Marka Toko faha 3

1 De nandeha tagny synagoga ndreka i Jesôsy de nisy lilahy maty tagnana zay tao. 2 Nijery akeky an'Azy ny olona sanasanagny hahitan'iary zareo raha agnafaka an'azy amin'ny Sabata Izy iary zareo magnadiso an'Azy. 3 De nizaka Jesôsy tamin'ny lilahy maty tagnana hoe: "Mitsangana ary robe mahitsy eto ategnategnan'olona marobe eto. 4 De nizaka tamin'olona Izy hoe: "Mety ve ny magnano soa amin'ny andro Sabata sa ny magnano ratsy ; mamonjy aina, sa ny mamono?" Nefa iary zareo tsy nahazaka. 5 Nizaha an'iary zareo tamin'avignirana i Jesôsy, sady nalahelo Izy tamin'ny hamafisan'ny fon'iary zareo, de nizaka tamin'ny lilahy igny Izy hoe: "Atsory ny tagnanao." Natsotran'ny ralilahy igny ny tagnany de nahafaka izy. 6 Nivôka iary zareo fariseo sady nikonokonogna malaky niaraka tamin'ny Herodiana hiaragna tetika hamonoana an'Azy. 7 Aveo Jesôsy niaraka tamin'ny mpianatrany io, nandeha tegny amoron-dranomasina, de nisy fokonolona maro nagnaraka avy tany Galilia mbàn'ny avy any Jodia 8 de avy agny Jerosalema mbàn'ny avy agny Edoma ka latagny amin'ny tegnaranon'i Jordana mbàn'ny magnodidignan'ny Tyra sy Sidona. Ndreka naregny momban'ny raha namboarin'iary zareo, de nisy fokonolona nandeha tamin'Azy teo. 9 Nampiaragna lakana ny mpianatrany Jesôsy ho an'Azy tratrin'ny amarozan'olona teo, mba tsy hifanosehan'nyolona Izy. 10 tratrin'Izy nagnafaka olona maro, de nifandrobaka nagnatogna an'Azy ny olona marobe zegny nanagna aretina mba hikasiany an'Azy. 11 Isaky ny nahitan'Azy ny fagnahy ratsy io, de mandondogna tanatrehany sady nihoaika, de iary zareo hoe: "Anao Zanak'Andriamanitra." 12 De nizakainy mafy iary zareo mba tsy hampahafantatra an'Azy. 13 Niakatra tan-tendrombohitra nagnantso an'ny ndregny teny, de nagnatogna amin'Azy teo iary zareo. 14 Nanondro ny roambinifolo lahy Izy (zakaina hoe Apostôly), mba hafahan'iary zareo magnarka an'Azy sady mandefa an'iary zareo mitory ny hafatra, de 15 hanagna hery handrôka devoly. 16 Aveo de nanondro an'ny roiambinifolo io Izy: Simona, nomena agnarana hoe: Petera; 17 Jakoba zanak'i Zebedio, miaraka amin'nyJaona rahalahiny, izay nomen'ny agnarana hoe Boanarijesy, ny dikany de hoe, zana-baratra; 18 de Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19 de Jodasy Iskariota, zegny hamadika an'Azy my. 20 De nody tandragno Izy, niaraka tonga ndreka ny fokonolona, de nanjary tsy afaka nihinagna aby iary zareo. 21 Ndreka naregny momban'izany ny fianakavena, de nivôka iary zareo nangalaka an'Azy, satria nizakain'iary zareo hoe: "Very saina Izy." 22 Arika iary zareo mpanoro-dalàna izay nijotso avy tany Jerosalema de nizaka fa: "Ipetrahan'ny Belzeboba Izy", ka, "Amin'ny alalan'ny mpanapakan'ny devoly no androahana ny devoly." 23 De nantsovan'i Jesôsy nagnatogna an'Azy iary zareo ka nizaka an'iary zareo tam-pagnoharana hoe: "akory afahan'i satana mandrôka an'i satana? 24 Ndreka misy fanjakana miady andragno, de ho rava izany. 25 Ndreka tokantragno miady andragno de tsy aharitra ny tokantragno karan'izany. 26 Ndreka nitsangana nanohitra ny tegnany ny satana de nisaraka sady tsy haharitra, de hifaragna. 27 Fa tsisy afaka miditra amin'ny tragno ny lilahy matanjaka ka mandroba ny fanagnany raha tsy fatorana alogny lilahy mantanjaka igny, de handroba ny teagnony izy aveo. 28 Zakaiko aminareo tegnany, voavela aby ny helokan'ny zanak'olombelona, na de zaka maro zakain'ny vavany aza, 29 fa zegny mizaka ratsy ny fanahy Masina koza de ts voavela heloka mandrakizay." De ho diso tratrin'ny ota mandrakizay." 30 Nizakain'i Jesôsy iary zareo nohon'ny fizakan'iary zareo fa hoe: " Managna fagnahy ratsy Izy." 31 Avy teo de tonga i endriny mbàn'ny ampiralahalahy amin'Azy de nitsangana tambelagny tao. Nandefa olona nampafantatran'iary zareo de nampagnatso Anazy. 32 Nipetraka nagnodidigna an'Azy ny fokonolona de nizakainy hoe: "Endrinao mbàn'ny mpirahalahy aminao ambelagny ao, sady miharagna Anao iary zareo." 33 34 35 De namaly Izy hoe: "ka iza ma i Endriko sy ampirahalahy aminaha?" de nijeravany magnodidigna tamin'ny olona nipetraka magnodidigna an'Azy teo, de izaka Izy hoe: "Jerevo, itôgny endriko mbàn'ny ampirahalahy aminaha! Fa na zovy na zovy magnano sitrapon'Andriamanitra, de izany my aminaha ampirahalahy aminaha de anakaviko mbàn'ny endriko."