Toko faha 14

1 Fa roy andro talohan'ny paka sady fankalazana ny fihinanana ny Mofo tsy asiana sira tamin'zany. Niaragna fomba hisamborana an'i Jesôsy mangingina iary zareo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka hamono an'Azy avy eo. 2 Fa nizaka iary zareo hoe: "Aleo tsy amin'ny fety, mba tsy hampioalaoala ny olona." 3 Ndreka tagny Betania tan-dragnon'i Simôna boka Jesôsy, ka na nipetraka tamin'ny latabatra Izy, de nisy viavy raika nagnatognan'Azy nitondra tavoagny alabastara misy menaka lafo vidy, zay narda tsisy fangarony. Nivakiany ny tavoagny de nararakany tamin'ny lohany zany. 4 Ka nahavignitra ny olona sanagny zany. 5 Ka nifampizaka iary zareo nagnano hoe: "Ino no anton'zao fandanindaniam-pôgna zao? Io menaka magnitra io de afaka amidy mihoatra ny denaria telonjato, de omena ny sahirana." De nizakazakain'iary zareo avy eo i viavy igny. 6 Nefa nizaka Jesôsy hoe: "Avelay izy. Nagnino anareo na magnano an'zay mampalahelo an'azy? Raha tsara ny nataony taminaha. 7 Ny sahirana de eo aminareo fehizay, ka afaka magnano asa soa ho an'iary zareo fôgna anareo na amin'ny fotôna ino na amin'ny fotôna ino, fa Izaho ndreka tsy hipetraka eo aminareo fehizay. 8 Nagnano zay azony natao izy: ka nagnosotra ny tegnako ho amin'ny fandevegnana izy. 9 Zakaiko aminareo marina tsara, naiza naiza hitorina ny Filazantsara magneragna zao tontolo zao, de ho zakaina koa ny nataony raviavy ty, mba ho fahatsiarovana an'azy." 10 Aveo Jodasy Iskariota, raika tamin'iary zareo roy ambifolo lay, nandea tagny amin'ny lohan'ny mpisorona ahafahany magnomen'Azy amin'iary zareo. 11 Ndreka naregny an'zany iary zareo lohan'ny mpisorona, de faly iary zareo ka nampagnantegna hagnome vola an'azy. De nanomboka niaragna kendritoina hagnomezana an'Azy ho an'iary zareo izy. 12 Tamin'ny andro vôlohany nihinagna ny mofo tsy nasiana sira, ndreka nagnano sorogna ny ondriy amin'ny paka iary zareo, de nagnotany tamin'azy ny mpianatrany hoe: "Aiza no tenao andeananay hagnamboarana ny hanina,mba hinananaony hanina ny paka?" 13 De nagniaraka ny roy tamin'ny mpianatrany Izy ka nizaka tamin'iary zareo hoe: "Mandiana agny an-tanàna, de hisy lilay mitondra siô feno rano hifanepaka aminareo. Magnaraha an'azy. 14 Ndregny tragno hidirany, magnaraha an'azy de zakainy ny tompon'zany tragno zany hoe: Zao zakain'ny Mpampianatra hoe: ''Aiza ny efitra fandraisana vahiny ahafahako miaraka mihinagna ny paka amin'ny mpianatra anaha?''' 15 Hatorony anareo ny efitragno agnonabe ambony misy entana zay efa voahomagna tsara. Ao no agnamboary ny fagnomagnantsena marobe." 16 De nandea ny mpianatra nandalo ny tanàna. Hitan'iary zareo zany araky zay efa nizakainy tamin'iary zareo, de nagnomagna ny hanina ny paka iary zareo. 17 Ndreka harivariva ny andro, de tonga niaraka tamin'ny roy ambifolo lay Izy. 18 Ndreka nipetraka tan-databatra sady nihinagna iary zareo, de nizaka Jesôsy hoe: "Zakaiko marina aminareo, fa ny raika aminareo zay miaraka mihinagna aminaha eto no hamadika anaha. 19 Nalahelo be izy marobe, ka nizaka tamin'azy tsirai-draika hoe: "Tsy 'zaho mihitsy zany?" 20 Jesôsy namaly ka nizaka an'iary zareo hoe: "Ny raika aminareo roy ambifolo lay zany, zay miaraka magnatsoboka mofo aminaha agnaty kopy amin'izao. 21 Fa ny Zanak'Olona de handea amin'ny làlana zay efa voazakan'ny Soratra Masina mikasika an'Azy. Fa loza koja ho an'ny lilay zay mamadika ny Zanak'Olona zany. Mety amin'azy aza de aleo izy tsy nateraka." 