Marka Toko Faha 12

1 De nanomboka nampianatra an'iary zareo tamin'ny resaka fagnoharana Jesôsy. De nizaka Izy hoe: "Nisy lilahy nagnano tanim-bôloboka, nagnisy lakoro nagnodidigna an'izany, sady nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy de aveo nampagnofainy tamin'ny mpamboly vôloboka igny tanim-bôloboka igny. De nenga nandeha lavitra izy aveon'igny. 2 Tamin'ny fotoana mety, de nagniraka mpanompo handeha tamin'ny mpamboly vôloboka igny ndreka izy hangalaka amin'iary zareo ny sasany amin'ny zegny mba tokony anjara vokatra amin'ny tani-mbôloboka io. 3 Fa de nisamboron'iary zareo, nivangoiny, sady niroasiny tsy nitondra ndre ino ndre ino. 4 Nagniraka mpanompo hafa handeha amin'iary zareo io ndreka izy. De nivangoin'iary zareo tamin'ny lohany sady nalainy baraka. 5 De mbola nandefa hafa my izy, ka de nivonin'iary zareo raika io. Nataon'iary zareo karan'izany koa ny sasagny io, nivangoiny sanagny sady nisy nivoniny. 6 De mbola managna olona hafa raika hiraina ndreka izy, de zanaka malala. Izy no olona farany nalefany nandeha tamin'iary zareo tagny. De nizaka hoe: "Mba hagnaja ny zanako lahy iary zareo." 7 Nefa nifampikoragna iary zareo mpamboly vôloboka hoe: "Ity mpandova igny. Malaky, Andao vonin-tsena izy, de ho azon-tsena aby ny lova." 8 Nisamborin'iary zareo, de nivoniny , sady natsipiny tam-belagny tani-bôloboka. 9 ka de, ino arika no ataon'ny tompony tanim-bôloboka? Ho avy izy de handrava an'iary zareo mpamboly vôloboka io sady hagnome ny tanim-bôloboka io ho an'olon-kafa. 10 Tsy nivakinareo izany Soratra Masina izany a? " Ny vato nilavin'ny mpanangana tragno igny mihitsy, no nagnamboarana fehizoro. 11 Tamin'ny Tompo izany, sady de mahagaga teo imasontsena."' 12 Miaragna ny hisamborana an'iJesôsy iary zareo, kanefa de matahotra fokonolona, satria fantan'iary zaeo fa hagnoherana an'iary zareo ny fagnoharana izany. Ka de navelan'iary zareo izy de nenga iary zareo. 13 De nagniraka an'i Fariseo mbàn'ny Herodiana sanagny iary zareo. 14 Ka ndreka tonga ary zareo, de nizaka iary zareo tamin'azy hoe: "A mpampianatra, fantanay, fa tsy mandraharaha hevitran'olona Anao, satria tsy miangatra amin'olona. Mpampianatra marina ny lalan'Andriamanitra Anao. Ara- dalàna ma izany sa tsy ara-dalàna ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoha hetra ma iany ahay sa tsy tokony?" 15 Efa fantan'i Jesoôsy fa fiantsaram-belatsihin'iary zareo zany ka nizakainy iary zareo hoe: "Nagnino anareo mitsapatsapa Anaha? hitondray denaria raika Aho ijeravako an'izany." 16 De nitondran'iary zareo vola Jesôsy. De nizaka iary zareo tamin'iary zareo hoe: "Tarehin'iza ny sary mbàn'ny soratra io?" De nizaka iary zaeo hoe: "An'i Kaisara." 17 De nizaka Jesôsy hoe: "Omeo an'i Kaisara ndregny an'i Kaisara, de omeo an'Andriamanitra ndregny an'Andriamanitra." De gaga tamin'Azy iary zareo. 18 Aveo ny Sadoseo, nizaka fa tsisy fitsanganana amin'ny maty, de tonga tamin'Azy teo. Nagnotany an'Azy iary zareo, nagnano hoe: 19 "A mpampianatra, nanoratra an'izany ho anay Mosesy hoe: 'Ndreka maty ny rahalahin'ny raika ka mambela vady izy, nefa tsy nanan-janaka, de tokony manambady an'igny vadin'ny rahalahiny igny, mba hanagna taranaka ho an'ny rahalahiny. 20 Nisy fito mirahalahy; nanambady raika voalohany de maty, tsy nambela taranaka. 21 Aveon'igny de nangala an'azy raika faharoy de maty, tsy nambela taranaka., de karan'izany koa raika fahatelo. 22 tsisy nambela taranaka izy fito. Farany, de maty koa raviavy igny. 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty arika, ndreka hitsangana ndreka aiary zareo, de ho vadin'iza zany izy? Satria efa samy nanambady an'azy aby izy fito mirahalahy." 