Marka Toko Faha 5

1 Tonga tagnilan'ny ranomasina iary zareo, tamin'ny faritra Gerasena. 2 Ndreka nenga tamin'ny lakana bitaka Jesôsy, de nisy lilahy raika azon'ny fagnahy nagnatogna an'Azy avy tampasagna tegny. 3 Nitometra tampasagna tagny ralilahy igny, Tsy misy nahatàna an'azy mihitsy, ndre tamin'ny rojo vy. 4 Voafatotra matetika tamina gadra vy miaraka amina rojo vy izy. Nitapatapainy de potika mihitsy rojo vy miaraka amn'ny gadra vy igny. Tsy nisy nanagna hery hifehy anazy mihitsy. 5 Na alina na atoandro tampasagna sy tan-drembohitra tegny, de nihoaikaika izy sady nandrangotra ny tegnany taminà vato marangitra. 6 Ndreka nahita an"i Jesôsy talavitra tegny izy, de nihazakazaka nagnatogna an'Azy sady nondrika talohany teo. 7 De nihoaika mafy be izy hoe: "ino ma mba raha ifandraisako aminao, a Jesôsy, zanak'Andriamanitra farany agnambo? Mangataka aminao aho amin'ny agnaran'Andriamanitra raika my, aza ampijalena aho." 8 De nizaka Izy tamin'azy hoe: " mengà amin'ny ralilahy io, a fagnahy maloto." 9 De nagnadigna an'azy Izy hoe: "Iza ma agnaranao?" de namaly izy ho: "Legiona agnarako, satria marobe ahay ato." 10 De nangataka mafy tamin'Azy fezay izy mb tsy handrôka an'iary zareo ambelagny faritra. 11 De nisy lambo marobe tan-tendrombohitra, 12 de niangavy tamin'Azy iary zareo, nagnano hoe: "Alefaso amin'ny lambo io ahay; avialy ahay hiditra amin'iary zareo io." 13 Ka de navelany iary zareo; ka de nivoaka aby fagnahy maloto de niditra tamin'ny lambo io, de tonga de niridiridy mafy tagnaty hantsagna sady tonga de nivarigna andranomasina tagny aby iary zareo. Aveo lambo tagny ho agny amin'ny roa arivo tagny maty tan-dranomasina. 14 Nandeha nilefa ny olona namahana ny lambo sady nikorana ny raha hitany tan-tanàna sy tambanivolo, aveo olona marobe nizaha ny raha niseho tagny. 15 Aveo iary zareo nandeha nagnatogna an'i Jesôsy de hitan'iary zareo ralilahy nisy devoly igny, raika nipetrahan'ny legiona, nitometra teo, nagnatao akanjo sady kanty; ka de natahotra aby iary zareo. 16 Ndregny nahita ny raha ny raha niseho tamin'ny ralilahy nisy devoly igny de nikoragna tamin'iary zareo tamin'ny ambangovangony sady nikoragna momba ny lambo koa iary zareo. 17 De nengaven'iary zareo Izy mba handeha hoenga amin'ny faritra misy an'iary zareo. 18 Ndreka hideba lakana igny Izy, de nangataka tamin'Azy ralilahy devoly igny mba hagnaraka an'Azy. 19 Nefa i Jesôsy nambela an'azy handeha, fe kizaka tamin'azy hoe: "Andiana mody andragnonao mbàn'ny havanao agny de tantarao amin'iary zareo zegny raha namboarin'ny Tompo taminao mbàn'ny namindràny fo taminao!" 20 De nody izy sady nikoragna ny raha namboarin'i Jesôsy tamin'azy tagny Dekapolisy, de gaga aby iary zareo marobe. 