22 Na mbola tam-pihinanana iary zareo, de nagnala ny mofo i Jesôsy, nisaotra, ka nizarazara an'zany. Nomeny an'iary zareo zany sady nagnano hoe: "Raiso, ity no vatagnako." 23 De nagnala ny kapoaka Izy, nisaotra, ka nagnome an'zany ho an'iary zareo, de nihinana tamin'zany iary zareo marobe. 24 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Ity ny ràn'ny fanekem-piavanako, rà zay alatsaka ho an'ny marobe. 25 Zakaiko marina aminareo, tsy hinagna an'ty vokatry ny voaloboka ity koa Zaho mandra-piavin'ny andro zay hinanako zany ndreka agny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra." 26 Ndreka avy nihira fiderana iary zareo, de nadea tegny an-tendrombohitr'Oliva. 27 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Hiala Anaha aby anareo marobe, fa voasoratra hoe: 'Hamono ny mpiambina ondry Zaho ka hiparitaka ny ondry.' 28 Fa ndreka avy hitsangana amin'ny matuy zaho, de hialoha làlana anareo agny Galilia." 29 De nizaka i Petera tamin'azy hoe: "Na de hiala aby aza ny olona, zaho ndreka tsy mba hiala." 30 Nizaka Jesôsy tamin'azy hoe: "Zakaiko marina mainao, fa gniany alina, na mbola tsisy akoho magneno aza, de handà Anaha in-telo anao." 31 Fa nizaka Petera hoe: "na hiara-maty aminao aza zaho, tsy mba handà Anao." De samy nampagnantena ôtrany zany aby iary zareo marobe. 32 De tonga tagny amin'ny tanàna atao hoe Getsemane iary zareo, de nizaka Jesôsy tamin'ny mpianatrany hoe: "Mipetraha eto nambola mivavaka Zaho." 33 De nitondra an'i Petera, sy Jakôba, ary Jaona niaraka tamin'azy Izy de nanomboka nalahelo sady ory. 34 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Malahelo loatra ny Fagnaiko, ôtran'ny efa ho faty. Mitomera eto ka miambena." 35 Nagnalavitra bitabitaka Jesôsy, niankohoka tamin'ny tany, de nivavaka Izy na mba azo atao de alaina amin'Azy zany fizalena zany. 36 Nizaka Izy hoe: "Aba, Ray ô! ny raha marobe hainao atao. Alay aminaha ity kapoaka ity. Nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao." 37 Ndreka nierigna Izy de nahita iary zareo nandry, de nizaka Izy tamin'i Petera hoe: "Simôna, ka mandry anao an? Tsy nahavita nivavaka na de adiny raika va anao? 38 Miambena de mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-panay. Ny fagnay mety mazoto tegnany , fa ny vatagna tsy mahavita." 39 De niala ndreka Izy nisitaka bitaka ka nivavaka, aveo de nagnerigna ny zaka nataony teo aloha my. 40 De nierigna ndreka Izy de mbola nahita an'airy zareo nandry, fa te-hoandry be ny mason'iary zareo ka tsy nahita raha nizakaina tamin'azy koa iary zareo. 41 Nagnatogna fagnintelony Izy ka nizaka tamin'iary zareo hoe: "Ka mbola mandry sady magnalaka aigna fehizay my anareo an? Jerevo! Ny Zanak'Olona homena vonoina mpanota. 42 Mitsangàna; andao andea atsena. Jerevo, efa akeky ny hamadika anaha." 43 Na mbola teo am-pizakana Izy, de avy Jodasy Iskariota , raika amin'iary zareo roy ambifolo lay, niaraka tamina fokonolona maro zay nitondra sabatra sy langilangy, avy amin'iregny lohan'ny mpisorona, ny mpanora-dalàna, de ny loholona. 44 Ka ny mpamadika an'Azy nampafantatra an'iary zareo hoe: "Zay fagnoroako, Izy no Izy. Sambory Izy de embeno tsara." 45 Ndreka avy Jodasy Iskariota , de nagnatogna an'i Jesôsy izy sady nizaka hoe: " Raby," de nagnoroka an'Azy izy. 46 Aveo de nisamborin'iary zareo Jesôsy. 47 Fa nisy raika tamin'iary zareo nitsagnana namoaka ny sabatrany ka nanapaka ny tadignin'ny mpiasan'ny mpisoronabe. 