Toko faha 5

1 De hitako ny tagnana ankavananan'ny raika nipetraka tamin'ny seza fiandrianana, fa nisy taratasy vôsoratra taloha sy tafara. De nasena fitomboka tamina kase fito. 2 De hitako amin'izay ny anjely matanjaka nizaka tamin'ny feo mafibe hoe:"Iza tokony hanokatra ny horonan-taratasy sady hanataka ny tombo-kaseny?" 3 Tsisy olona tan-danitra na teto an-tany na tambanin'ny tany ka afaka hanataka ny horonan-taratasy na hamaky anazy. 4 Nitomagny mafibe aho satria tsy nisy olona mintsy mba hita mendrika hanokatra ny horon-taratasy na hamaky anazy. 5 Kanefa de nizaka taminaha ny raika tamin'ny loholona hoe:" Aza mitomagny. Igny. Ny liogna avy amin'ny fokon'i Joda, lay solofon'i Davida, de nandresy. Izy no afaka hanokatra ny horonan-taratasy mban'ny tombo-kase fito. 6 De hitako nisyZanak'ondry nitsangana tagnelagnelagny sezafiandrianana mban'ny raha managn'aigna efatra de tagnivon'ny loholona koa. Ôtran'ny hoe olona nivonina izy. Nanagna tandroka fito de maso fito izy; iary zareo no Fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nagneran-tany. 7 De nandeha izy sady nangala ny horonan-taratasy tamin'ny tagnana ankavananan'ny tokana nipetraka tamin'ny sezafiandrianana. 8 Ndreka nalain'ny Zanak'ondry ny horonan-taratasy, gny raha managn'aigna efatra mban'ny loholona efatra amby roapolo de nampenkohoka ny tegnany takekiny teo aby iary zareo. Sady samy nanagna lokanga sy lovia volamena feno emboka mangitra aby gny tsitokatokana tamin'iary zareo, de vavakan'ny mpino. 9 De nihira hira vaovao iary zareo ka nagnano hoe:" Mendrika handray ny horonan-taratasy anao sady hanataka ny tadin'io. Fa anao de nivonina, sady tamin'ny rànao nividianana an'ny olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fizakana, olona, mban'ny firenena marobe. 10 Nataonao fanjakana sady mpisorona iary zareo mba hanompo an'Andriamanitra, sady hanjaka ambonin'ny tany." 11 Avy eo de hitako sady regniko feon'anjely marobe nagnodidigna ny sezafiandrianana mban'ny raha managn'aigna sy ny loholona. Ny fitambaran'iary zareo de agnalignaligna. 12 Nizaka tamin'ny feo mafibe iary zareo hoe:" Mendrika an'i Zanak'ondry nivovina anie ny handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laza, voninahitra, mban'ny dera." 13 De regniko aby gny raha vôforona marobe io na gny tan-danitra na tambonin'ny tany mban'ny tambanin'ny tany na gny tan-dranomasina sy gny raha marobe tagnatiny-nizaka hoe:" Ho an'Ilay tokana mipetraka amin'ny sezafiandrianana sy ho an'Ilay Zanak'ondry, anie ny dera, ny laza, ny voninahitra, mban'ny fahefana hibeko, mandrakizay doria." 14 De gny raha managn'aigna efatra, nizaka hoe:"Amena!" De gny loholona nenkohoka sady nivavaka.[Fagnamarihana: Ny sasagny amin'ny fandikana teny taloha de mivaky hoe:"Gny loholona roy amby efapolo de nenkohoka sady nanompo an'ilay tokana velogna mandrakizay doria."]