Marka Toko Faha 10

1 Nenga tamin'izany pilasy izany Jesôsy de nandeha tamin'nyy faritran'i Jodia sy tamin'ny faritran'i ambanin'i tegnaranon'i Jordana, de nagntogna an'Azy ndreka ny fokonolona. Kara ny fataony, de nampianatra an'iary zareo ndreka Izy. 2 De nagnatogna an'Azy ny fariseo mba hitsapa de nagnotany hoe: "mety amin'ny lilahy ma ny misaraka amin'ny vadiy?" 3 Namaly Izy hoe: " Ino ma nandidian'i Mosesy anareo?" 4 De nizaka iary zareo hoe: "Mosesy de nagneky ny lilahy raika hanoratra taratasy fagnamarinana fisaraham-panabadena de mandefa an'azy aveo." 5 De nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Nohon'ny hamazagnan-dohanareo nahatonga an'azy nanoratra an'izany lalàna izany. 6 "Fa tam-bôlohany namorognana, 'Andriamanitra namboarina ho lilahy de viavy.' 7 'Avy amin'izany de hiala amin'ny iabany amin'ny endriny ny lilahy de hitambatra amin'ny vadiny, 8 de hanjary ho nofo raika izy roy.' Ka tsy roy koa iary zareo, fa nofo raika my. 9 Ka zegny nakamban'Andriamanitra, de aza sarahin'olombelona." 10 Ndreka tandragno tao iary zareo, de mbola nangerigna nagnotany mikasika an'izany ndreka mpianatrany io. 11 De nizaka Izy tamin'iary zareo oe: "N'iza n'iza lilahy misaraka amin'ny vadiny ka mangalaka viavy hafa de mijangajanga. 12 Na misaraka amin'ny vadiny ny viavy ka magnaraka lilahy hafa, de mijangajanga my koa izy." 13 Aveo iary zareo de nitondra ny zanak'iary zareomb hametrahany tagnana, nirahognin'ny mpianatra iary zareo. 14 Ka ndreka nahakendry an'izany Jesôsy, de vignitra be Izy de nizaka tamin'iary zareo hoe: "Avelayny zaza hagnatogna Anaha sady aza sakanana, fa ny fanjakan'Andriamanitra de ho an'ny zegny mitovy amin'iary zareo. 15 Zakaiko aminareo marina tegnany, na zovy na zovy tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra kara ny za-madinika de tsy hiditra amin'izany mihitsy". 16 Avy teo de nitrotroiny ny zaza io de nitsofiny rano de sady nametrahany tagnana. 17 Ka ndreka nanomboka ny diany Izy, de nisy lilahy nihazakazaka de nandohalika tanatrehany, sady nagnotany hoe: "A mpampianatra tsara, ino ny tsy mentsy ataoko mba handovàko ny fiaignana mandrakizay?" 18 Jesôsy nagnano hoe: "Nagnino na ataonao hoe tsara Aho? Tsisy tsara afa tsy Andriamanitra raika my. 19 Fantanao ma ny didy hoe: 'Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelogna tsy marina, aza magnambaka, hajay iabanao amin'ny endrinao'." 20 De nizaka lilahy igny hoe: "A mpampianatra, efa narahiko aby raha marobe izany ndre tamin'izao mbola tanora ." 21 Nizaha an'azy Jesôsy de nankatia an'azy. De nizaka Izy tamin'azy hoe: "Misy raha bang raika aminao ao. Amidio zegny raha anagnanao de omeo an'ny sahiragna, hanagna harena an-danitra agny anao. Aveo de magnaraha Anaha." 22 Fa ndreka naregny an'izany izy de nalazo sady nihaotraotra tratriny tena mpanankarena be tegnany izy. 23 Nitodika tamin'ny magnodidigna an'Azy Jesôsy de nizaka tamin'ny mpianatrany io hoe: "Sarotra be ho an'ny mpanefoefo ny miditra ny fanjak'Andriamanitra!" 24 De gaga tamin'ny zakany ny mpianatra. De nizaka ndreka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Zanako, sarotra be ny fidirana amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Mora lavitra ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitra, noho ny hidiran'ny mpanankarena amin'ny fanjakan'Andriamanitra." 26 De mbola gaga ndreka ny mpianatra sady nifagnotany hoe: "Iza zany no mety vonjena?" 27 Nizaha an'iary zareo Jesôsy sady nizaka hoe: "tsisy olona havita an'izany, fa Andriamanitra mahavita an'izany. Satria ny raha marobe de hain'Andriamanitra amboarina." 