Marka Toko Faha 7

1 Ny fariseo mbàn'ny mpanoradalàna de tonga nivory, magnodidigna an'Azy. 2 De hitan'iary zareo ny mpianatrany sasany nihinagna mofo tamina tagnana tsy madio, izany hoe, tsy nisasàna. 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy marobe koza de tsy avy ihinagna na tsy efa avy nanasa tagnana iary zareo, satria, magnaraka ny fomban'iary zareo loholona). 4 Ka ndreka nierigna avy tagny a bazary ny Fariseo, de tsy avy ihinagna iary zareoraha tsy efa avy nandro sady nifady raha marobe, karan'ny fanasana mbàn'ny kapôka, fagnaranana, de ny entagna varahina, atramin'ny fandrena ihinana'iary zareo.) 5 Ny fariseo mbàn'ny mpanoradalàna nagnotany an'i Jesôsy hoe: "Nagnino mpianatranao na tsy mandeha magnaraka ny fombafombab'iary zareo loholona, fa de mihinagna ny mofon'iary zareo amina tagnana tsy nisasana?" 6 Nefa de nizaka izy tamin'iary zareo: "Isaia naminany tsara mombanareo mpetsaravelatsihy . nisoratany hoe: "Tôgny fokonolona tôgny de magnaja anaha tamin'ny molotrany fa i fon'iary zareo, koza de lavitra anaha. 7 Fôgna aby ny fivavahana omen'iary zareo anaha , ndreka mampianatra ny fomban'olombelona ho fampenarana iary zareo. 8 Afoinareo ny didin'Andriamanitra ka de tananareo mafy ny fomban'olona." 9 De nizaka koa Izy tamin'iary zareo hoe: "karan'ino ny fagnarenanareo ny didin'Andriamanitra mba agnarahanareo ny fomba-ndrazagnareo! 10 De nizakain'i Mosesy; 'hajay iabanao izy amin'ny endrinao; sady koa ndregny magnasaha an'ny iabany na i endriny de ho faty tegnany.' 11 Nefa anareo mizâka hoe: 'Raha misy lilahy raika mizaka an'ny iabany na ny endriny hoe: "Ndre ino ndre ino tenareo ho azo taminaha de efa Korbana," (midika hoe:" 'Nomen'Andriamanitra') -- 12 de ekenareo hagnano n'ino n'ino amin'ny iabany amin'ny endriny koa izy. 13 Magnafôgna ny zakan'Andriamanitra satria fomban-drazagnanareo my nitànanareo." 14 Sady raha maro karan'izany koa namboarinareo. De nagnantso ny fokonolona ndreka Izy ady nizaka tamin'iary zareo hoe: "Mitenoa anaha, anareo marobe, ka fantaro. 15 Tsisy raha avy ambelagny miditra agnatin'olona ka mampaloto an'azy, miditra amin'azy ao. Fa ny raha mivôka avy agnatin'olona igny mampaloto an'azy." 16 [Ny fandikana tena tsara de tsy asena andininy faha 16: ndreka misy managna tadigny iton0ôna de tokony iteno izy.] 17 Ka ndreka nenga tamin'ny fokonolona teo Jesôsy ka nitsofoka tandragno. Ny mpianatrany nagnotany an'Azy momba ny fagnoharana. 18 De nizaka Jesôsy tamin'Azy: " Anareo koa ma ka mbola tsy managna fahalalana? Tsy hitanareo ma fa zegny raha miditra avy ambelagny de tsy mampaloto an'Azy, 19 satria tsy tafiditra agnatin'ny fony izany, fa agnatin'ny kibo ao my de mivôka amin'ny fivoahana?" Tamin'nizany fampandregnesana izany de nampadio ny hanina marobr i Jesôsy. 20 Nizaka Izy: "Ndregny nivôka avy amin'olona ny mampaloto an'azy. 21 Fa raha avy agnatin'olona, avy amin'ny fony ivoahan'ny tognotogno ratsy, ny fahavetavetana, ny fangalarana, ny famonoana olona, 22 ny fijangajangana,ny fagniriana mihôm-pampagna, ny haratsem-pagnahy, ny fagnambakana, ny fijejojejôna, ny felognana, ny fizakana afetsy, ny fevognana, ny hafokana. 23 Zany raha ratsy marobe izany no mivôka avy agnatin'olona, de io no mampaloto an'azy." 24 Nenga teo Izy ka de nandeha tagny amin'ny faritanin'ny Tyro de Sidona. Niditra tamina tragno raika Izy teny ho fantan-jovy na jovy fa tao Izy, nefa de tsy afaka nivony. 25 Kanefa niaraka tamin'igny de nisy viavy raika, sady efa nisy fagnahy maloto raika ny zanagny viavy bitaka, naregny ny momba an'azy, tonga, de nandohalika tamin'ny tongotrany. 26 Sady Grika raviavy igny, Syro-foinika ny feveny. Nengavy tamin'Azy izy mba handrôka ny devoly hoenga amin'ny zanagny viavy . 27 De nizaka Izy tamin'azy : "Mba omeo hanina hanina eky za-madinika. Satria tsy mety ny mangalaka ny mofon-jaza ka hanipy an'izany ho an'amboa. 28 Nefa namaly izy ka nizaka tamin'Azy hoe:" Fa ndre de amboa ao ambany latabatra aza de mihinagna ambinkambiny amina mofon-jaza." 29 De nizaka Izy tamin'azy hoe: "Raha izany arika ny raha zakainao de de mahazo mandeha anao. Efa nenga tamin'ny zanakao viavy ny devoly". 30 Ka ndreka nierigna tandragnony raviavy igny de nahita zaza nandry tambony fandrena, sady devoly efa nenga. 31 De nivôka ndreka Jesôsy nenga ny faritran'ny Tyro, de namaky an'i Sidona hatragny amin'ny ranomasinan'ny Galilia ka niakatra ny faritran'ny Dekapolisy. 32 De nindôsin'iary zareo tamin'azy teo ny olona ny olona maregnina sahiragna ndreka mizaka, sady nitaraigna tamin'iary zareo agnapetrahan'ny tagnana amin'azy. 33 Nitondra an'ny ralilahy nenga tamin'ny olona marobe io teo Izy, de nametraka rantsan-tagnana tamin'ny tadigniny Izy, ka ndreka avy nandrora, de nitàna ny lelany. 34 De nitraka nizaha lanitra Izy, de nisento ka nizaka tamin'azy hoe: "Efata", midika hoe: "Maladia" 35 De tsielatsela teo de ny tadigniny de nalady, sady zegny nagnidy an lelany de potika sady afaka nizaka mazava tsara izy. 36 Sady Jesôsy nandrara an'iary zareo mba tsy hizaka na amin-jovy na amin-jovy. Kanefa ndre de nirarana iary zareo, vomaika niparitaka be izany. 37 De gaga aby ny olona, ka nizaka hoe: "Namboariny tsara aby ny raha marobe. Nataony naregny ndre ny maregnina sady nizaka ny môgna."