48 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Tonga hisambotra, anaha kara hisambotra olo-dratsy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy zany anareo an? 49 Tamin'ny Zaho taminareo isan'andro sy nampianatra tam-piangonana, tsy nisamborinareo. Fa natao zao mba hatanteraka ny Soratra Masina." 50 De niala an'Azy aby iary zareo marobe niaraka tamin'i Jesôsy sady nilefa. 51 De nisy zaza lilay raika zay, tsy niakanjo afa-tsy hariry fotsiny, nagnaraka an'i Jesôsy. Ndreka nisamborin'ny olona Izy 52 de navelany teo ny lambany ka nandea nilefa tsy niakanjo izy. 53 Nandaon'iary zareo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niaraka nivorovoro tamin'azy teo aby ny mpisorona marobe, sy ny loholona, de iregny mpanora-dalàna. 54 De Petera nagnaraka an'Azy tegny alavidavitra tegny, ka hatramin'ny tokotanin'ny mpisoronabe. Nipetraka tegny amin'ny mpiambina izy, zay namindro takekiny afo. 55 Ka iregny lohan'ny mpisorona sy ny Mpitsara Jiosy de niaragna vavolombelona manohitra an'i Jesôsy mba hahafahan'iary zareo mamono an'Azy ho faty. Kanefa tsy nahita iary zareo. 56 Fa maro ny niampanga afetsy an'Azy, nefa na ny fiampangan'iary zareo an'Azy aby aza tsy tomombana. 57 De ny olona sanagny nitsangana ka niampanga afetsy an'Azy; nizaka iary zareo hoe: 58 "Regninay Izy nizaka hoe: 'Ho ravaiko ity fiangonana namboarina tàgnana ity, ka agnatiny telo andro Zaho de hagnamboatra raika hafa tsy namboarina tàgnana.''' 59 Fa mbola tsy nifaragna my ny fiampangan'iary zareo 60 Ny mpisoronabe nitsagnana teo amin'iary zareo de nagnontany an'iJesôsy hoe: "ty managna avaly anao an? Ino zany hitorian'iregny olona iregny Anao zany? 61 Fa nangina Izy ka tsy namaly na ino na ino. De mbola nagnontany an'Azy ndreka ny mpisoronabe ka nagnano hoe: "Ianao ma i Kristy, Zanaky ny voatahy an?" 62 De nizaka Jesôsy hoe: "Izaho mihitsy Izy; de ho hitanareo ny Zanak'Olona ndreka mipetraka eo an-tàgnan-kavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy egny amin'ny rahognan'ny lanitra." 63 Nirotavin'ny mpisoronabe ny akanjony sady nagnano hoe: "Mbola mila vavolombelona my atsena va? 64 Efa regninareo ny fizakana ratsiny. Ino no fanapahan-kevitrareo?" Iary zareo marobe de samby nagnameloka an'Azy ôtran'ny olona tokony ho vonoina. 65 Ny sanagny de nandrora an'Azy sady nandrakotra ny tarehiny ka namagno an'Azy ka nagnano hoe: "Maminania!" De iregny manam-bonihitra nagnala an'Azy ka namango. 66 Ndreka teo ambany ny kianja Petera, de nagnatogna an'azy ny raika tamin'ny mpiasa vavin'ny mpisoronabe. 67 Nahita an'i Petera nitsagnana namindro tamin'ny afo izy, de nandinika an'azy akeky. De nizaka izy tamin'azy hoe: "Ianao koa niaraka tamin'i Jesôsy. 68 "Fa nandà izy, nagnano hoe: "Tsy lalako sady tsy azoko zay zakainao." Aveo de niala ny kianja izy. [Fagnamarinana: "Iregny fandikana sanagny magnampy hoe: "nagneno ny akoho, " fa iregny fandikana taloha tsara indrindra de tsisy an'io teny io.] 69 Fa i zaza viavy nahita an'azy igny tonga de nizaka tamin'iregny olona nitsagnana nivorovoro nagnano hoe: "Io lilay io de raika tamin'izy iregny!" 70 Fa mbola nandà zany my izy. Tselatsela teo de nizaka iary zareo nitsagnana teo tamin'ny Petera hoe: "Raika amin'iary zareo mihitsy anao, satria anao koa de Galiliana." 71 Fa nanomboka nagnitsiaka tegna sy nifanta izy hoe: "Tsy lalako zany lilay zakainao zany." 72 De niaraka tamin'zay de nagneno ny akoho. Aveo de nahatsiaro ny zakan'i Jesôsy tamin'azy Petera hoe: "Na mbola tsy magneno ny akoho, de handà Anaha intelo anao," De nalahelo be izy sady nitomagny