Toko faha 6

1 Ndreka namoha ny raika tamin'iregny tombokase fito ny Zanak'Ondry de nijery zaho, ka naregny ny raika tamin'iregny raha managn'aigna efatra tamin'ny feo hôtran'ny kotroka nizaka hoe: "Malaky! 2 Nijery zaho de nisy sôvaly fotsy teo. Ny mpideban'zany de nitagna tsipika, ka namena satro-boninahitra izy. Nivôka hôtran'ny mpandresy izy mba handresy. 3 Ndreka namoha ny tom-bokase faharoy ny Zanak'Ondry, de naregny ny raha managn'aigna faharoy zaho nizaka hoe:Malaky!" 4 De nisy sôvaly hafa nivôka, mirehitra mena. Ny mpideban'zany no namena alalana hangala ny fiadanana amin'ny tany, mba hifamono ny olony. Io mpideba io de namena sabatra lebe. 5 Ndreka namoha ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'Ondry, de naregny raha managn'aigna fahatelo zaho ny zaka hoe: "Malaky!" Nahita sôvaly mintina zaho, ny mpideban'zany de nitàgna fandànjana tegny an-tagnany. 6 Naregny kara ny feo tamin'ny raha managn'aigna efatra zaho nizaka hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denary raika. Ka aza ratena ny menaka sy ny divaigna." 7 Ndreka namoha ny tombo-kase fahefatra ny Zanak'Ondry, de naregny ny feon'ny raha managn'aigna fahefatra zaho nizaka hoe: "Malaky! 8 De nahita sôvaly kosatra zaho. ny mpideba an'zany de natao hoe fahafatesana, ka reo fasagna de nagnaraka an'azy.Namena alalana amin'ny ampaha-efatra ny tany iary zareo, mba hamono amin'ny sambatra, mosary sy aretina, sady amin'ireo bibidia ny tany. 9 Ndreka namoha ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'Ondry, de hitako tambany alitara ny fagnahin'iregny zay nivonina nony tenin'Andriamanitra sy ny fijorona vavolombelona zay notànan'iary zareo. 10 Nihoaika tamin'ny feo mafy iary zareo hoe: " mba ovena ry tompon'ny raha marobe, masina sy marina, no hitsaranao iregny zay miaigna eto an'tany, sady hamalenao ho faty ny rànay? 11 De namena akanjo lava ny tsiraidraika avy tamin'iary zaro, de nozakaina iary zareo fa tokony handigny bitabitaka mbara-pahazoana ny isa fenon'iary zareo mpiara-mivavaka sy ralahy de ny anakavin'iary zareo zegny tokony hovonoina iary zareo, hôtra ny namonoana an'zareo. 12 Ndreka namoha ny tombo-kase fahenina ny Zanak'Ondry, de nijery zaho ka nisy horohoron-tany lebe. Lasa mintina hôtrany ny lamba fisônana ny masoandro, ka ny volana feno manana de hôtrany rà. 13 Ny kitana tegny amin'ny lanitra de latsaka tamin'ny tany, hôtra ny aviavy mandraraka ny voany manta ndreka tsofiny rivotra mafy. 14 Ny lanitra de lasa hôtra ny taratasy vôhorogna. Ny vohitra sy ny nosy marobe de nalaina tamin'ny toerany. 15 Aveo ny mpanjakan'ny tany sy ny olona lebe, sy ny jeneraly, ny mpanankarena, ny mahery, de ny hafa marobe, ny andevo sy ny tsy andevo, nivony tanatin'ny lava-bato sy tamin'ny vatompin'ny vohitra. 16 Nizaka tamin'ny vohitra sy tamin'ny vatolampy iary zareo hoe: "Milatsaha aminay! Avonio ny tavan'Iray zegny mipetraka amin'ny seza fiandrianana sy ny fahavigniran'ny Zanak'Ondry zahay. 17 Fa tonga ny andro leben'ny fahavigniranan'iary zareo. Iza no havita hadigny?"