24 De nizaka Jesôsy hoe: "Tsy izany ma izany ny antony maha diso hevitra anareo, satria tsy fantanareo na ny Soratra Masinana ny herin'Andriamanitra? 25 Satria na mitsangana amin'ny maty iary zareo, de tsy hanambady na omena vady, fa ho karan'ny anjely an-danitra agny. 26 Fa momba ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy novakianareo ma ny tagnatin'ny bokin'i Mosesy, amin'ny an-dalana momba ny voaroy, ny nikoranan'Andriamanitra tamin'azy ka nizakany hoe: "Izaho ny Andriamanitran'i Jakoba'? 27 Izy de tsy Andriamanitra ny maty, fa an'ny velona. kara diso hevitra anareo." 28 Nisy raika tamin'iary zareo mpanora-dalàna tonga sady naregny any raha nikoragnin'iary zareo; hitany fa nahavaly tsara an'iary zareo i Jesôsy. Sady nagnotany an'Azy izy hoe: "Ino zany ny tena didy lehibe amin'azy marobe io?" 29 De namaly Jesôsy hoe: "Ny farany lehibe de hoe: 'Mitenoa, ny Tompo Andriamanitrantsena, ho an'ny Israely, raika my Tompo. 30 Tsy mentsy tiavinao amin'ny fonao marobe ny Tompo Andriamanitranao, de amin'ny fagnahinao marobe, amin'ny saignanao marobe, sady amin'ny herinao marobe.' 31 Itiky ny didy faharoa: 'Tsy mentsy tiavinao karan'ny tegnanao koa ny akamanao.' Tsisy didi hafa lehibe ambonin'io." 32 De nizaka mpanora-dalàna igny oe: "tsara arô zany, a mpampianatra! voazakanao marina tegnany fa Andriamanitra de raika my, sady tsisy afa tsy izy. 33 Sady ndregny mankatia an'azy amin'ny fo marobe mbàn'ny amin'ny saignany marobe mbàn'ny hery arobe sady ndregny mankatia an'ny akamany karan'ny tegnany, de tsara be ambonin'ny rakitra orôna mbàn'ny sorona marobe." 34 Ndreka hitan'i Jesôsy fa nagnome valin-teny kanty izy, de nizaka tamin'azy Izy hoe: "Tsy lavitran'ny fanjakan'Andriamanitra anao io." De tafaran'izany, de tsisy olona nasahy nagnapetraka fagnotanena tamin'i Jesôsy koa. 35 De namaly Jesôsy, ndreka nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; de nizaka Izy hoe: "Ino ma izakàn'ny mpanora-dalàna hoe Kristy de zanak'i Davida? 36 Vatategnan'i Davida, tamin'ny Fanahy sy Masina, nizaka hoe: "Ny Tompo nizaka tamin'ny Tompoko hoe: mitomera amin'ny tagnana ankavanako etsy, mandrapangamboarako an'ny fahavalonao ho fitomeran'ny tongotranao. 37 Vatategnan'i Davida mihitsy aza ndre nagnantso an'Azy hoe 'Tompo', ka de ino zany no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Niteno an'Azy tamin-kafalena aby ny fokonolona marobe tao. 38 Tamin'i Jesôsy nampianatra de nizaka hoe; "magnamboara tsara amin'iary zareo mpanora-dalàna io, zegny tia magnatao akanjo lava sady ten'iary zareo ny antsafa azon'iary zareo a bazary. 39 Sady ten'iary zareo koa ny mahazo seza aloha ndreka am-pengonana mbàn'ny pilasy aloha ndreka amina fety. 40 Mandroba tragno na mpitondra tegna iary zareo, sady magnano vavaka lavabe te ho hitan'olona. Io lilahy io de ahazo sazy agnona be tegnany." 41 Aveonigny Jesôsy de nipetraka takekin'ny boatin-drakitra tamin'ny tempoly; nizaka an'ny olona ndregny nandatsaka vola tamin'ny fanatazana rakitra tao. Mpanankarena maro be no tena nandatsaka vola maro be tao. 42 De nisy viavy sahiragna mpitondra tegna raika zay tonga nandatsaka vola madinika roy, zegny farany bitaka na ampitovizina amin'ny iraimbilanja. 43 De nantsovany aby mpianatrany io sady nizakainy hoe: "Zaikaiko aminareo ne tena marina, fa ity viavy sahiragna amim-pitondrantena ity no tena nandatsaka be ambonin'ny olona zegny nandatsaka vola tamin'ny boatin-drakitra. 44 Satria ny sanagny de nagnome tamin'ny fangnamben'iary zareo, fa ity mpitondratena ity koza, de nandatsaka any ndregny vola tokony namelomany tegna izy."