Toko faha 18

1 Tafaran'io raha io de nahita anjely hafa tonga nijotso avy agny an-danitra aho. Nanagna fahefana lehibe izy, sady namirapiratra noho ny voninahitrany ny tany. 2 Nioaika tamin'ny feo mafy izy, nbizaka hoe: "Lavo, lavo ny Babylona lehibe! Nanjary tonga toera-ponenan'ny demony, felofana ho an'ny fagnahy maloto de felofana ho an'ny vorogna maloto sady madikidiky marobe. 3 Fa ny firenena marobe de nihinagna ny divaignan'ny fitondran-tegna malotony. Ny mpanjakan'ny tany de nagnano fitondran-tegna maloto tamin'azy. Ny mpivarotra ny tany de nanjary mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiaignany amin'ny nofo." 4 Aveo de naregny feo hafa avy tan-danitra aho, mizaka hoe: "Menga amin'azy, zegny olon' anaha, mba ts hizarany ny fahotany aminareo, sady tsy hahaonareo ny lozany. 5 Efa nivory kara ny amboasan'ny lanitra ny fahotany, sady Andriamanitra mahatadidy ny asa ratsiny. 6 Mamalia an'azy kara ny namalian'ny hafa, de valio indroy ambonin'ny efa vitany, tamin'ny kapôka zegny efa nofenooiny, de fenoy indroy ho an'azy. 7 kara ny nagnomezany voninahitra ny tegnany say niaigna tagnatin'ny fiafena, ameo an'azy ny fampijalena mban'ny alahelo ampy an'azy. Fa izy nizaka tam-pony hoe: 'Nipetraka kara mpanjaka viavy aho. Tsy maty vady aho, sady tsy hisaona mandrakizay.' 8 Noho izany de ho avy amin'ny andro raika ny aretina mandripaka: ny fahafatesana, ny fisaonana, mban'ny mosary. Horôn'ny afo izy, fa ny Tompo Andriamanitra de mahery, sady Izy no mpitsara azy." 9 Ny mpanjakan'ny tany zegny nijangajanga sady nandeha tsy amperitreretana niaraka tamin'azy de hitomagny sady henkohoka agnatrehany ndreka hahita ny setrokan'ny fagnasazena an'iary zareo. 10 Hitsangana lavitra iary zareo, hatahotra ny fijaleny, hizaka hoe: "Loza, loza ho an'ny tanàna lehibe, Babylona, ny tanàna mahery, fa amin'ny ora iray de avy ny sazinareo." 11 Ny mpivarotra ny tany de mitomagny sady misaogna ho an'azy, satria tsy nisy olona niady varotra ho an'azy koa- 12 varotra volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ny karazana kakazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka marobe vita avy amin'ny kakazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13 kanelina, raha magnitra, ditin-kakazo, miora, hagnitra, divaigna, menaka, koba tsara toto, vary, biby fiompy mban'ny ondry, sôvaly mban'ny kalesy, ny andevo mban'ny fagnahin'olona. 14 Ny vokatra zegny tenao tamin'ny herinao marobe de henga aminao. Ny entagnano lefo vidy mban'ny namirapiratra de nanjavogna, sady tsy ho hota mandrakizay koa. 15 Ny mpivarotra ny entegna zegny tonga mpanan-karena avy amin'azy de henga amin'azy lavitra noho ny fatahorana ny fijaleny, hitomagny sady hisaogna mafy. 16 Hizaka iary zareo hoe: "Loza, loza ho an'ny tanàna lehibe zegny nisikina tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, mena sady niravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, mban'ny vatosoa! 17 Agnatin'ny adiny raika de ho fôgna zany harena marobe zany. "Ny kapitenin-tsambo marobe, ny mandeha egny ambonin'ny ranomasina aby igny, tantsambo, mban'ny zegny mipetraka an-dranomasina, de hitsangana alavitra. 18 Nioaika iary zareo vô nahita ny setrokan'ny fagnasazena. Nizaka iary zareo hoe: "Tanàna ino kara tanàna lehibe?" 19 Nanipy vovoka tan-dohany izy, sady nioaika mafy, nitomagny, sady nisaogna, nagnano hoe: "Loza; loza ho an'ny tanàna lehibe zegny nisy an'ny olona nanagna ny sambo an-dranomasina de nanjary mpanan-karena avy amin'ny harenany. Fa tagnatin'ny adiny raika de simba izany." 20 Mifalia amin'azy, ny lanitra, anareo mpino, apostôly, mban'ny mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo tamin'azy!" 21 Anjely mahery raika nangala vato kara vato be sady ananipy an'izany tan-dranomasina, de nizaka hoe: "Amin'izany fomba izany, Babylona, ny tanàna lehibe, harodagna arahina herisetra, sady tsy ho hiita koa. 22 Ny feo natàn'ny lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina,mban'ny trompetra de tsy ho regny aminao koa. Ny mpagnano asa-tagnana isan-karazany de tsy hita aminao koa. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho regny koa eo aminao. 23 Ny fahazavan'ny jiro, de tsy hamirapiratra aminao koa. Ny feon'ny mampakatra mban'ny ampakarina de tsy ho regny aminao koa, fa ny mpivarotranareo no andrian'ny tany, sady ny firenena de vôfitaka tamin'ny famosavenareo. 24 Tamin'azy no nahitana ny ràn'ny olona zegny voavono tambonin'ny tany teto."