Toko faha 21

1 Aveo zaho nahita lagnitra ambana tany vaovao, ka fôgna ny lagnitra amban'ny ny tany voalohany, ka tsisy koa ny ranomasina. 2 Hitako ny tanàna masina, de Jerosalema vaovao, zay nijotso avy tagny an-dagnitra, avy amin'Andriamanitra, vôhomagna kara ny ampipôziavina ho an'ny vadiny. 3 Haregny feo mafy avy tamin'ny seza fiandrianana zaho mizaka hoe: "Io! Eo amin'ny olona ny toeran'ny taberna bitaka an'Andriamanitra, de hiaigna miaraka amin'iary zareo izy. Ho olony iary zareo, ka Andriamanitra tegnany no hiaraka amin'iary zareo ka Izy ho Andriamanitr'iary zareo. 4 Hamafa ny ranomaso marobe amin'ny mason'iary zareo Izy, ka de Tsy hisy fafatesana koa, na alahelo, na tomagny, na fanaitanana. Efa dila ny raha taloha. 5 Ny raika nipetraka tambon'ny seza fiandrianana nizaka hoe: "Io! Namboariko vaovao ny raha marobe." Nizaka Izy: "Soraty zao satria ny zaka Io de mahatoky sy marina." 6 Nizaka Izy tamiko hoe: "Efa vita raha Io! Izaho no Alfa sady Omega, ny fanombohana sady fiafarana. Zay tehinan-drano de ameko ho anina maimaim-pôgna avy amin'ny loharano ny fiaignana. 7 Zay mandresy de handova ny raha Io, de zaho no ho Andriamaniny, ka izy ho zanako. 8 Fa ny osana, Tsy manam-pinoana, mahadikidiky, mpamono olona, mpijangajanga, mpagnano ody, mpanomposampy,sady mpandainga, de agny amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no petrahan'iary zareo. Zay no fahafatesana faharoy." 9 Nagnatogna an'ahy ny raika tamin'ny anjely fito, ny raika nanagna ny kopy fito feno ny loza fito farany, de nizaka izy hoe: "Avy atiky. Hatoroko anao ny ampakarina, ny vadin'ny Zanak'ondry." 10 Aveo de nandaony tamin'ny Fanahy tagny amin'ny vohitra ambo zaho de natorony ahy ny Jerosalema tanàna masina midina avy tan-dagnitra tamin'Andriamanitra. 11 Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, de ny famirampiratany de kara ny vato tsara sarobidy, kara ny vato kristalina jaspy madio. 12 Nanagna rindrigna ambo lebe miaraka tamin'ny vavahady roy ambin'ny folo, miaraka tamin'ny anjely roy ambin'ny folo tamin'ny zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo tantsignianana,de tavaratra, de ny tatsimo ambin'ny tandrefana. 14 Nanagna fototra roy ambin'ny folo ny rindrignin'ny tanàna, ka tamin'io no nisy ny anarana apôstôlin'ny Zanak'ondry roy ambin'ny folo. 15 Ny raika zay nikorana tamina de nanagna fandrefesana volotara vita tamina volamena mba handrefesana ny tanàna, de ny vavahadiny, ambin'ny rindrignany 16 Mitovy amina efa-joro i tanàna igny; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tànana tamin'ny fandrefesana volotara Igny Izy, roy arivo metatra ny halavany (mitovy ny halavany, mbamin'ny sakany, de ny hamboasany). 17 De nandrefy ny rindrignan'zany koa izy, 114 hakiho ndreka refesin'ny olona (de refin'ny anjely my koa zany). 18 Vita tamina jaspy i rindrigna igny de tamina volamena tsisy fagnarony, kara ny fitaratra madio. 19 Ny fototra ny rindrigna igny de nasena tamin'iregny karazagna vato sarobidy marobe. Ny vôlohany de jaspy, ny faharoy safira, ny fahatelo kalkedôna, ny fahaefatra emeralda, 20 ny fahadimy sardôniksa, ny fahenina, karneôla, ny fahafito krysôlita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy tôpaza, ny fahafolo krysôprasô, ny faha raika ambin'ny folo jacinta, ny faha roy ambin'ny folo ametysta. 21 Ny vavahady roy ambin'ny folo de vato soa roy ambin'ny folo; ny tsirairaika tamin'iregny vavahady de vita tamin'ny vato soa raika. Ny làlam-be tan-tanàna de volamena tsisy fagnarony, ôtrany fitaratra magnarahara. 22 Tsy nahita fiangonana tamin'ny tanàna zaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha mbaminy Zanak'ondry no fiangonany. 23 Ny tanàna de tsy nilana masoandro na volana mba hampazava amin'zany satria ny voninahitr'Andriamanitra de nanazava tamin'zany, de ny Zanak'ondry no jiron'zany. 24 Handea amin'zany fahazavan'zany tanàna zany iregny firenena. Iregny mpanjakan'ny tany de hitondra ny hatsaran'iary zareo ho ao amin'zany. (Fagnamarihana: Ny antotan-taratasy taloha sanagny de mivaky hoe: "Iregny firenena zay vôvonjy de handea amin'ny fahazavan'zany tanàna zany.") 25 Tsy ihidy zany vavahady zany mandrapatapitra ny andro, de tsy hisy alina agny. 26 Hitondra ny fahatsarana mbaminy hajan'iregny firenena ao amin'zany iary zareo, 27 de tsy hisy maloto hiditra amin'zany mihitsy. Tsy hisy niza niza hagnano raha mahamegnatra amban'na mamitaka hiditra ao, fa zay vôsoratra agnarana amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiaignana my.