Toko faha 4

1 Raha nanomboka nampianatra tamoron-dranomasina Izy, de nisy olona marobe nivory nagnodidigna an'Azy. Ndreka niditra tan-dakana Izy, de nitometra tao. Fa ny olona koja nijanogna tamoron-dranomasina aby. 2 Nampianatra raha marobe an'iary zareo Izy, de izao raha nizakainy. 3 " Tenoy, nisy mpamafy nandeha namafy voa. 4 Ndreka namafy izy, de nisy voa sasany niraraka tan-dalana, ka tonga ny vorogna de ninagna an'azy. 5 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany nisy vatovato. Tonga de naniry izy satria tsy laligna ny tany nisy an'azy. 6 Ndreka niposaka ny masoandro, de nalazo iary zareo satria tsisy vahany de maigna. 7 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany feno fantsy. Ndreka naniry amin'izay fantsy igny de nanery an'azy ka tsisy isiny. 8 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany tsara de namokatra isiny marobe ndreka nitombo,sasagny nitombo in-telopolo,sasagny in-enimpolo, sasagny in-jato. 9 De nizaka izy aveon'igny hoe: "Ndregny manan-tadigny de aoka izy hiteno!" 10 Ndreka i Jesôsy raika igny amin'izay de nagnotany an'Azy ndregny takeky an'Azy, de ny mpianatrany roiambifolo io koa, mikasikan'igny fagnoarana igny. 11 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Ho anareo nagnomezana ny raha tsy fantatra amin'ny fanjakan'Andriamanitra io. Ndregny ambelagny agny de fagnoarana aby 12 nen'azy amin'ny fotôna hijerevan'iary zareo, ndre de hijery iary zareo de tsy hahita, ndre de hiteno iary zareo de tsy halala an'izany, kanefa raha mivalo iary zareo de hamindra ndreka Andriamanitra." 13 De nijaka Izy tamin'iary zareo hoe: "ka tsy azonareo ma raha zakaiko zany an? Ino arika atao mba azahoanareo ny fagnoarana hafa io aby? 14 Ny mpamboly ny voa io de tsy iza fa ny mpamafy ny teny. 15 Itiky ny nararaka tan-dalana tamin'ny namafazana ny teny, ka ndreka naregny an'izany iary zareo de tonga devoly nagnalaka ny ndregny voafafy tamin'iary zareo. 16 Ity ndreka ny voafafy tamin'ny tany misy vatovato, de zegny naregny an'azy de nandray tamin-kafalena. 17 Kanefa de tsisy vahany tamin'iary zareo tao, fa tselatsela fotsiny de maty. Ndreka tonga amizany ny fijalena sy ny fagnenjena tamin'iary zareo tratry ny teny igny de lavo. 18 Ny sanagny ndreka de voafafy tamin' ny tany feno fantsy. De regnin'iary zareo zany, 19 kanefa de tafiditra tamin'iary zareo fanahiana ny fiaignan'izao, de ny famitahan'ny arena koa, sy ny filan-javatra afa ka nanery ny teny, de tsy mampamoa an'azy. 20 Fa ndregny voafafy tamin'ny tany tsara koja de zegny maregny ny teny sady mandray an'azy, ka nagnome vokatra iary zareo, sasany in-telopolo, sasany inenimpolo, sasany in-jaton'ny ndregny nafafy." De nizaky Jesosy tamin'iary zareo hoe: "Ka ataonao agnaty sarosarogna ma jiro andaonao an-dragno sa ambany fandrena? 22 Fa tsy misy raha asitrika ka tsy lala na avony ka tsy hivôka.23 Ndregny manan-tadigny itenoana, aoka izy hiteno. Nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: " Mitandrema amin'ny zaka regninareo, fa arakaraka agnoaranareo my koa no agnoarana anareo. 25 Satria niza niza managna, de omena marobe izy, ary niza niza tsy managna, na zeny anagnany aza de alaina amin'azy. 26 De nizaka koa Izy hoe: "Ny fanjakan'Andriamanitra de ôtran'ny olona raika mamafy voany amin'ny tany. 27 Mandry izy amin'ny alina de mifoa amin'ny mandraigna, ka ny vôny de maniry, fa tsy lalany hoe aôna. 28 Ny tany de mamoa amin'ny tegnany my: vôloany ny sampagny, aveo ny taony, aveo ny isiny. 29 Ndreka matoy ny isiny de aveo izy mambely an'azy." 30 30 Nizaka ndreka Izy hoe: "Ino azontsena ampitovina amin'ny fanjakan'Andriamanina, na ino fagnoarana hampesaintsena agnazavana an'azy? 31 Zany de ôtrany voatsinampy, ndreka nafafy, de izy tena farany bitaka amin'ny voa marobe ambonin'ny tany. 32 Nefa ndreka voafafy de maniry sady manjary agnonabe ambonin'ny kakazo marobe izy, de magnome sampagny agnonabe, ka mety agnamboarany vorogna songiny. 33 Fagnoarana maro ôtran'izany nizakany ny teny araka ny zegny fafantaran'iary zareo an'azy, 34 kanefa de tsy nizaka tamin'iary zareo afa-tsy fagnoarana Izy. Fa ndreka Izy raika, de nazavainy tamin'ny mpianatrany fotsiny raha marobe. 35 Tamin' ny zay andro zay, ndreka arivariva, de zao nizakay tamin' iary zareo hoe: "Andao atsena itsaka agnilany egny." 36 Ka niala teo amin'ny fokonolona ary zareo, de nitondra an'i Jesôsy tan-dakana. De nisy lakana hafa koa niaraka tamin'iary zareo. 37 Avy teo de nisy agnina mafy be ary ny onjany rano niditra tan-dakana ka seka lentigna. 38 Ary Jesôsy nandry tambodin'ny lakana, tamin'ny fandrena. De nifoazin'iary zareo Izy, de nagnano hoe: "Mpampianatra ô ! tsy mampagnino Anao zany na ho faty ato atsena ? 39 De nifoa Izy, de nizaka tamin' ny rivotra, sy tamin'ny ranomasina hoe: " Mangìna! Milamìna! "Ka nangina ny rivotra. 40 De nizaka Izy tamin'ary zareo hoe: "Nagnino anareo na matahotra? Mbola tsy manam-pinoana my va ianareo? 41 "Feno taotra iary zareo ka nifampizaka hoe: "Iza ma ity, atramin' ny agnina sy ranomasina aby de magneky an'Azy?"