Marka Toko Faha 8

1 Tamin'ny andro raik'izay de nisy olona marobe, de tsy managna hanin-kohanina iary zareo. De nagnantso ny mpianatrany Jesôsy de nizaka tamin'iary zareo hoe: 2 "Mampalahelo Anaha angahy olona irôgna, satria efa telo andro neresan'iary zareo taminaha zay de tsy managna raha ohanina. 3 Ndreka ampandianiko mody andragnony, tsisy raha ohanina ao, de mety ho fanigna an-dalagna. Ny sasany amin'iary zareo de avy amina lalagna lavitra be." 4 Nivalin'ny mpianatrany Izy hoe: "Aza angahy no angalantsena mofo hampavoky an'ny fokonolona amin'ity tany maigna be karan'ity?" 5 Nagnotany an'iary zareo Izy hoe: "Firy ny mofo anagnanareo?" De namaly iary zareo hoe: "Fito" 6 Nanery ny fokonolona mba hipetraka amin'ny ambany Izy. Nalainy ny mofo fito, de nisôtra Izy sady nitapahainy raha io. Nomeny ny mpianatrany mba nizarain'iary zareo amin'ny fokonolona, de napetragny tegny akaikin'ny fokonolona izany. 7 De mbola mnagna laoka andrano bitabitaka my iary zareo, ka ndreka avy nisaotra an'io Izy, de nanery ny mpianatrany mba hizara an'izany. 8 De nihinigna iary zareo sady voky, de nalain'iary zareo ny ambiny sisa, de mbola nahafeno tanty fito agnonabe. 9 Tokony ho eo amin'ny efatr'arivo olona tagny tamin'izany. Aveo namandehaniny nody iary zareo. 10 Tonga de niditra tagnaty lakana nagnaraka ny mpianatran'Azy Izy, de nandeha amin'ny faritran'i Dalmanota iary zareo. 11 De nivôka ny fariseo de tonga de nifampidrikina tamin'Azy. Niaharagna famantarana an-danitra tamin'Azy iary zareo, mba hagnandramany an'Azy. 12 Nisento be tamin'ny fagnahiny tagny Izy de nizaka hoe: "Nagnino a miaragna famantarana ity taranaka ity? Nefa zakaiko aminareo, fa tsisy famantaran omeko an'ity taranaka ity izany? 13 Ndreka aveon'igny de nenga tamin'iary zareo teo Izyde niditra tan-dakana ndreka, de nandeha lavitra nenga agnilany. 14 Adignon'ny mpianatrany ny nitondra mofo niaraka tamin'iary zareo. Tsy nanagna afat tsy raika iary zareo tagnatin'ny sambo. 15 De nampitandrina an'iary zareo Izy ka nizaka hoe: "Membena sady mitandrema amin'ny afetsifetsin 'ny fariseo mbàn'ny afetsifetsin 'ny Heroda. 16 De nifagnotany tegna ny mpianatrany hoe: "Avy amintsena tsy managna mofo izany." 17 Fantan'i Jesposy izany, de nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: " Nagnino na mieritreritra tsy fanagnana mofo anareo? Mbola tsy azonareo ma? Mbola tsy takatrareo ma? Nanjary donto ma i fonareo a? 18 Managna maso anreo, fa tsy mahita a? Managna tadigny anareo, ka tsy maregny a? ka tsy tadidinareo a? 19 Ndreka nanapaka ny mofo dimy ho an'olona dimy arivo aho, de tanty misy mofo firy sisa nahorignanareo? De nizaka iary zareo tamin'Azy hoe: " Roiambinifolo." 20 Ndreka nanapaka mofo fito ho an'olona efatr'arivo Izaho, firy tanty ny ambiny naotrikanareo?" De nizaka iary zareo hoe: "Fito". 21 De nizaka Izy hoe: " Mbola tsy takatranareo my a?" 22 Tonga tagny Betsaida iary zareo. Nisy olona raika izay jamba nindôsin'olona tamin'Azy teo de nengaven'iary zareo Jesôsy mba hikasika an'Azy. 23 Nindôsin'i Jesôsy tamin'ny tagnanai jamba igny, de nitaritiny nivôka ny tanàna. Ndreka nandrora tamin'ny masony Izy de nametraka ny tanany teo aminy, de nagnotaneny hoe: "Mahita raha anao va?" 24 De niandra Izy, ka nizaka ho: "Mahita olona kara kakazo mandehandeha izaho." 25 Napetrakan'ni Jesôsy tamin'ny masony ndreka ny tagnany, de nivoahin'ny ralilahy igny ny masony, de nierigna tamin'azy ny fijerevany, de nahita mazava tsara ny raha marobe izy. 26 De nampandianin'i Jesôsy nody izy sady nizakainy hoe: "Aza miditra an-antànana." 27 Nandeha nivôka Jesôsy mbàn'ny mpianatrany nandeha amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Tan-dalana tegny de nagnotany an'ny mpianatrany io Izy hoe: "Iza ma fiheveran'olona Anaha?" 28 Namaly iary zareo ka nizaka hoe: "Jaona magnano batisa. Ny sasany mizaka hoe: 'Elia', de na sasany magnano hoe: 'raika amin'ny mpaminany.'" 29 Nagnotany an'iary zareo Izy hoe: "Fa iza koza izakanareo Anaha?" De namaly an'Azy Petera hoe: "Anao de i Kristy." 30 Nampitandremin'i Jesôsy iary zareo mba tsy hizaka ny momban' Azy na ndre amin'iza na ndre amin'iza. 31 Nanomboka nampianatra an'iary zareo Izy fa tsy mentsy hijaly ny zanak'olona, de tsy agneky loholona mbàn'ny lohan'ny mpisorona miaraka amin'ny mpanora-dalàna, de hivonin'ny, de hifokatra amin'ny maty ndreka feno telo andro. 32 Nizakainy mazava tsara izany. De aveo de nantsovan'i Petera moramora Jesôsy ka nizaka an'Azy mafy be. 33 Ndreka nitodika i Jesôsy de nizaha ny mpianatrany io de aveo nizaka an'i Petera nagnano hoe: "Menga lavitra Anaha, anao a devoly! ts mba misaigna ny rahan'Andriamanitra, fa ny rahan'olona". 34 Tonga de nagnantso ny fokonolona mbàn'ny mpianatrany Izy de nizaka tamin'iary zareo hoe: Raha misy te hagnaraka Anaha, de tsy mentsy manery ny tegnany izy, mangala ny hazo fijalena, de magnaraka Anaha. 35 Na zovy na zovy te-hamonjy ny tegnany de hampavery an'izany, de zay magnary ny tegnany avy aminahambàn'ny filazantsara, de ho voavonjy amin'izany. 36 Ka ino arika ny tombotsoa azon'olona raika, ndreka mahazo an'izao tontolo izao, de aveo very my ny tegnany? 37 De ino no mba omen'olona raika mba hanakalozany ny tegnany? 38 Ndre iza ndre iza megnatra Anaha mbàn'ny zakako amin'ny taranaka mijangajanga sady mpanota ity, de ho megnatra an'azy my koa ny zanak'olona ndreka tonga amin'ny voninahitran'ny iabany miaraka amin'ny anjely masina io Izy."