Marka Toko Faha 9

1 Nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Zakaiko aminareo marina tegnany, fa misy aminareo eo io, no tsy hatsapa ny fahafatesana izany alohan'ny ahitanareo io ny fanjakan'Andriamanitra zay ho avy amin'ny hery lehibe." 2 Afaka enina tafara taty, de nindôsin'i Jesôsy nagnaraka an'Azy i Petera de i Jakoba niaraka tamin'i Jaona ten-tendrombohitra farany zay angambo, de iary zareo raika ny tagny? Aveo de tonga de niova tarehy tamason'iary zareo teo Izy. 3 Ny akanjony niova namirapiratra sady mazava, sady fotsy be, fotsy be mihôtra ny raha nampamotsena tambonin'ny tany. 4 Aveo i Elia sy Mosesy niseho tamin'iary zareo, de nikoragna tamin'i Jesôsy iary zareo. 5 Petera namaly de nizaka tamin'i Jesôsy hoe: "Raby ô, aleo mipetraka eto antsena, de andao agnano tragno lay telo, raika ho Anao, ny raika ho an'ny Mosesy, de ny raika ho an'i Elia." 6 (Fa tsy fantany ny raha zakaina, tratrin'ny natahotra mafy iary zareo.) 7 Nisy rahogna nandrakotra an'iary zareo. sady nisy feo avy tagnatin'ny rahogna igny hoe: "Ity ny zanako malalako. Tenoy Izy." 8 Tsielatsela teo, ndreka nizaha ny magnodidigna iary zareo, de tsy nahita n'iza n'iza koa, afa-tsy Jesôsy raika my. 9 Ndreaka nijotso avy amin'ny tendrom-bohitra iary zareo, de nafatrafarany mafy mba tsy hizaka ndre amin'iza ndre amin'iza ny raha hitan'iary zareo, na tsy efa mitsangana amin'ny maty ny zanak'olona. 10 De nitanan'iary zareo raika my zaka igny, nefa de nifagnotany my iary zareo amin'ny anton'izany "fitsanganana amin'ny maty" izany. 11 Nagnotany an'Azy iary zareo hoe: "Ka nagnino ny mpanora_dalàna magnambara fa tsy mentsy ho avy aloha i Elia?" 12 De nizaka iary zareo hoe: "Efa tonga voalohany Elia voalohany i Elia agnarina ny raha marobe. Ka nagnino na voasoratra fa ny zanak'olona de hijaly mafy amin'ny raha marobe de karan'ny olona tsisy dikany? 13 Nefa zakaiko aminareo fa efa tonga i Elia, nataon'ny olona taminy zegny mahafaly ny fony, mitovy amin'ny zakain'ny Soratra Masina momba an'azy." 14 Fa ndreka nierigna tamin'ny mpianatra iary zareo, de nahita olona marobe nagnodidigna an'iary zareo sady ny mpanora-dalàna niady hevitra tamin'Azy. 15 Ndreka vô nahita an'i Jesôsy iary zareo, de gaga ny fokonolona sady ndreka nihazakazaka nagnatogna an'Azy igny iary zareo de niarahaba. 16 Nagnotaneny mpianatrany io hoe: "Ino ma ny raha hiadinareao hevitra amin'io." 17 De nisy raika tamin'ny fokonolona io namaly an'Azy hoe: "A mpampianatra, nindôsiko aminao aty ny zanako lilahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampizaka an'azy izy. 18 Manambotra an'azy raha io de mandavo an'azy sady mandoa vory izy, miady nify, sady nanjary miziriziry izy. Nangataiko ny mpianatranao hamoaka an'izany mba engan'izany amin'azy, nefa tsy efan'iary zareo". 19 De namaly an'iary zareo Izy hoe: "Ho anareo taranaka tsy mino, hatramin'ny ovena hipetrahako aminareo? hatramin'ny ovena no handefereko aminareo? indôsy aminaha aty izy." 20 De nindôsiny tamin'Azy i zazalilahy igny, ka ndreka nahita an'i Jesôsy ny fagnahy ratsy igny, nampifanintosintogna an'azy izany. Lavo tambany zazalilahy igny sady feno faroratra vavany. 21 Jesôsy nagnotany an'iabany hoe: "Hafiriana no naha toy izao azy?" De nizaka iabany hoe: "Efa tamin'izy mbola zaza." 22 Ndraindraika ny fagnahy ratsy io namarigna an'azy tagnaty afo na tagnaty rano sady nagnandragna ny hamotika an'azy. Na hainao magnano raha marobe, de malahelova anay arô de mba tahio ahay. 23 Nizaka tamin'azy Jesôsy hoe: "'Na mahay anao'? 24 Ny raha marobe hain'ny zegny mino." Niaraka tamin'igny iaban'ny zaza igny de nihoaika mafy sady nagnano hoe: "Mino aho! de tahio amin'ny tsy finôko!" 