Toko faha 21

1 Ndreka nagnantogna an'i Jerosalema Jesôsy mban'ny mpianatrany de nandeha ta Betifaga, amin'ny tendrombohitra Oliva, de nagniraka mpianatra roy Jesôsy, 2 nizaka tamin'iary zareo hoe : "Mandiana amin'ny vohitra magnaraka an'io, fa eo noho eo de hahita ampondra mifatotra anareo sady misy zanaka apondra koa miaraka aminazy. Tatay iary zareo de handozy aminaha aty. 3 ka na misy mizaka anareo mikasika anazy, de zakay hoe :"Misy raha ilan'ny Tompo an'azy, de halefan'olona miaraka aminareo eo noho eo izany." 4 De nitranga izany mba hahatanteraka zay nizakaina tamin'ny mpaminany. De nizaka Izy hoe : 5 "Zakay zanaka vavy n'i Ziona hoe :"Igny, fa magnantogna anao ny Mpanjakanao, Manetry tegna sady mideba apondra de zanak'apondra lahy." 6 Aveo de nandeha ny mpianatra sady nagnano zegny nandidian'i Jesôsy an'iary zareo. 7 De nandozin'iary zareo ny apondra mban'ny zanagny sady napetrakazareo taminazy ny lamban'iary zareo, ka de nipetraka tambonin'ny lamba Jesôsy. 8 Aveo de namelatra ny lambany tamin'ny tany aby ny ankamaroan'ny olona, de ny sasagny nanapaka sampan-kazo sady nagnaparitaka an'izany tamin'ny lalagna. 9 Aveo de nandeha talohan'iJesôsy ny olona mban'ny zegny nagnaraka anazy sady nitabataba hoe : "Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! De isaorana ilay tonga avy tamin'ny agnaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny avo indrindra!" 10 Ndreka niditra tao Jerosalema Jesôsy, de nihoaika ny tanan-draika de nagnano hoe : "Ka iza ma io?" 11 De nivalin'olona hoe :"Izy no Jesôsy ilay mpaminany avy agny Nazareta agny Galilia." 12 Aveo de niditra tamin'ny tempolyJesôsy. De niroany aby ny mpividy mban'ny mpivarotra tamin'ny tempoly, ka navadikany ny latabatran'ny mpanakalo vola mban'ny fitomerany mpivarotra voromailala. 13 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe :"Efa vôsoratra hoe :"Ny tragnoko de atao hoe tragno fivavahana."Kanefa de ataonareo toerana fisitrian'ny dahalo. 14 Ndreka avieo de nisy jamba mban'ny kilemaina nagnantogna an'Azy tamin'ny tempoly,de nositragniny iary zareo. 15 Fa ndreka nahita ny raha mahagaga namboariny ny leben'ny mpisorona mban'ny mpanora-dalàna, sady regnin'iary zareo koa ny zaza biataka naresaka tamin'ny tempoly hoe :"Hosana ho an'ny zanak'i Davida", de vignitra be iary zareo. 16 De nizaka taminazy iary zareo hoe :"Regninareo raha zakain'olona zany va?" De nivalin'i Jesôsy iary zareo hoe :"Aika! Ka tsy mbola nivakinareo mintsy ma ny hoe :"Avy amin'ny vavan'ny zaza bitaka mban'ny zaza minono no nandavorariana ny fiderana?" 17 Aveo de nengan'i Jesôsy iary zareo ka nandeha tagny amin'ny tanànan'i Betania Izy sady nitometra tao ny alina. 18 De niverigna tan-tanàna Izy nandraignan'igny, de mosarena. 19 Ndreka nahita aviavy tamin'ny sisin-dalagna, de nantogniny tegny kanefa tsy nahita na ino na ino teo afa-tsy raviny fotsiny.De nizaka taminazy Izy hoe :"Enga anie de tsy ho hisy isiny koa avy aminao mandrakizay", de niaraka tamin'izay de maigna tampoka ny aviavy. 20 Ndreka nahitan'ny an'izany ny mpianatra, de gaga iary zareo ka nizaka hoe: "Ino ma nahatonga de nahamaigna an'ny aviavy tiky?" 21 Namaly Jesosy ka nizaka an'iary zareo hoe: " Zakaiko tsara aminareo, na manam-pinôna sady tsisy fisalasalana anareo, de tsy zay namboarina tamin'ny aviavy io my ny hamboarinareo, fa ndre de hizaka amin'ny tendrombohitra ity aza hoe: 'Miongota de milavoa an-dranomasina agny', de ekeny zany. 22 Zegny raha angatahinareo am-bavaka, na am-pinôna, de ho azonareo." 23 Vatany vô niditra tan-tempoly Jesôsy, de nagnatogna an'Azy ny lehiben'ny mpisorona mban'ny zokiolona ndreka nampianatra Izy ka nizaka hoe: " Fahefana avy aza ma ny agnamboaranao an'ny raha io, de iza koa nagnome Anao an'ny fahefana zany?" 24 Namaly Jesôsy de nizaka tamin'iary zareo hoe: "Hametraka fagnotanena raika aminareo my koa Aho. Raha zakainareo Aminaha, de ho zakaiko aminareo ny fahefana agnamboarako ny raha izany. 