Toko faha 20

1 De nahita anjely nijotso avitagny andagnitra aho. Nanagna ny lakilen'ny lavaka tsy hita fiafarana, sady nanagna rojo vy lebe tan-tagnany izy. 2 Nanambotra ny dragona izy, na ny manaragna ela, de ny devoly, na satana, de nifihezina arivo taona. 3 Na tsipiny tamin'ny lavaka tsy hita farany izy, nahidiny zany de naseny tombo-kase taminazy, Na mboarina zany mba tsy hamitahany ny firenena maro koa mandra-pahatapitry ny arivo taona. Afaran'zany, de tsy metsy halefa fotôna bitabitaka izy. 4 Sady nahita seza fiandrianana maro zaho. Nipetraka tamboniny reo zay namena fahefana mitsara. Hitako ny fanahin'ireo zay notapahin-doha noho ny fijorôna vavolombelona momba an'i Jesôsy sady nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy nandondogna tamin'ny bibi-dia amban'ny sariny mako iary zareo, sady nandà ny handray ny marikan'ny bibi-dia tamin'ny andrignany na tamin'ny tagnany. De velogna ndreka iary zareo, ka nanjaka niaraka tamin'i Kristy mandritran'ny arivo taona. 5 Ny sisan'ny maty de tsy velona mandra-pahatapitran'ny arivo taona. Zany no fitsanganana vôlohany. 6 Sambatra sady masina zay olona managna anjara amin'ny fitsanganana vôlohany! Eo agnatrehan'ny zany de tsy manan-kery ny fahafatesana faha roy. Iary zareo de ho mpisorogna an'Andriamanitra amban'ny Kristy sady hanjaka miaraka Aminazy mamdritra ny arivo tana. 7 Ndreka tapitra ny arivo taona, de ho tatahina tam-pigadrana Satana. 8 Hivôka izy mba hamitaka ny firenena maro egny amin'ny vazan-tany efatra - Goga de Magoga - mba hitondra an'iary zareo miaraka ho agny amin'ny ady. Iary zareo de ho maro kara ny ranomasina. 9 Niakatra tambon'ny tany lemaka iary zareo de nagnodidigna ny tobin'ny mpino, ny tanàna malala. Nefa nisy afo nidigna avy tagny an-danitra ka de nandripaka an'iary zareo. 10 Ny devoly, zay namitaka an'iary zareo, de natsipy tamin'ny farihy afo solifara, toerana zay hanipizana ny bibi-dia amban'ny mpaminany sandoka. sady ho ampijalena andro aman'alina mandrakizay mandrakizay iary zareo. 11 De nahita seza fiandrianana fotsy lebe zaho de ny nipetraka tamboniny teo. Ny tany amban'ny lanitra de nilefa ny fagnatrehany, ne fa tsisy toerana andehanan'iary zareo. 12 Na hita ny maty zaho - ny lebe amban'ny bitaka - nitsangana talohan'ny seza fiandrianana, de nivilarina ny boky. Ka nisy bboky raika novelarina - De ny Bokin'ny fiaignana. Ny maty de nitsaraina arakazay vôsoratra tamin'ny boky io, araka ny asany. 13 Ny ranomasina de namôka ny maty tagnatiny. Ny fahafatesana amban'ireo fiainan-tsy hita de namôka ny maty zay tamin'iary zareo, ka ny maty de notsaraina araka ny raha namboariny. 14 Ny fahafatesana amban'ny fiainan-tsy hita de natsipy tamin'ny farihy afo. Zany no fahafatesana faharoy - de ny farihy afo. 15 Raha nisy anarana tsy hita vôsoratra amin'ny Bokin'ny fiainana, de natsipy tamin'ny farihy afo.