Toko faha 22

1 Nagnano fagnoharana tamin'iary zareo Jesôsy, de nizaka hoe: 2 Ny fanjakan'ny Lagnitra de mitovy amin'ny mpanjaka zay nagnomagna fanasana amin'ny fanambadeny zanagny lilahy. 3 Nagniraka ny mpiasany hagnatso zay nahazo fanasana hagnatrika ny fetin'ny fanambadena izy, ka tsy nety tonga iary zareo. 4 Nandefa ny mpiasany hafa ndreka ny mpanjaka, nizaka hoe: zakay ndregny nasaina hoe: "Jerevo, efa vita karakara ny hanina. efa nivonina ny omby amban'ny zanak'omby nafahiko, sady efa vognona ny raha marobe. tongava amin'ny fetin'ny fanambadena."' 5 Nefa tsy niraraha iary zareo fa dila nandea, ny raika namonjy ny fiompiany, ny hafa tamin'ny fivarotany. 6 Ny sanagny nanambotra ny mpiasan'ny mpanjaka, nangala baraka sady namono an'iary zareo. 7 Vingitra ny mpanjaka de nagniraka ny miaramilany, Ka namono ny mpamono olona iary zareo, amban'ny nandoro ny tanànany. 8 Aveo de nizaka tamin'ny mpanompony izy hoe: Efa vognona ny fanambadena, fa zay natsovana no tsy avy(tsy mendrika). 9 Noni zany de mandiana egny amin'ny sampagnan- dalagna de mangatsova olona marobe ndreny hitanareo mba hotonga amin'ny fety nifanambadena. 10 Nandea tegny an-dalambe ny mpiasa de nagnotrika olona marobe ndregny hitany iary zareo, na ny tsara na ny ratsy. Ka de feno vahiny ny efi-tragno lebe nisy ny fanambadena. 11 Ka ndreka niditra ny mpanjaka mba hijaha ny vahiny, de nahita lelihy tsy nagnatao ny akanjo fandao amin'ny izy. 12 De nizaka tamin'azy ny mpanjaka hoe: Ry akamako, ino no idiranao ato tsy miaraka amin'ny fiakanjo fandao amin'ny fanambadena?' Fa tsy nahazaka i lilahy igny. 13 Aveo nizaka tamin'ny mpiasany ny mpanjaka hoe: 'Fatory nitagnany amban'ny tongotrany io lilahy oi ka atsipizo amin'ny mizigna agny ivelany izy, fa agny no misy fitomagniana ambany fikitrohanify. 14 Ka olona marobe natsovana, nefa vitsy no voafidy. 15 aveo nandea ny fariseo de nagnomagna ny fomba mety hamandriana an'i jesôsy amin'izay nozakainy. 16 Aveo de nirahan'iary zareo handea agny ny mpianatra, niaraka tamin'ny Herodiana. Nizaka tamin'ny Jesôsy iary zareo hoe: "Ry mpampinatrô, lalanay fa marina anao, ka mampianatra ny lalan'andriamanitra amin'ny marina. Tsy mandraraha ny hevitry ny hafa Anao, de tsy mizaha vilagna. 17 Nony zany zakay aminay, ino ny hevitr'Anao? Ara-dàla ma ny fagnefan-ketra agny amin'ny Kaisara sa tsia?" 18 Nefa fatatr'i Jesôsy ny faharatseny ka nizaka hoe: "Magnino na mitsapa Anaha anareo, ry mpiatsaravelatsihy? 19 Atoroy Anaha ny vola amin'ny hetra." Aveo nitondra denaria tamin'Azy iary zareo. 20 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "an'iza ny sary amban'ny agnarana ity?" 21 Nizaka tamin'Azy iary zareo hoe: "An'iKaisara." Aveo Jesôsy nizaka an'iary zareo hoe: "Ameo an'i Kaisara zay an'i Kaisara, de an'Andriamanitra zay an'Andriamanitra." 22 Ndreka naregny an'zany iary zareo, de gaga. De nenga teo iary zareo ka de nandea. 23 Tamin'ny andro io my ny Sadoseo sanagny, de nizaka fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, ka nagnatogna an'Azy. De nagnotany an'Azy iary zareo 24 nizaka hoe: "Ry mpampianatra, Mosesy nizaka hoe: 'Na maty ny olona, tsy manan-janaka, de tokony hanambady ny vadin'ny ny ampiralay amin'azy ka hanan-janaka ho an'ny ralainy. 25 Nisy ampiralahy fito. Nanambady ny vôlohany de maty aveo. Maty tsy niteraka, ka napetrany ho an'ny ralainy ny vadiny. 26 De nagnano kara an'izany my koa ny faharoy, de mbola kara an'zany my fahatelo, karan'zany fezay ziska tamin'ny fahafito. 27 Tafaran'izy marobe reo, de maty i viavy igny. 28 Ka amin'ny fitsanganan'ny amin'ny maty, ho vadin'iza aminazy fito miralay izy? Satria efa samby vadiny aby zareo marobe io." 29 Namaly Jesôsy de nizaka an'iary zareo hoe: "Diso anareo, satria tsy nafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty de tsy hanambady iary zareo no tsy omena ampakarina. Nefa koja mitovy amin'ny anjely agny an-danitra. 31 Fa momba ny fitsanganana amin'ny maty, ka mbola tsy novakianareo ma zay nozakain'Anandriamanitra taminareo, nagnano hoe: 32 'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, amban'ny Andriamanitr'i Jakoba'? Fa Andriamatra de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velogna." 33 Ndreka naregny an'zany ny fokonolona, de varena tamin'ny fampianarany. 34 Ka ndreka regnin'ny Fariseo ny nampanginan'i Jesôsy an'ny sadoseo, de nitambatra raika iary zareo. 35 Ny raika tamin'iary zareo de mpahay lalàna, nametraka fagnotanena tamin'Azy hoe: 36 "Ry mpampianatra, ino no lebe indrindra amin'ny didy ao amin'ny lalàna?" 37 Nizaka tamin'Azy Jesôsy hoe: "Tiavo amin'ny fonareo amban'ny fagnahinareo de amin'ny saignareo manotolo ny Tompo Andriamanitrareo.' 38 Zany no didy lebe sady voalohany. 39 Ka ny didy faharoy de karan'zany my: 'Tiavo ny mpiara-monigna aminaro kara ny tegnanareo.' 40 Amin'ny didy roy io no iankinan'ny lalàna marobe amban'ny mpaminagny." 41 De na mbola nitambatra raika ny fariseo, de nametraka fagnontaniana tamin'iary zareo Jesôsy. 42 Nizaka Izy hoe: "Ino no eritreritranareo momba an'i Kristy? Zanaka lilahin'iza Izy? Namaly an'Azy iary zareo hoe: "zanak'i Davida." 43 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo: Nagnino arka Davida mipetraka amin'ny fanahy no magnatso an'Azy hoe Tompo, 44 Ny Tompo nizaka tamin'ny Tompoko hoe: "mitomera amin'ny tagnan-kavanako, mandra-pagnamboarako ny fahavalonao ho fitoeran-kongotrao?' 45 Na Davida aza magnatso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' de ino no maha-zanak'i Davida an'Azy?" 46 Tsisy navaly an'Azy tamin'ny zakany, de tsisy olona nasahy nametraka fagnotane hafa koa nanomboka tamin'io andro io.