25 Ny batisan'i Jaona- avy taza ma neveny? Avy tan-danitra sa avy tamin'olombelona?" De niady hevitra iary zareo, nagnano hoe: "Na mizaka antsena hoe, 'Avy tan-danitra,'hizaka amintsena Izy hoe: ' Fa magnino zany anareo na tsy mino an'Azy?' 26 Fa na mizaka antsena hoe: 'Avy tamin'olombelona', matahotra ny fokonolona io antsena, satria iary zareo maro be de mieritreritra fa i Jaona de kara mpaminany". De namaly an'ny Jesôsy iary zareo sady de nizaka hoe: "Tsy lalanay." 27 De nizaka my ko Izy tamin'iary zareo hoe: "Izaho koa de mba tsy hizaka aminareo hoe avy aza ny fahefana agnamboarako an'ny raha io. 28 Ka magnano akory ma ny hevitra anareo? Nisy lilahy raika nanagna zanaka roy lahy . Nenga amin'ny voalohany izy de nagnano hoe: 'Zanako, mandiana miasa amin'ny tanimboaloboka agny niany.' 29 Ny zanagny lilahy namaly an'azy hoe: "Tsy ho agny aho," fa niova hevitra my izy aveo de nandeha. 30 Aveo de nandeha tamin'ny faharoy izy de nizaka karan'izany koa. Namaly izy de nizaka hoe: "Ho agny, aho tompoko, nefa tsy nandeha agny izy. 31 Iza tamin'ny zanagny roy io no nagnano ny sitrapon'ny iabany?" De nizaka iary zareo hoe: "Ny vôlohany." Nizaka an'iary zareo Jesôsy hoe: "Zakaiko tsara aminareo, ny mpangalaka hetra mban'ny mpivaro-tegna de hiditra ny Fanjakan'ny lanitra alohanareo. 32 Fa i Jaona nagnatogna anareo tamin'ny fahamarinana, fa tsy nino an'azy anareo. Fa ny mpanagalaka hetra mban'ny mpivaro-tegna nino an'azy. Fa anareo, ndre de nahita an'izany aza, de tsy nivalo sady nino an'azy. 33 Tenoy fagnoharana raika hafa ity. Nisy lilahy raika, managna tany. Nagnano tanim-boaloboka izy, naseny lakoro io, naseny lavaka famiazana agnatiny, nananganany tilikambo, de nampagnofainy tamin'ny mpamboly voaloboka. Avy teo izy de nandeha tamina tanàna hafa . 34 Ndreka nagnakeky ny fekaran'ny vokatra, de nagniraka ny sanagny tamin'ny mpiasa izy ho agny amin'ny mpamboly voaloboka hangala ny vokatrany. 35 De nisamborin'ny mpamboly voaloboka ny mpiasany, nivangoiny ny raika, nivoniny ny sanagny de nivalavalainy vato ny sanagny. 36 De mbola, nandefa mpiasa hafa ndreka ny tompon-tany, maro ambonin'ny tamin'ny voalohany, fa de nataon'iary zareo karan'izany my koa. 37 Tafaran'izay, de nagniraka ny zanagny lahitokana tagny amin'ny tompon-tany, nizaka hoe: 'Hagnaja ny zanako iary zareo.' 38 Ka ndreka nahita ny zanagny lahy ny mpamboly voaloboka io, de nifampikoragna iary zareo hoe: 'Ity ny mpandova. Andao, hivonintsena izy de alaintsena ny lova.' 39 Izany ny nahatonga an'iary zareo nanambotra an'azy, natsipy tagnatin'ny tanim-boaloboka sady nivoniny. 40 Ka ndreka avy ny tompon'ny tanim-boaloboka, ino ny hatôny amin'ny mpamboly voaloboka?". 41 Nizaka iary zareo tamin'azy hoe: " Ho aripakany amin'ny fomba mafy be ny olona tsy manjary io, de aveo ampagnofainy amin'ny mpamboly voaloboka hafa ny tanim-boaloboka, olona mba hagnome an'azy ny anjara vokatra amin'ny fotôm-pamokarana." 42 Nizaka tamin'iary zareo Jesôsy hoe: "Tsy mbola no vakinareo mihitsy ma ny Soratra Masina hoe: 'Ny vato nolavin'ny mpagnano tragno no natao vato fehizoro. Avy tamin'ny Tompo izany, ka mahagaga amasontsena'? 43 Ka izany mahatonga Anaha mizaka aminareo, alaina aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra ka hatolotra ny firenena zay magnome vôny. 44 N'iza n'iza ho lavon'io vato io de ho potipotika. Fa zay hilavoany koza de ho torotoro." 45 Ndreka naregny an'izany fagnoharana zany ny leben'ny mpisorona mban'ny Fariseo, de nazava tamin'iary zareo fa makasika an'iary zareo no nokoragnina. 46 Nieritreritra ny hanambotra an'Azy, nefa natahotra ny fokonolona iary zareo, satria neveri'olona fa mpaminany Izy.