Marka Toko Faha 16

1 Ndreka tapitra ny andro Sabata, de nivanga raha magnitra ahosotra amin'ny fatin'ny Jesôsy i Maria Magdalena miaraka amin'i Maria renin'i Jakoba, de Salome nivanga hagnitra mba hosorana amin'ny fatin'ny Jesôsy. 2 Vô mandraigna be tamin'ny fanombohan'ny herignandro, de nandeha tam-pasagna iary zareo ndreka niposaka ny masoandro. 3 De nifampizaka iary zareo hoe: "Iza hamaringarigna ny vato amin'ny varangaragnam-pasagna ho antsena?" 4 Ndreka niandra iary zareo, de hitan'iary zareo fa efa nenga teo vato tena agnona be tegnany igny. 5 Niditra tam-pasagna iary zareo de nahita tanora lilahy nagnatao akanjo fotsy, nitometra tan-kavanana, de samy gaga iary zareo. 6 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Aza mangoaigna. Miaragna an'i Jesôsy anareo, iny Nazareta, ny nifantsiana. Nitsangana Izy! Tsy ato Izy. Jerevo ny pilasy nametrahan'iary zareo. 7 Fa mandiana, zakay mpaminany miaraka amin'i Petera fa handeha alohan'iary zareo agny Galilia Izy. Agny anareo mahita an'Azy, araka ny raha nizakainy taminareo." 8 Nivôka iary zareo nihazakazaka nenga ny fasagna, nangitakitaka sady gaga iary zareo. Tsy nizaka n'ino n'ino tamin'olona iary zareo satria nangoaigna be. 9 [Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tena tsara de mangala ny Marka: 16: 9-20] Vô mandraigna tamin'ny andro nanomboka ny herignandro, tafaran'ny nitsanganany de niseho tamin'i Maria Magdalena eky Izy, ny nalainy devoly fito igny. 10 De nandeha Maria de nikorana ny vaovao tamin'ny zegny niaraka tamin'i Jesôsy, Ndreka nmbola saogna sady nitomagny iary zareo. 11 Regnin'iary zareo fa velona Izysady efa nahita an'Azy izy, nefa tsy nino iary zareo. 12 [Ny fandikana taloha tena tsara de mangala ny Marka16: 9-20] Tafaran'igny Jesôsy de nivôka tamina endrika hafa tamin'ny roy tamin'iary zareo, ndreka nandeha an-tanàna iary zareo. 13 De nandeha iary zareo ka nizaka tamin'ny mpianatra tavela teo, nefa tsy nino iary zareo. 14 [Ny fandikana taloha tena tsara de mangala ny Marka16: 9-20] Tafara taty de niseho tamin'ny raika ambinifolo lahy Jesôsy ndre de mbola am-pihinanana iary zareo, de nizaka mafy an'iary zareo Izy tamin'ny tsy finôna mbàn'ny fo vaton'iary zareo, satria tsy nino iary zareo zegny nahita an'Azy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty . 15 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Mandiana magneragnan'ny tany, de torio amin'ny olona maro be aby io ny Filazantsara. 16 Zegny mino sady atao batisa no ho havotana, de zegny tsy mino kosa de ho saziana. 17 [Ny fandikana taloha tena tsara de mangala ny Marka16: 9-20] Itôgny famantarana itôgny de hagnaraka an'ny zegny mino: Amin'ny agnarako hamoahan'iary zareo devoly. Hizaka amin'ny fizakana vaovao iary zareo. 18 Hitàna menaragna amin'ny tagnany iary zareo, sady ndre hihinagna raha mahafaty iary zareo, de hampagnino an'Azy izany. Hametraka tagnana amin'ny marary iary zareo, de ho afaka aby io." 19 [Ny fandikana taloha tena tsara de mangala ny Marka16: 9-20] Ndreka avy nikoragna tamin'iary zareo ny Tompo, de nampekarina an-danitra Izy sady nitometra eo an-kavanan'Andriamanitra. 20 De nandeha ny mpinatra nitory magnodidigna tegny, de niara-niasa tamin'iary zareo ny Tompo sady nagnamafy ny zaka tamina famantarana zegny niaraka tamin'iary zareo.