Toko faha 19

1 Ndreka avy nitory teny Jesôsy, negna tagny Galilia Izy, de nandea tagny amin'ny faritr'i Jodia tagnilany tegnaranon'ny Jordana. 2 Fokonolona maro no nagnaraka an'Azy, ka nagnafaka an'iary zareo tagny Izy. 3 Nagnatogna an'iary zareo ny fariseo, nagnala fagnay an'Azy, de nizaka tamin'Azy hoe: "Mety amin'ny lilay ma ny misara-bady noho zay mety antony maro mahatonga an'zany?" 4 Jesôsy namaly ka nizaka hoe: "Tsy nivakinareo ma fa Izy zay nagnano an'iary zareo tamin'ny vôlohany de nagnano an'iary zareo ho lay sy vavy? 5 Izy Zay nagnano an'iary zareo de nizaka my koa hoe: 'Fa nony antony zany de hiala an' iabany sy endriny ny lilay ka hiaraka amin'ny vadiny, de hanjary vatagna raika izy roy?' 6 Ka tsy ho roy koa iary zareo, fa ho vatagna raika. Ka zay nakamban'Andriamanitra, aoka tsy hisy hagnasaraka." 7 Nizaka iary zareo tamin'Azy hoe: "Nagnino zany Mosesy na mandidy anay hagnome taratasy fagnamarinam-pisarahana de aveo hagnerigna an'azy?" 8 Nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Fa Nony anareo tsy laitra anarina no nagnabelan'i Mosesy anareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny vôlohany de tsisy fomba kara an'zany. 9 Zakaiko aminareo, niza niza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fampirafesana, ka manambady hafa, de magnitsakitsa-bady; fa ny lilay manambady viavy zay efa nisara-bady de mampirafy." 10 Ny mpianatra nizaka tamin'i Jesôsy hoe: "Na zany ny toetran'ny lilay amin'ny vadiny, de aleo tsy manambady." 11 Fa Jesôsy nizaka tamin'iary zareo hoe: "Tsy ny olona marobe no afaka agneky an'zany fampianarana zany, fa iregny zay navela hagneky an'zany my. 12 Fa misy ny efa nipetraka kara an'zany hatrany an-kibony endriny iary zareo, de misy inoka zay nataon'olombelona, de misy iregny ionoka zay magnano ny tegnan'iary zareo ho ionoka nohon'ny fanjakan'ny lanitra. Izy zay afaka mandray an'zany fampianarana zany, aoka izy handray an'zany." 13 Aveo nisy za-madinika sanagny nandao tamin'Azy mba hametrahany tàgnana amin'iary zareo de hivavaka, fa nizakain'ny mpianatra mafy iary zareo. 14 Fa nizaka Jesôsy hoe: "Avelay ny zaza agnatogna anaha, fa aza raràna, satria ny fanjakan'ny lanitra de mitovy amin'iary zareo." 15 Napetragny tamin'ny zaza ny tagnany, de aveo nandea Izy. 16 Igny, nisy lilay nagnatogna an'i Jesôsy de nizaka hoe: "Mpampianatra ô!, Ino raha tsara tsy mentsy ataoko mba hazahoako fiaignana mandrakizay?" 17 Jesôsy nizaka tamin'azy hoe: "Nagnino anao na magnontany mikasikan'zay tsara aty amina? Raika my no tsara, fa nah te-hiditra agny amin'ny fiaignana anao, de tandremo ny didy io." 18 Nizaka i lilay igny tamin'Azy hoe: "Didy ino?"De nizaka Jesôsy hoe: "Aza mamono olona, aza mampirafy, aza mangalatra, aza mety vavolombelona mametsy, 19 hajay iabanao sy endrinao, de tiavo ny mpiara-miagna aminao kara ny tegnanao." 20 I zaza lilay igny nizaka hoe: "Efa nitanteraiko aby ny raha marobe zany. Ino mbola ataoko?" 21 Jesôsy nizaka tamin'azy hoe: "Nah magniry ho tanteraka anao, de mandiana, amidio zay anagnanao, de omeo ny sahirana, fa hanagna harena agny an-danitra anao; de avia, magnaraha anaha." 22 Fa ndreka naregny zay nizakain'i Jesôsy i zaza lilay igny, de nandea tamin'ny alahelo izy, satria nanagna fanagnana marobe. 23 Nizaka Jesôsy tamin'ny mpianatra hoe: "Zakaiko marina aminareo, sarotra amin'ny mpanakarena ny hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 24 De mbola zakaiko aminareo ndreka, mora amin'ny rameva ny miditra ny miditra amin'ny vodina filo noho ny idiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." 25 Ndreka naregny an'zany ny mpianatra, de talanjogna tegnany ka nizaka hoe: "Iza arika zany no afaka ho vonjena?" 26 Nijery an'iary zareo Jesôsy ka nizaka hoe: "Amin'olona de tsy hay atao zany, fa amin'Andriamanitra ny raha marobe de azo atao." 27 Aveo Petera namaly de nizaka hoe: "Io, navelanay ny raha marobe de nagnaraka anao zahay. Ino arika no ho azonay?" 28 Jesôsy nizaka an'iary zareo hoe: "Zakaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potôna vaovao ndreka mipetraka eo amin'ny voninahitrany ny Zanak'olona, de hipetraka amin'ny seza fiandrianana roy ambin'ny folo my koa anareo zay nagnaraka anaha, hitsara an'iregny foko roy ambin'ny folon'Israely. 29 Ny olona marobe zay nahafoy tragno, rahalay, anabavy, iaba, endry, zanaka, na tany nohon'ny agnarako, de handray tombony in-jato sady handova fiaignana mandrakizay. 30 Fa maro iregny zay vôlohany hanjary farany, de ny farany ho vôlohany.