Toko faha 20

1 Fa ny fanjakan’ny lanitra de karan'ny tompon-tany nandeha vô mandraigna be hampikarama mpiasa amin’ny tanim-boalobokany. 2 Ndreka avy nifagnaraka tamin’ny mpiasa izy fa ho denaria raika isan’andro ny karaman’iary zareo, de nalefany tamin’ny tani-boalobakany iary zareo. 3 Ndreka nivoaka izy tamin’ny lera fahatelo de nahita mpiasa nijorojoro tabazary. 4 De nizaka tamin’iary zareo izy hoe :" Anareo koa, mandiana agny amin’ny tanim-boaloboka, de zegny an-keviny marina de omeko anareo ." De nandeha niasa iary zareo. 5 Mbola nivoaka ndreka izy tokony tamin’ny enina de tamin’ny sivy, de nagnano karan’izany my. 6 Tamin’ny raika ambin’ny folo de nivôka ndreka izy ka nahita mpiasa hafa nipetrapetra-potsiny. De nizaka izy tamin’iary zareo hoe : 'Nagnino anareo na mipetra-potsiny eto magnalin'andro?' 7 De nizaka taminazy iary zareo hoe: 'Tsisy olona mampikarama anay.' De nizaka tamin’iary zareo ndreka izy hoe : ‘Anareo my koa, mandiana agny amin’ny tanim-boaloboka.' 8 Ndreka alina ny andro, de nizaka tamin’ny tompon'andraikitra ny tompon’ny tanim-boaloboka hoe : 'Angizo ny mpiasa de aloavy ny karaman’iary zareo, manomboka avy amin’ny farany mandeha amin’ny voalohany.’ 9 Ndreka tonga ny mpiasa zegny nalaina tamin’ny raika ambiny folo, de nahazo denaria raika tsitokatokana aby iary zareo. 10 Ndreka tonga ny mpiasa voalohany, de nagnantegna fa ahazo ambony iary zareo, nefa iary zareo koa de nahazo denaria raika tsitokatokana aby. 11 Ndreka nahazo ny karamany iary zareo, de nitaraigna tamin’ny tompon-tany iary zareo. 12 De nizaka iary zareo hoe : 'Ny mpiasa farany io de niasa adin’ny raika fotsiny, nefa de nampitovinao taminay iary zareo, izahay ndreny niaritra ny vesatra nagnalin'andro sady niharitra tanign'andro.' 13 Fa namaly ny tompon-tany de nizaka tamin’ny raika tamin’iary zareo hoe: ‘ Tsy magnano zegny tsy mety aminao aho. Tsy denaria raika ma nifagnarahanao taminaha ? 14 Alay zegny anao de zory lalagnanao. Izaho de nifidy ny hagnome an’ny mpiasa nikaramaina farany kara ny nenao igny my. 15 Tsy managna zo hagnano an'izay teko amin'ny rahako ma izaho an ? Sa mialogna anareo satria malala-tagnana aho?’ 16 Ka ny farany de ho voalohany, de ny voalohany ho farany. [Fagnamarihana : Ny dikan-teny taloha tena tsara de ny mangala ny hoe: "Maro no nantsovana fa vitsy no voafidy."] 17 Ndreka handeha ho agny Jerosalema Jesôsy, de nangala ny roy ambin’ny folo tagnilany Izy, de tan-dalagna tegny Izy nizaka tamin’iary zareo hoe : 18 " Andao fa, hiakatra ho agny Jerosalema antsena, sady ny Zanak’Olona de hatolotra ny lohan’ny mpisorona mban’ny mpanora-dalàna. Iary zareo de hagnameloka an’Azy ho faty 19 sady hanolotra an’Azy amin’ny Jentilisa mba homehezana, hovangoina, sady hamantsihana an’Azy amin’ny hajofijalena. Fa ndreka avy ny andro fahatelo de hitsangana ndreka Izy. » 20 Aveo de nagnatogna an’i Jasôsy endrin-janaka lahin'i Zebedio niaraka tamin’ny zanagny lilahy. Nandohalika tagnatrehany izy sady nangataka raha avy amin’Azy. 21 De nizaka Jesôsy tamin’azy hoe : "Ino raha irinao?" Nizaka izy tamin'Azy hoe: "Mandidia mba hahezany zanako roy lahy tôgny mipetraka, ny raika amin’ny tagnanao ankavanana de ny raika amin’ny tagnanao ankavia, ao amin’ny fanjakanao." 22 De namaly Jesôsy ka nizaka hoe : "Tsy fantatrareo ny raha angatahinareo. Afaka hinagna amin'ny kapoaka zay ho aniko ma anareo ?" Namaly iary zareo hoe : « Afaka arô zahay .» 23 De nizaka Izy tamin’iary zareo hoe : "Ihinagna ny kapoakako tokôtra ma anareo? Fa ny hitometra amin’ny tagnako ankavanana sy amin’ny tagnako ankavia de tsy anjarako ndreka igny, fa an’ny zegny efa nomagnin'Iabako." 24 Ndreka naregny an’igny ny mpianatra folo lahy hafa, de vignitra be tamin’azy mirahalahy. 25 Ka nagnantso an’iary zareo Jesôsy hagnantogna an’Azy de nizaka hoe : « Fantanareo fa ny mpanapaka ny Jentilisa de hampijaly an’iary zareo, de ny lilay manankaja amin’iary zareo de hagnampatra ny fahefany amin’iary zareo. 26 Fa tsy tokony ho karan’izany ny aminareo. Fa mifanohitra amin’izany, n'iza n'iza magniry hanjary ho lebe aminareo de tsy mentsy ho mpiasanareo, 27 ka n'iza n'iza magniry ho voalohany aminareo de tsy mentsy ho mpiasanareo, 28 karan'ny Zanak’Olona tsy tonga ho mpampiasa, fa ho mpiasa, sady hagnome ny tegnany mba ho vidim-pagnavotana ho an’ny maro." 29 Ndreka nivôka avy tagny Jeriko iary zareo, de fokonolona maro nagnaraka an’Azy. 30 Nisy lilay jamba roy nitometra tamoron-dalana. Ndreka naregny fa nandalo i Jesôsy , de nihoaika mafibe iary zareo hoe: "Tompo, zanak’i Davida, mamindra fo aminay." 31 Nitrerogniny fokonolona iary zareo mba tsy hizaka, kanefa de vômeka nagnantsognantso mafy hoe : "Tompo, zanak’i Davida, mamindrà fo aminay." 32 Aveo de nijanogna Jesôsy sady nagnantso an’iary zareo de nizaka hoe : "Ino ma raha tenareo hataoko aminareo ?" 33 De namaly iary zareo tamin’Azy hoe : "Tompo, mba hampahiratra ny masonay ." 34 Aveo Jesôsy, nalahelo, de nikasika ny mason’iary zareo. Teo no ho eo de nahita iary zareo ka nagnaraka an’Azy.