faha 8

1 Ndreka nitatain'ny Zanaka ondry ny tobom-kase fahafito, de nisy fahanginana tan-danitra tagny teo amin'ny antsasakadiny teo. 2 Aveo de hitako ny anjely fito zay nitsangana teo alohan'Andriamanitra, sady nomena trompetra fito iary zareo. 3 Nisy anjely hafa tonga, nitàna kopy volamena fondorôna ditin-kakazo magnitra, nitsangana tambonin'ny alitara. Ditin-kakazo amgnitra maro no namena an'azy mba hagnomezany an'izany mban'ny vavakan'ny mpino marobe eo ambonin'ny alitara volamena fandorôna ditin-kazo magnitra alohan'ny sezam-boninahitra eo. 4 Ny setrokan'ny ditin-kakazo magnitra, mban'ny vavakan'ny mpino, de niakatra te alohan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5 Nangala kopy fandorôna ditin-kakazomagnitra ny anejly sady namena an'izany tamin'ny afo aveo amin'ny alitara. Aveo natsipiny tamin'ny tany izany, sady nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, mban'ny horohoron-tany. 6 Ny anjely fito zay nanagna ny trompetra fito de niomagna hitsoka an'izany. 7 Nitsoka ny trompetrany ny anjely vôlohany, de nisy havandra mban'ny afo mifangaro rà. Natsipy tambonin'ny tany taty zany mba ho may ny ampahatelon'izany, may ny ampahatelon'ny hazo, de may aby koa ahi-mentso. (Fagnamarihana: Ny sanagny amin'ny dikan-teny taloha de mangala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'izany .") 8 Nitsoka ny trompetrany ny anjely faharoy, sady nisy raha kara ny tendriombohitra lehibe nisy afo nirehitra natsipy tan-dranomasina tagny. Nanjary rà ny ampahatelon'ny ranomasina, 9 maty ny ampahatelon'ny raha managn'aigna tan-dranomasina tao, sady rava ny ampahatelon'ny sambo. 10 Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahatelo, de nisy kintagna lehibe nilatsaka avy tan-danitra, mirehitra kara fanilo, tamin'ny ampahatelon'ny ony mban'ny loharano. 11 Raha mafaitra no agnaran'ny kintagna. Nanjary nafaitra ny ampahatelon'ny rano, sady olona maro no:maty tamin'ny rano nanjary nafaitra igny. 12 Nitsoka ny trompetrany ny anjely faha-efatra, de niova ny ampahatelon'ny masoandro, kara ny ampahatelon'ny volana mban'ny ampahatelon'ny kintagna.Noho izany de nanjary mintigna ny ampahatelon'io; tsisy hazavana ny ampahatelon'ny andro mban'ny ampahatelon'ny alina. 13 Nizaha aho, sady naregny voro-mahery nijotso tantegnantegnan'ny lanitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: '"Loza, loza,loza, ho an'ny zegny mipetraka ambonin'ny tany, noho ny feona trompetra sisa zay hitsofin'ny anjely telo io."