Toko faha 7

1 Tafaran'izany de nahita anjely efatra nitsangana tamin'ny zoro tany efatra aho, nanohitra mafy ny rivotra efatran'ny tany, mba tsy hisy rivotra magnagnina amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitra amin'ny kakazo marobe. 2 Nahita anjely hafa aho niakatra avy tantsignanana, zay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velona. Nihoaika tamin'ny feo mafy tamin'ny anjely efatra zay nahazo alalagna handratra ny tany mban'ny ranomasina izy hoe: 3 "Aza ratena ny tany, ny ranomasina na ny kakazo mandra-pagnasentsena ny tombo-kase amin'ny handrignan'ny mpanompon'Andriamanitrantsena." 4 Naregny ny isan'iary zareo zegny vôtombo-kase aho: 144,000, ny vôtomboka-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely maro: 5 Roy arivo sy ray aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6 roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Naftaly, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Manase. 7 roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara, 8 roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roy arivo sy ray aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamina no vôtombo-kase. 9 Tafaran'ny raha io de nizaha aho, de nisy olona marobe zay tsy vô hisa--- avy tamin'ny firenena, foko; olona; sady fizakana marobe--- nitsangana talohan'ny seza fiandrianana de talohan'ny Zanak'ondry. Nagnano ankanjo lava fotsy sady mitàna sampan-drofia tamin'ny tagnan'iary zareo, 10 de nagnantso mafy tamin'ny feo mafy iary zareo nagnano hoe: "Ny famonjena de an'Andrimanitrantsena zay mipetraka ambonin'ny seza fiandrianana, sy an'ny Zanak'ondry!" 11 Ny anjely marobe nitsangana magnodidigna ny seza fiandrianana sady magnodidigna ny loholona sady ny raha- managn'aigna efatra, de iary zareo de nampandondogna ny tarehin'iary zareo talohan'ny seza fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra iary zareo 12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, hakantena, fisôrana, fahefana, mban'ny hery anie ho an'Andriamanitra mandrakizay doria! Amena!" 13 Avy eo ny raika tamin'ny loholona io nagnotany anaha hoe: "Iza io, mekanjo kanjolava fotsy, sady avy aza iary zareo? 14 Hoy aho tamin'Azy: ""Tompoko, Anao mahafantatra," de hoy Izy taminaha: "Io no hvôka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nisasan'iary zareo ny akanjolavany sady nofotsena tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. 15 Avy amin'izany antony izany, de eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra iary zareo, sady mivavaka amin'Azy magnalignandro amin'ny tempoliny. Ny raika zegny nipetraka tamin'ny seza fiandrianana de hamelatra ny lainy amin'iary zareo. 16 Tsy ho mosarena koa iary zareo, na hangetaheta ndreka, Tsy hamely an'azy ny masoandro, na ny hafanana mandoro. 17 Fa ny Zanak'ondry eo antegnategnan'ny seza fiandrianana no ho mpiambina an'iary zareo sady hitari-dalagna an'azy io agny amin'ny loharanon'ny rano velona, sady hofafan'Andriamanitra ny ranomaso marobe amin'ny mason'iary zareo."