Toko faha 10

1 Aveo zaho de nahita anjely matanjaka hafa avy tagny andanitra. Tagnaty rahona izy, sady nisy havana tambonin'ny lohany. Ny tarehiny de kara môsoandro de ny tongotrany de kara andry afo. 2 Mitana horagnan-taratasy bitaka mivelatra tan-tagnany izy, sady mametraka ny tongotrany havanana amin'ny ranomasina amban'ny tongotrany havia amin'ny tany. 3 Aveo izy de nihoaika tamin'ny feo mafy kara ny fieron'ny liona. Ndreka nihoaika izy, de nikotraka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. 4 Ndreka nikotroka ny kotroka fito, de tandalam-panoratana zaho, ka naregny feo avy tagny an-danitra zaho nizaka hoe: "Tano ho tsiambaratelo zay nozakain'ny kotroka fito. Aza soratana zany." 5 Aveo hitako ny anjely nitsangana tamboniny ranomasina amban'ny tany, nanangana ny tagnany akavanana tagny an-danitra. 6 Izy nifanta tamin'i raika velona mandrakizay doria, zay namorona ny lagnitra, de ny tany amban'ny ranomasina de zay raha maro be agnatin'ireo, ka ny anjely nizaka hoe: "Tsy hisy fandigniasana koa. 7 Fa amin'ny andro raika ndreka hampagneno ny trompetra ny anjely fahafito, de ho tanteraka ny misterin' Andriamanitra, kara ny nagnambarany tamin'ny mpaminany mpanompony." 8 Ny feo regniko zay avy agny an-danitra nizaka taminaha ndreka hoe: "Mandiana, alay ny horognan-taratasy mivelatra an-tagnan'ny anjely mitsangana ambony ranomasina amban'ny tany. 9 Aveo de dila nandea tamin'ny anjely zaho de nizaka taminazy mba hameny anaha ny horognan-taratasy bitaka. Nizaka izy taminaha: "Alay ny horognan-taratasy de hoano. Hampafaitra ny an-kibonao zany, fa ao ambavanao de ho mamy kara ny tintely zany." 10 Nalaiko tan-tagnan'ny anjely ny horognan-taratasy bitaka de nohaniko zany. Mamy kara tintely tam-bavako zany, de nanjary nafaitra ny tam-bavako. 11 Aveo nisy olona raika nizaka taminaha hoe: "Tsy metsy maminagny ndreka anao momban'iregny olona maro, ny firenena, ny fizaka, de ny mpanjaka."