Toko faha 4

1 Tafaran'zany raha zany de nijery zaho, ary nahita varagnaragna raika nisokatra tegny amin'ny lagnitra. Ny feo voalohany zay regniko de nikorana taminaha kara ny trompetra, nagnano hoe: "Miakara ety, de ho atoroko anao zay tsy metsy ho avy afaran'iregny raha iregny." 2 Nisy fotôna zaho voatariky ny Fanahy, de nahita fa nisy seza fiandrianana nipetraka tegny amin'ny lagnitra, nisy olona nipetraka tambonin'zany. 3 I raika zay nipetraka tamboniny de managna endrika Jaspy sy karneola. Nisy avana nagnodidigna ny seza fiandrianana. I avana igny de mitovy loko amina emeralda. 4 Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nagnodidigna ny seza fiandrianana, ary loholona efatra amby roapolo no nipetraka tambonin'iregny seza fiandrianana, niakanjo fotsy, niaraka tamin'ny satro-boninahitra volamena tegny amin'ny lohan'iary zareo. 5 Avy tamin'ny seza fiandrianana no nisy tsela-pahazavana, orana, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito nirehitra talohan'ny seza fiandrianana, jiro zay fanahy fiton'Andriamanitra. 6 Talohan'ny seza fiandrianana de nisy ranomasina fitaratra, kara ny kristaly. Iregny raha managn'aigna efatra de tantegnantegnan'ny seza fiandrianana sy nagnodidigna an'zany, feno maso, talohany sy tan-damosigny. 7 Ny raha managn'aigna voalohany de kara ny liona, ny raha managn'aigna faharoy kara ny zanak'omby, ny raha managn'aigna fahatelo de managna endrika olona, ary ny raha managn'aigna fahaefatra kara ny voro-mahery miborigna. 8 Iregny raha managn'aigna efatra de samy managna elatra enina aby, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro aman'alina izy iregny de tsy mijanogna mizaka hoe: "Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha zay nisy, sy misy, ary mbola ho avy." 9 Na ovena na ovena iregny raha managn'aigna de hognome voninahitra, laza, ary fisaorana an'i raika zay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, i raika zay velona mandrakizay doria, 10 iregny loholona efatra amby roapolo de nampiankohoka ny tegnan'iary zareo eo alohan'ny raika zay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. Miankohoka eo amin'ny raika zay velona mandrakizay doria izy iregny, sady nanipy ny satro-boninahitr'iary zareo talohan'ny seza fiandrianana, mizaka hoe: 11 "Mendrika anao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery. Fa Ianao no namorona ny raha maro be, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, de nisy izy iregny ary noforonina."