21 Ndreka nandeha tagnilany Jesôsy, tamin'ny lakana, de io fa misy olona fatratra de fatratra nivorovoro nagnodidina an'Azy, ndreka tamorondranomasina igny Izy. 22 Avy teo de tonga ny raika amin'ny mpitondra Fiangonana, atao hoe Jairo, ka ndreka nahita an'Azy de nitsipy tamin'ny tongotrany. 23 Nengavy fezay fezay Izy, nizaka hoe: "Marary mafy efa ho faty ny zanako viavy. Mengavy Anao aho, mba andao apetraho amin'Azy tagnananao mba ahafaka sady ahavelogna an'azy." 24 De nagnaraka Izy, de olona marobe sady nagnodidigna an'Azy. 25 De nisy viavy raika zay teo tratrin'ny fahaverezan-drà tagnatin'ny roambinifolo taona. 26 Nijaly mafy tegnany izy sady nandeha tamina mpitsabo marobe sady efa nandany fanagnana maro, nefa de mbola tsy nahafaka fa vomaika nandrepaka. 27 Ndreka naregny korana momba an'i Jesôsy Izy, de nandeha tafaran'i Jesôsy Izy sady nikasika ny lambany. 28 Satria zao nizakainy: "Ndreka mavôkasika ny lambany fotsiny aho de afaka." 29 Ndreka nikasika an'azy Izy, de negnina ny rà nandeha, sady tsapany laligna fa tena afaka ny aretina nahazo an'azy. 30 Fantan'i Jesôsy fa nisy hery nenga tamin'Azy. Nitodika tamin'ny fokonolona Izy de nizaka hoe: "nizaka nikasika ny lambako?" 31 De namaly an'Azy mpianatrany hoe: "hitanao olona marobe mifanisika aminao io, de zakainao hoe: "iza mitàna anaha." 32 De nizaha ny magnodidigna an'Azy Jesôsy mba hahitany ndregny nagnano an'izany. 33 Viavy igny, nafantatra ny raha nisy tamin'Azy, de natahotra sady nangitakitaka. Nagnatogna izy de nitsipy talohan'i Jesôsy ka nizaka tamin'Azy aby ny marina. 34 De nizaka tamin'azy Jesôsy hoe: "Zanako, ny finoanao , no nahafaka anao. Mandiana amin'ny fiadanana de mahafaha amin'ny aretinanao." 35 Ndreka mbola nizaka igny Izy, de avy ny olona sasany tagny amin'ny mpitondra fiangonana, nagnano hoe: "Efa maty zanakao. Nagnino anao raha mbola manaragna ny mpampianatra?" 36 Ka ndreka naregny ny raha nikoragnin'iary zareo Jesôsy, de nizaka Izy tamin'ny mpitondra fiangonana hoe: "Aza matahotra. Managnà finoana". 37 Sady tsisy nekeny hiaraka tamin'Azy afa tsy Petera, Jakoba, de i Jaona, rahalahin'i 38 Jakoba.Tonga tandragnon'ny mpitondra fiangonana igny iary zareo, sady nahita olona nitabataba be teo; nitomagny sady nibabababa mafy iary zareo. 39 Ndreka niditra tandragno Izy, de nizaka tamin'iary zareo hoe: "Nagnino anareo maresaka sady nitomagny? Tsy maty zaza ty fa mandry fotsiny." 40 Nimehezan'iary zareo Izy. Navoakany tan-tany iary zareo marobe, de nalainy iabany amin'ny endriny zaza igny mbàn'ny olona niaraka tamin'azy, de niditra tagn'efitra nisy zaza igny Izy. 41 Nitanany tagnan'ny zaza de nizaka tamin'azy hoe: "Talita, Komy!" ndreka azavaina de hoe: "Zaza viavy, mizaka aminao hoe, mitsangàna. 42 Tonga de nitsangana i zaza viavy igny de nandeha (satria roiambinifolo taona izy). gaga tampoka iary zareo. 43 Nandrara mafy an'iary zareo mba tsisy n'iza n'iza halala ny mikasikan'izany. Aveo de nampagnomezany hanina i zaza viavy igny.