28 De nanomboka nizaka tamin'Azy Petera hoe: "Jerevo, Izahay marobe tôgny de nagnaraka Anao." 29 De nizaka Jesôsy: "Zakaiko marina aminareo, tsisy olona miala ny tragnony na ny rahalahiny; na ny rahavaviny, na y endriny, na ny iabany, na ny zanagny, na ny taniny noho ny avy aminaha, mbàn'ny Filazantsara, 30 ka tsy nahazo injato ambonin'ny amin'izao: de tragno, rahalahy, endriny, zanaka de tany mbàn'ny fagnanjahana, de amin'ny taonjato ho avy, de fiiagnana mandrakizay. 31 Fa be ny voalohany hanjary ho farany, de ny farany hanjary voalohany." 32 Tan-dalagna tegny iary zareo, hiakatra ho a Jerosalema, sady Jesôsy nandeha talohan'iary zareo. Gaga ny mpianatra, ja zegny nagnaraka an'Azy tafara de natahotra. Nantsovan'i Jesôsy hagnatogna an'Azy ndreka izy roy ambinifolo sady nizaka zegny raha havoa an'Azy tsy ho ela Izy. 33 "Jerevo,antsena io hiakatra a Jerosalema, ka ny zanak'olona de atolotra ho an'ny mpisorona be mbàn'ny mpanora-dalana. Ho helohin'iary zareo ho faty Izy sady atolony amin'ny Jentilisa. 34 Iary zareo de hisomborogna an'Azy, handrora amin'Azy, hamango an'Azy sady hamono an'Azy. Fa ndreka dila ny telo andro de hifokatra Izy." 35 Jakoba miaraka amin'i Jaona, zanak'i Zebedio, nagnatogna an'Azy sady nizaka tamin'Azy hoe: "A mpampianatra, tenay na mba ataonao zegny raha raha angatahinay aminao." 36 De nizaka Izy tamin'iary zareo: "Ino ma ra tenareo ataoko aminareo?" 37 De nizaka iary zareo: "Avelay ahay hiaraka hipetraka aminao amin'ny voninahitranao, ka ny raika an-tagnan'ankavanananao de raika ankavianao." 38 De nivalin'i Jesôsy iary zareo hoe: " Tsy fantanareo zegny angatahinareo. Anareo ma ka afaka misotro amin'ny kapôka zegny ny ninomako na hiaritra atao batisa amin'ny zegny hanaovana batisa Anaha?" 39 De nizaka iary zareo tamin'Azy hoe: "Vitanay zany." De nizaka tamin'iary zareo Jesôsy hoe: "Ny kapôka zegny hinomako, de hinomanareo, de amin'ny batisa de zegny hanaovana batisa Anaha, no agnamborana batisa anareo koa. 40 Fa zegny hitometra eo an-tagnan'ankavanako na amin'ny ankaviako de tsy miankn aminaha izany, fa ho an'iary areo zegny nagnomagna an'izany." 41 Ndreka aregny momba an'izany ny mpianatra folo hafa, de nanomboka vignitra be tamin'i Jakobasy Jaona. 42 Nantsovan'i Jesôsy iary tamin'Azy teo iary zareo sady nizaka hoe: " fantanareo ma fa zegny heverina ho lohan'ny Jentilisa de mampanompo an'iary zareo, sady ny lehibe mpifehy an'iary zareo de magnampatra fahefana amin'iary zareo. 43 Fa tsy tokony ho karan'izany anareo. Fa na zovy na zovy magniry ho lehibe aminareo de avelay izy hanajry mpanomponareo, 44 sady na zovy na zovy magniry ho voaohany aminareo de avelay izy hanjary andevonareo marobe. 45 Fa ny zanak'olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo sady hanolotra ny tegnany ho takalo'aigna ho an'ny maro." 46 Tonga ta-Jeriko iary zareo io. Ndreka nivôka ny tanâna niarka tamin'ny mpiantrany mbàn'ny fokonolona marobe Izy, nitometra tn-tandalagna ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, mpangataka sady tsy mahita. 47 Ndreka nahita izy fa Jesôsy avy a Nazareta izany, de nanomboka nihoaikaika mafy izy sady nizaka hoe: "Jesôsy, Zanak'i Davida, mamindra fo aminaha!" 48 Nizakaina olona maro lilahy tsy mahita igny mba hizaka mora. Fa vomeka izy nihoaikamafy hoe: "Zanak'i Davida, mamindrà fo aminaha!" 49 Nitozoka Jesôsy de nagnantso an'Azy. Nantsovan'iary zareo lilahy tsy mahita igny, de nizakainy hoe: "Mehereza! Mitsangàna, Fa magnantso anao Izy." 50 Nareny ny akanjony, sady nitsangana, de nandeha amin'i Jesôsy izy. 51 De namaly an'Azy Jesôsy sady nizaka hoe: "Ino ma ny tenao ataoko aminao?" De nizaka ralilahy ts mahita igny hoe: "Raby ô, te ahita aho. 52 "De nizaka Jesôsy tamin'azy hoe: "Mandiana. Ny finônanao no namonjena anao." Avy de nahita ny masony, sady nagnaraka an'i Jesôsy tan-dalagna tegny izy.