Marka Toko Faha 15

1 Vô mandraigna be, de nivory ny mpisoronabe mbàn'ny loholona mbàn'iary zareo mpanora-dalàna Synedriona Jiosy izy marobe. Nifatoran'iary zareo Jesôsy de nindôsin'iary zareo nivôka. Natolotran'iary zareo tamin'ny Pilato. 2 Nagnontany an'Azy Pilato hoe:: " Anao no mpanjakan'ny Jiosy a?" Nivaleny hoe: " Aika arô." 3 Natolotra fitorena maro manohitra an'i Jesôsy ny lohan'ny mpisorona. 4 Nagnotany an'Azy ndreka Pilato hoe: "Tsy manan-kavaly mihitsy Anao a? Jerevo ma ny hafatraran'ny fitorena nindôsin'iary zareo mba hanoherana Anao!" 5 Fa tsy namaly an'i Pilato koa i Jesôsy, de nahagaga an'azy izany. 6 Tamin'ny andro fety, de namôka gadra raika ho an'iary zareo Pilato, gadra zegny angatahin'iary zareo. 7 Niaraka tamin'iary zareo mpikomy tam-ponja, tamin'ny mpamono olona zegny vôtana nagnano an'izany, de nisy lilahy raika atao hoe Barabasy. 8 De nagnatogna an'i Pilato ny fokonolona ka nanomboka nangataka tamin'azy mba hagnano kara ny fataon'iary zareo taloha tagny. 9 Pilato namaly an'iary zareo ka nagnano hoe: "Tenareo ma raha ny mpanjakan'ny Jiosy no omeko anareo?" 10 Azony fantan'iary zareo fa fialognana no nanolorany ny lohan'ny mpisorona an'i Jesôsy tamin'azy. 11 Nagnetagna ny fokonolona ny lohan'ny mpisorona mba hioaika mafy fa tokony Barabasy havôka. 12 De namaly an'iary zareo ndreka Pilato nagnano hoe: "Ino arika zany ny tokony ataoko amin'ny mpanjakan'ny Jiosy?" 13 De nihoaikaika ndreka iary zareo oe: " Fantsio Izy!" 14 De nizaka ndreka Pilato tamin'iary zareo hoe: "Ino arika ny ratsy namboariny?" F nihoaika mafy be fezay iary zareo hoe: "Fantsio Izy." 15 Te hagnano raha mahafapo an'iary zareo i Pilato, navôkany ho an'iry zareo i Barabasy. Nivangony Jesôsy aveo de nomeny mba ho fantsiana. 16 Nindôdin'ny miaramila an-tokontany Izy (antegnategnan'ny fanjakana), sady nantsovan'iary zareo aby n antoko miaramila marobe . 17 nampagnatofain'iary zareo akanjo voloparasy Jesôsy, sady nagnambôtra feloha fantsy iary zareo ka napetany tamin'Azy. 18 De nanomboka nagnotsafa an'Azy iary zareo de nizaka hoe: "Akory a mpanjakan'ny Jiosy!" 19 Nivangoin'iary zareo tamina volotara ny lohany sady nandrorany Izy. De nandohalika talohan'iary zareo mody nidera Anazy. 20 Ndreka avy nisomborogna Anazy iary zareo, de nalain'iary zareo tamin'Azy ndreka ny akanjony voloparasy sady nampagnatofain'iary zareo akanjo ndreka Izy, de nindôsin'iary zareonivôka Izy mba hamatsiana an'Azy. 21 Niteren'iary zareo ny pandalo raika avy tan-kosy mba hitondra ny hazo fijalen'ny Jesôsy, lilahy raika atao hoe: Simona Kereniana iaban'i Aleksandra sy Rofosy. 22 Nindôsin'ny miaramila tamin'ny pilasy atao hoe Gologota Jesôsy ( dikan'izany de hoe " pilasin'ny karandoha"). 23 Nomen'iary zareo divaigna nifangaro miora Izy, fa tsy nisotro n'izany Izy. 24 De nifantsian'iary zareo Izy sady nifampizaran'iary zareo natao ankitsapaka ny akanjony mba hafantarana ny antsasany alain'ny miaramila tsitokatokana. 25 Tamin'ny telo Izy de nifantsian'iary zareo. 