Toko faha 11

1 Namena volotara mba hampiasaina kara ny tangala zaho. Nozakaina tamiko hoe: "Mitsangana de refeso ny tempolin' Andriamanitra de ny alitara, sady ny mivavaka ao. 2 Aza refesina ny tokotany avelan'ny tempoly, fa namena an'i reo jetilisa zany. Hagnitsaka ny tanàna masina mandritra ny roy amby efapo volana iary zareo 3 Hameko ny vavolombeloko roy ny fahefana haminany mandritra ny 1,260 andro, nisikina lamba fisaonana. 4 Ny vavolombelogna reo de kakazon'ôliva roy de ny fitoeran-jiro roy zay nitsangana takaiky ny tompon'ny tany. 5 Namisy olona misafidy handratra an'azy reo, de mivôka afo ny vavan'iary zareo de hinagna ny fahavalon'iary zareo. Niza niza magniry ny handratra an'Azy reo de tsy mentsy ho vonoina amin'ny fomba zany. 6 Ny vavolombelona reo de managna fahefana hagnidy ny lagnitra mba tsy handatsak'orana mandritra ny andro haminanian'iary zareo. Managna fahefana hamadika ny rano ho tonga rà sady hamely ny tany amin'ny akarazagna loza marobe na vena na vena teny iary zareo. 7 Ndreka ho vita ny fijoroan'iary zareo vavolombelogna, de miakatra avy agny agnaty lavaka tsy takam-parany ny bibidia hiady de hanohitra an'azareo. 8 Hivalapatra egny andalagnan'ny tanàn-dehibe ny fatin'iary zareo (zay antsovana my koa hoe Sodoma de Egypta) zay namantsihana ny Tompon'iary zareo. 9 Hijery ny fatin'iary zareo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona, ny foko, fizaka, mban'ny firenena marobe. de tsy avelan'iary zareo hatao ampasagna ny faty. 10 Reo zay miaigna ambon'ny tany de hankalaza sady hifaly amin'iary zareo. Hifandefa fagnomezana mintsy aza iary zareo satri nampijaly zay didikin'ny miaigna tambon'ny tany ny mpaminagny roy igny. 11 ka afaka teloandro sy tapany de hiditra ao amin'iary zareo ny fofognaign' Andriamanitra, de amin'ny tongotrany no hitsanganan'iary zareo. De hotogna amin'ny zay mahita an'azy ny havakana lebe. 12 Aveo de haregny feo mafy avy agny an-danitra iary zareo mizaka hoe: "Makara atiky!" Aveo de hiakatra agny an-dagnitra agnaty ny rahogna iary zareo, na mbola mijery tany ny fahavalon'iary zareo. 13 Amin'ny ora zany de hisy horohorontany mafy, de hirodana ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olona ho fatin'ny horohorontany, de hovaka ratsy ny olona sisa tsy maty de hagnome voninahitra an'Andriamanitry ny lagnitra. 14 Dila ny loza faharoy. Io! Fa nalaky tonga ny loza fahatelo. 15 Aveo de nampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, de nisy feo mafy nizaka hoe: "Ho tonga fanjakan'ny Tompontsena de ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo zao. Izy no hanjaka mandrakizay doria." 16 Aveo ny loholona efatra amby roapolo zay nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'iary zareo tankatrehan'Andriamanitra de nampiakohotra ny tegnan'iary zareo. Nakalaza an'Andriamanitra iary zareo. 17 Nizaka iary zareo: "Magnome fisaorana Anao zahay, ry Tompo AndriamanitraTsitoha, ny amin'izao amban'ny taloha, satria nangala ny herinao lebe anao de nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny sanagny amin'ny dikan-teny taloha de mivaky hoe: Ny mpanjaka ny marobe, ny amin'izao amban'ny taloha, de ny ho avy, fa nidikan-teny amin'ny fotôgn'zao de tsy karan'izany.) 18 Vignitra mafy ny firenena, nefa tonga ny fahavigniranao. Tonga ny fotôgna hitsarana ny maty de hamalianao tsara ny mpaminany mpiasanao, ny mpino, de reo zay natahotra ny agnaranao, na ny tsisy dikany na ny mahery. Tonga ny fotôgna handringanana ny manimba ny tany." 19 aveo de nisokatra ny fiangonan'Andriamanitra tagny andagnitra de hita ny fiaran'ny fagnekena agnatin'ny fiangonana. Nisy tsela-pahazavana, kotroka, kotrokorana, horohorontany, de havandra mavety tao.