Marka Toko faha 11

1 Fa ndreka nandeha tagny Jerosalema iary zareo, ka nagnakeky an'ny Betifaga sy Betania, tamin'ny tendrom-bohitran'ny Oliva, de Jesôsy nagniraka ny mpianatrany roy 2 sady nizaka tamin'ny iary zareo hoe: "Mandiana amin'iray vohitra bitaka aloantsena iray. De ndreka tonga ao anareo de ahita zanak'apondra raika mbola tsy nidebàn'olona. Tatay de indôsy aminaha aty. 3 de ndreka misy olona mizaka anareo hoe: 'Nagnino anareo magnano an'io?' De zakay hoe: 'Misy raha ilàn'ny Tompo anazy de aerigna malaky aty mi izy aveo." 4 Nandeha nivôka iary zareo de nahita zanak'apondra nifatotra ivelan'ny tragno agnilan'ny varangaragna amoron-dalana eo sady nitatain'iary zareo ny fatotrany. 5 De nisy olona sasany nitsangana teo de nizaka tamin'iary zareo hoe:"ka nagnino na nitatainareo io zanak'apondra io? 6 De nizakain'iary zareo tamin'ny olona io ny raha nizakain'ny Jesôsy tamin'iary zareo igny de navelan'olona handeha amin'ny lalagnany mi ma iary zareo. 7 De nindôsin'ny mpianatra roy lahy tamin'ny Jesôsy ny zanak'apondra de nataony tambonin'igny teo ny lamban'iary zareo de afaka nideba teo Jesôsy. 8 Maro ny olona namelatra ny lambany tan-dalagna tegny, de ny sasany ndreka namelatra sampan-kazo zeny tapatapainy tagnaty ala tagny. 9 Iary zareo zeny nandeha talohany sady nagnaraka Anazy nagnantsognantso hoe:" Hosana! Deraina ny iray avy amin'ny agnaran'ny Tompo. 10 Deraina ny fanjakana ho avin''i Davida iabantsena! Hosana amin'ny avo indrindra.!" 11 De aveo Jesôsy niditra tao Jerosalema de nandeha tan-kianjan'ny tempoly de nizahazaha ny raha marobe tao. de ndreka niha-aligna ny andro, de nizotra nandeha Betania Izy miaraka amin'iary zareo roiambinifolo lahy. 12 tamin'ny andro magnaraka ndreka nierigna tany Betania iary zareo, de aveo Izy mosarena . 13 De nahita fototr'aviavy raika feno ravina talavidavitra tegny, de natognony tegny nijerevany sô de misy vôniny tamin'azy, de ndreka nandeha tegny Izy de tsy nahita n'ino n'ino afa tsy ravina fotsiny, tratrin'ny mbola tsy taom-pamoazana aviavy tamin'io. 14 De nizaka Izy tamn'izany hoe:" Tsisy hihinagna vôniny avy aminao koa mandrakizay." De ny mpianatrany naregniny an'izany. 15 Nandeha Jerosalema iary zareo, de niditra tan-kianjan'ny tempoly Izy sady nanomboka nandrôka ny mpivarotra mbàn'ny mpividy aby tao. Nalavon'ny latabatran'iary zareo mpanakalo vola miaraka amin'ny sezan'iary zareo mpivarotra voromalala. 16 Tsy nagneky an'iza n'iza hitondra raha azo amidy hiditra amin'ny kianja tempoly tao Izy. 17 De nampianatra an'iary zareo Izy ka nizaka hoe:"Tsy efa voasoratra ma hoe:" Ny tragnoko de zakaina hoe tragno fivavahana ho an'ny firenena maro aby io?" nefa nagnamboaranareo toerana fisitrian'ny mpangalatra. 18 Regnin'iary zareo lohan'ny mpisorona mbàn'iary zareo mpanoradalàna ny raha nizakainy ka de nitady hevitra hamonoana Anazy iary zareo. Fa natahotra Anazy iary zareo satria ny fokonolona gaga tamin'ny fampenarany. 19 Ka ndreka alina andro, de nenga tamin'ny tanàna iary zareo. 20 Ka ndreka nandeha iary zareo tamin'ny nandraigna, de nahita ny fototr'aviavy igny nalazo mbàn'ny fakany. 21 De nahatadidy Petera ka nizaka hoe: "Raby ô,jerevo! fa nalazo ny aviavy nisisinao igny." 22 De nivalin'i Jesôsy iary zareo hoe:"Manàgna finoana an'Andriamanitra. 23 Zakaiko marina tegnany fa ndre iza ndre iza mizaka amin'ny tendrombohitra io hoe: 'Mitsangana ka Milavoa an-dranomasina agny,' ka raha tsisy fisalasalana agnatin'ny fon'iary zareo ka mino fa hiseho amin'iary zareo ny raha nizakainy, de karan'izany my ataon'Andriamanitra." 24 Izany mahatonga Anaha mizàka aminareo hoe:"zeny raha hivavahanareo sy nangatahinareo, minoa fa efa nahazo an'izany anareo, sady ho azonareo izany. 25 Ndreka mijoro sady mivavaka anareo de tsy mentsy magnadigno ny alahelo marobe anagnanareo na amin'iza na amin'iza. Amin'izay avelan'ny Iabanareo an-danitra agny koa ny fahotanareo. 26 [Fagnamarihana: Ny fandikana tena tsara de tsy magnisy hoe: (Jerevo amin'ny Mat. 16:15) Mk. 16:26 " Fa raha ts mamela koza anareo, de tsy hamela ny fahotanareo my koa ny Iabanareo zay an-danitra agny."] 27 De niakatra agny Jerosalema ndreka iary zareo. ka ndreka nandehandeha tan-kianjan'ny Tempoly Jesôsy, de tonga nagnatogna Anazy ny lohandohan'ny mpisorona, ny mpanoradalàna miaraka amin'iary zareo loholona. 28 De nizaka iary zareo tamin'Azy hoe:" Fahefana avy aza no mahatonga Anao magnano raha karan'io sady iza nagnome fahefana Anao hagnano an'izany?" 29 Jesôsy nizaka tamin'iary zareo hoe:" Hametraka fagnotanena raika aminareo Aho. Zakay aminaha de zakaiko aminareo hoe fahefana avy aza no agnamboarako raha karan'io. 30 Ny batisan'i Jaona, avy an-danitra ma sa avy amin'olona? Valio aho." 31 Nifanandinika miaraka iary zareo sady nifamaly ka nizaka hoe:"Raha mamaly antsena hoe: avy an-danitra de hizaka Izy hoe: 'Ka nagnino arika anareo tsy nino anazy? 32 Ka ndreka mamaly koza antsena hoe: 'Avy amin'olona,'..." Natahotra an'olona io iary zareo, tratrin'ny resy lahatra ny olona marobe io fa i Jaona de mpaminany tegnany? 33 Aveon'igny de namaly an'i Jesôsy iary zareo ka nagnano hoe: "Tsy fantanay". De nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Izaho koa mba tsy hizaka aminareo ny fahefana agnamboarako an'ny raha teo igny."