26 Tamin'ny takelaka kakazo raika no nanoratan'iary zareo ny fitorena nanohitra an'Azy hoe: "Mpanjaka ny Jiosy." 27 Dahalo roy lahy niaraka nifantsian'iary zareo tamin'Azy ka ny raika tankavanan'Azy teo de ny raika tankaviany. 28 [Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tena tsara de tsisy ny Marka 15: 28 hoe: "De tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: 'Natao ho agnisan'ny mpanota Izy.' (Ampitahay ny Lioka 22:035)] 29 Zegny nandalo teo de nagnano tsisy diakny an'Azy aby, nandà sady nagnano hoe: "Aha! Anao afaka mandrava ny tempoly sady mangana an'izany agnatin'ny telo andro, 30 avoty ny tegnano sady mijotsoa amin'io hazofijalena io!" 31 Ny lohan'ny mpisorona koa de nisomboronga an'Azy kara an'izany, niaraka tamin'ny mpanora-dalàna sady nizaka iary zareo hoe: " Nagnavotra ny hafa Izy, nefa tsy mahavotra ny tegnany. 32 Avelay Kristy, Mpanjakan'Israely, hijotso amin'ny hajofijalena io, mba hiitanay de hinônay," ndre zegny nifantsiana niaraka tamin'Azy de nisomboronga an'Azy. 33 Tamin'ny enina ka hatramin'ny sivy de nanjary mizigna be magnodidigna ny tanàna teo. 34 Tamin'ny sivy izany de nihoaika mafy be Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" dikany de hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nagnino lôtra anao de nahafoy Anaha?" 35 Ny sasany tamin'ny egny mbola nitsangana teo de naregny ny raha nizakainy ka nizaka hoe: "'Jerevo, miantso an'i Elia Izy." 36 Nisy olona raika nihazakazaka, namoraka eponjy tamina divaigna marikivy sady nandraikitra an'Azy tamina volotara, de nampinominy an'Azy. De lilahy igny nizaka hoe: "Hitanay eo raha ho tonga anjotso an'Azy eo i Elia. 37 Aveo Jesôsy de nihoaikaika mafy be de maty. 38 Rota nizara roy nanomboka ambony tonga tambany ny lamban'ny tempoly. 39 Ndreka hitan'ny kapiteny nitsangana sady nifagnatrika tamin'i Jesôsy fa maty tamin'izany fomba izany Izy, de nizaka Izy hoe: "Zanak'Andriamanitra marina tegnany io Lilahy io. 40 De nisy viavy koa nitsinjo tegny. Agnisan'izany Maria Magdalena, Maria( renin'i Jakoba zandriny Josesy), de Salome. 41 Tamin'Izy tany Galilia de de nagnaraka an'Azy nanompo an'Azy iary zareo. Viavy maro hafa koa niaraka niakatra tamin'Azy tagny Jerosalema. 42 Ka ndreka alina ny andro, azon'ny andro fiomagnana; izany hoe, alohan'ny andro sabata , 43 de tonga teo Josefa avy agny Arimatia. mpikambana manan-kaja amin'ny Synedriona izy, izay nandigny ny Fanjakan'Andriamanitra. Nahasahy nandeha tagny amin'i Pilato hangataka ny fatin'i Jesôsy. 44 Gaga Pilato fa maty sahady Jesôsy; de nantsovany ny kapiteny sady nagnotaneny an'Azy raha maty tegnany Jesôsy. 45 Ndreka naatoky ny raha nizakain'ny kapiteny fa maty Jesôsy, de nomeny an'i Josefa ny fatiny. 46 De Josefa nividy tapatsihy madinika igny, sady napetragny tam-pasagna nangdiny tamin'ny vatolampy. Aveo de nitohagnany vato ny varangaram-pasagna. 47 De hitan'i Maria Magdalena sy Maria endrin'i Jesôsy ny pilasy nandevegnana an'Azy.