Toko faha 19

1 Tafaran'izany raha izany de naregny kara feona fokonolona mafy be tsy tambo isaina tagny an-danitra aho nagnano hoe: "Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra , sy ny hery de an'Andriamanitrantsena. 2 Ny fitsarany dfe marina sady mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tegna lehibe zay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangana Izy. Namaly faty ny ran'iary zareo mpiasany, zay nalatsagny izy". 3 Nizaka fagnindroiny iary zareo hoe: "Aleloia! Ny vovoka de miakatra avy aminazy mandrakizay doria". 4 Ny loholona efatra amby roapolo amban'ny zegny raha managn'aigna efatra de niondrika sady nanompo an'Andriamanitra zay nitometra tamin'ny seza fiandrianana. Nizaka iary zareo: " Amena. Aleloia!" 5 De nisy feo nivôka avy tamin'ny seza fiandrianana, nagnano hoe: "Derao Andriamanitrantsena, anareo marobe mpiasany, anareo zegny matahotra Anazy, na ny bitaka na ny agnonabe." 6 De naregny kara feon'olona marobe, kara ny fireondreognan'ny rano be, mban'ny filatsahan'ny oram-be, nagnano hoe: "Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitra zay manapaka amin'ny marobe. 7 Oka antsena hifaly sady ho ravoravo ka hagnome voninahitra Anazy satria tonga ny fagnamboarana ny fanambadenan'ny Zanak'ondry, de ny ampekaria efa miomagna. 8 Nomena alalagna hagnatao lamba rongony mamirapiratrasady madio izy" (ny lamba rongony de ny asa marin'ny olo-masina). 9 Ilay anjely nizaka taminaha hoe: "Soraty izao: Sambatra ireo izay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nizaka taminaha ko izy hoe: " Io de zakan'Andriamanitra marina." 10 Niankohoka tamin'ny tongotrany teomba hanompo Anazy aho, de nizaka izy taminaha: " Aza magnano an'izao! Izaho de mpiara-manompo aminao mban'ny rahalahinao zay mitana ny fijorôna vavolombelona momba ani Jesôsy. Manompoa an'Andriamanitra, fa ny fijorôna vavolombelona momba an'i Jesoa de ny fagnahin'ny faminaniana." 11 De nahita ny lanitra nidagnadagnaaho nijery nisy sôvaly fotsy. Ny mpideba an'izany de nantsovana hoe: matoky sady marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany mban'ny hiadiany. 12 Ny masony de kara lelan'afo afo, de amin'ny lohany eo misy satro-boninahitra maro. Managna agnarana vaosoratra aminazy eo zay tsisy mafantatra afa- tsy izy my izy io. 13 Magnatao akanjo lava zay najoboka tamin'ny ra izy, ka ny agnarany de nantsovana hoe ny zakan'Andriamanitra. 14 Ny mpiady tan-danitra de nagnaraka anazy tamin'ny sôvaly fotsy, magnatao akanjo lamba rongony fotsy sady madio. 15 Avy amin'ny vavany ao no ivoan'ny sabatra maragnitra zay havoazany ny firenena, de hanapaka an'iary zareoamin'ny tehina vy izy. Magnitsaka amin'ny famiazan'ny fahavigniran'Andriamanitra Tsitoha izy. 16 Managna agnarana voasoratra amin'ny akanjo lavany eo amin'ny feny izy hoe: "Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny tompo. 17 Naita anjely nitsangana tamin'ny masoandro aho. nagnantso mafy ny voro- manidina any ambony izy hoe: "Malaky, mivorovoroa ho amin'ny feti-ben'Andriamanitra. 18 Malaky ihinagna ny vatagnan'iary zareo mpanjaka, ny vatagnan'ny mpitari-tafika, ny vatagnan'ny lilahy matanjaka, ny vatagnan'ny sôvaly mban'ny zegny mpideba an'izany, ny vatagnan'ny lilahy marobe, na ny afaka na ny andevo, na ny bitaka na ny agnonabe ." 19 De nahita ny bibi-dia mban'ny mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafikan'iary zareo aho. Nitambatra iary zareo mba hiady amin'ny raika zay nideba ny sôvaly mban'ny tafika anazy. 20 Voasambotra lay bibi-dia mban'ny mpaminany sandoka zay nagnano famantarana tagnatrehany. Tamin'io famantarana io ny no namitahany an'iary zareo zegny nandray ny mariky ny bibi-dia mban'iary zareo zegny nanompo ny sariny. Izy roy io de natipy velona tagnatin'ny farihin'afo mirehitra solifara. 21 Ny sisa tavela tamin'iary zareode nivonina tamin'ny sabatra zay nivôka tamin'ny vavan'ny raika zay nideba ny sôvaly. Niohanin'ny vorogna marobe ny fatin'iary zareo.