Toko faha 13

1 Ndreka negna tagnatin'ny fiagnonana Jesôsy, de nizaka tamin'Azy ny raika tamin'ny mpianatrany hoe: "Mpampianatra ô, jerevo ma hatsaran' ny vato ny rafitra!" 2 De nizaka izy tamin'azy hoe: "Hitanao ma iregny rafitra leibe iregny an? Tsy avela hisy vato raika hifampideba eo ka tsy ho ravana." 3 Dreka nipetraka teo an-tendromboitr'Oliva takaitsin'ny fiangonana Izy, de nagnotany an'Azy mangingina Petera, jakôba, Jaona sy Andrea hoe: 4 "Zakay aminay, amin'ovena no hatongavan'zany raha marobe zany? Ino no hamantarana ndreka tonga zany raha zany?" 5 Jesôsy nanomboka nizaka tamin'iary zareo hoe: "Tandramo mba tsisy olona hampivilika nyh làlagnanareo. 6 Fa maro ny ho avy amin'ny Agnarako sady hizaka hoe: 'Zaho no tena izy, 'de marobe ny ho voafitakany. 7 Ndreka maregny ady sy korana mikasika an'ady anareo, de aza mataotra; fa tsy mentsy hotonga zany, ka tsy mbola zany farany. 8 Fa hisy firenena hanafika firenena, de hisy fanjakana hanafika fanjakana. Ka hisy horohoro-tany amin'ny tany samihafa, sady hisy mosary koa. Zany no fiatomboan'ny fijalen'ny fiterahana. 9 Mitandrema anareo. Fa ho hatolotran'iary zareo amin'ny fitsarana anareo, sady ho vangoina ao amin'ny fiangonana. Ka hitsangana eo manoloanan'ny leibe sy ny mpanjaka noho ny Aminaha anareo, ho vavolombelona amin'iary zareo. 10 Fa ny Filazantsara de tsy mentsy ho toriana agny amin'ny firenana marobe aloha. 11 Ndreka manambotra sy atolotran'iary zareo anareo, de aza mataotra ny amin'zay zakainareo. Fa amin'igny lera igny, de homena anareo zay tokony avalinareo; tsy anareo akory ny hizaka, fa ny Fanahy Masina. 12 Ny rahalay hagnome ny rahalainy ho vonoina, de ny iabany hagnome ny zanagny. Ny zanaka hitsangana hamaly ny ray aman-dreniny ka hamono an'iary zareo. 13 Ho tsy ten'olona marobe anareo noho ny Agnarako. Fa niza niza madigny hatramin'ny farany, de ho vonjena zany olona zany. 14 Na ohatra ka hitanareo mitsangana eo amin'ny tsy tokony hitsanganany ny favetavetan'ny fandravana (aoka hieritreritra zay mamaky), de aoka avy agny Jodia aby hilefa egny an-tendrombohitra, 15 de zay an-tafi-tragno aoka mba tsy hiditra an-dragno na hamoaka ny entana ao amin'zany, 16 ary zay agny an-kosyaoka tsy hierigna hagnala ny entanany. 17 Lozan' zay viavy bevoka sy mampinono amin'zany fotôna zany! 18 Mivavaha anareo mba tsy amin'ny rirignina no atongavan'zany. 19 Fa hisy fijalena be, zay tsy mbola nisy hatramin'zay,namoronan'Andriamanitra an'zao tontolo zao, ka hatramin'izao, tsy zany, fa mandrakizay de tsy ho hisy koa zany. 20 Ka na tsy hoe nafohezin'ny Tompo zany andro, de tsisy olona ho vonjena. Fa nohon'ny olom-boafidy, zay nifidiny, de nafoheziny ny isan'zany andro zany. 21 Na misy olona mizaka hoe: 'Jerevo, atiky i Kristy' na koa hoe: 'Jereo eray Izy!' de aza mino an'zany. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseo de haneo famantarana sy fahaganana, mba hamitaka, na de ny olom-boafidy aza, na azony atao. 23 Miambena! Tsy efa voazakaiko taminareo talohany fotôna zany raha zakaiko zany. 24 Kanefa afaran'ny fijalena amin'ny zany andro zany, de miamijigna ny masoandro, ny volana tsy hagnome ny hazavanany, 25 ny kintagna hihintsagna avy egny amin'ny lagnitra, de ny hery zay agny an-dagnitra ho hozognozognina. 26 Ka de ho hitan'iary zareo ny Zanak'Olona avy egny amin'ny rahogna amin'ny hery lehibe sy voninahitra. 27 De agniraka ny anjeliny Izy ka hagnotroka iregny olom-boafidiny avy agny amin'ny vazan-tany efatra, avy agny amin'ny faran'ny tany katramin'ny faran'ny lagnitra. 28 Magnalà lesogna avy amin'ny fototr'aviavy. Na vao mamogny sy misy raviny ny rantsagny, de lalanareo fa akeky ny lohataona. 29 Karan'zany koa, na vao hitanareo miseo zany raha marobe zany, de efa akeky Izy, magnakeky ny vavahady. 30 Zakaiko aminareo marina tegnany, ity taranaka ity de tsy ho lany ritra mandra-piseo an'zany raha marobe zany. 31 Ny lagnitra sy ny tany de ho levogna fa ny teny koja tsy ho levogna mandrakizay. 32 Fa ny momba an'zany andro sy lera zany, de tsisy mahafantatra, na de iregny anjely agny an-danitra aza, na ny Zanaka, fa ny Ray my. 33 Mitandrema! Miambena, satria tsy lalanareo ny lera. (Fagnamarinana: iregny fahefana taloha de hoe: Mitandrema! Miambena de mivavahà,satria...) 34 Zany de ôtran'ny lilay raika handea lavitra niala ny tragnony izy ka ny mpiasany nampembenan'ny tragnony, de samy nagnano ny asany aby, sady nandidy ny mpiambiana Izy mba tsy hoandry. 35 Ka miambena, satria tsy lalanareo hoe amin'vena no ho tonga ny tompon-tragno; mety amin'ny harivariva zany, sa amin'ny sasak'alina, sa magneno akoho, sa mandraigna. 36 Fa na avy tampoka izy, de aza avela hahita anareo mandry izy. 37 Zay zakaiko aminareo de zakaiko amin'olona aby koa hoe: "Miambena!"