25 Ndreka hitani Jesôsy ny fokonolona nihazakazaka nagnatogna an'iary zareo, de nizakain'ny mafy ny fagnahy maloto igny sady nagnano hoe: " ho an'ny fagnahy môgna sady maregnina, mametra anao Aho, mivoaha aminy, de aza mierigna miditra amin'azy koa." 26 Nihoaikaika mafy raha igny ka de nanjary nampifanintona mafy an'ny zazalilahy igny sady nivôka. Kara olona maty zazalilahy igny, ka maro nizaka hoe: "Maty izy." 27 Fa Jesôsy nadray an'azy tamin'ny tagnany de nagnarina an'azy, de nitsangana zazalilahy igny. 28 Ka ndreka niditra tandragno Jesôsy, de nagnotany an'Azy mitokantokana an'ny mpianatrany io hoe: "Nagnino na tsy vôrôkanay fagnahy ratsy igny?" 29 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Raika karan'io de tsy hay roasina na tsy amin'ny vavaka." 30 Nenga teo iary zeo sady nandeha tagny Galilia. Tsy teny ho fantan'iza n'iza hoe taza iary zareo, 31 fa nampianatra an'ny mpianatrany io Izy. De nizakainiary zareo hoe: "Ny zanak'olona de omena an-tagnan'ny olon, sady hovonin'iary zareo. De ndreka maty Izy. de hitsangana amin'ny maty ndreka afak telo andron'igny." 32 Fa takatr'iary zareo mihitsy ny raha nizakaina tamin'io, de natahotra iary zareo nagnotany an'Azy. 33 Aveo de tonga taKapernaomy iary zareo. Ndreka niditra tandragno Izy de nagnotany an'iary zareo hoe: "Ino ny raha nikoragninareo tan-dalagna tegny?" 34 Fa nangina aby iary zareo. Satria efa niady hevitra tan-dalagna iary zareo amin'ny zegny farany lehibe. 35 Nipetraka, de nagnantso ny roiambinifolo lahy igny aby Izy sady nizaka tamin'iary zareo hoe: "Na misy te ho voalohany, de tsy mentsy farany amin'izy marobe sady manjary mpiasan'izy marobe. 36 Nangala zaza bitaka raika Izy de napetrakany tantegnategnan'iary zareo. notrotroiny tamin'azy sady nizaka tamin'iary zareo hoe: 37 "Ndre iza ndre iza mandray an'ny zaza karan'izao amin'ny agnarako, de mandray Anaha koa, de na misy mandray Anaha, de tsy Izaho raika raisiny , fa zegny nagniraka Anaha koa." 38 Nizaka Jaona Taminy hoe: "A mpampianatra, nahita olona nadrôka devoly tamin'ny agnaranao ahay de nisakananay, tratrin'izy tsy magnraka antsena." 39 Fa Jesôsy nizaka hoe: "Aza sakanana izy, fa tsisy olona agnano asa lehibe amin'ny agnarako nefa afaka kelikely afaran'izany de hagnaratsy Anaha. 40 Na tsisy manohitra antsena de miarka amintsena izy zay. 41 Na misy magnome rano eran'ny kôpy hinomina de tratriny hoe an'ny Kristy anao, de zakaiko marina tegnany, fa tsy ho very ny valim-pitiavany. 42 Fa ndre iza ndre iza magnano raha mahavignitra ny raika amin'ny madinika mino Anaha io, de ny mety amin'azy de agnatogna vato be fikosoham-bary mifatotra amin'ny vozognany sady avarigna an-dranomasina. 43 Na ny tagnanao mahatafintohigna, de tapahy agny. Fa aleonao kilemaigna agny amin'ny fiaignana toy izay managna tagnana roy nefa handeha amin'ny afobe, zay tsy mety hovonina. 44 [Fagnamarihana: Ny fandikana tena tsara de tsy magnisy ne fehezanteny amin'ny andininy faha44 sy 46 hoe: "'zegny tsy maty mihitsy ny kankan'iary zareo sady ny afo tsy ho faty mandrakizay.'"] 45 Na tongotranao manafintohigna anao, de tapahy agny. Aleonao miditra mandringa amin'ny fiaingnana noho ny managna tongotra roy nefa de very amin'ny afobe. 46 [Jerevo ny fangamarihana amin'ny andininy faha] 47 Na ny masonao ndreka manafintohigna anao, de enday teo. Aleonao miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roy nefa de ho very amin'ny afobe agny. 48 Amin'ny toerana tsy mahafaty ny kankanan'iary zareo sady amin'ny tsy mety maty. 49 Fa ny olona marobe io de samy ho vôsira amin'ny afo. 50 Tsara ny sira fa ny sira io nanjary matatso, de atao akory ny ahafahanao mampasira an'azy ndreka? Aseo sira ma aminareo ao, de mihavagna amin'ny olona aby io."