Galatiana Toko Faha 5

1 Ho amin'ny fahafahana no nagnafahan'i Kristy antsena. Mioregna tsara, noho izany, aza magneky ho ambanin'ny ziogan'ny fagnandevozana ndreka. 2 Fa izao izaho, Paoly, mizaka aminareo fa na avelanareo ny tegnanareo ho foraina, de tsy hahasoanareo amin'ny raha marobe Kristy. 3 Mijoro vavolombelona amin'ny olona tsy tokatokana zegny mambela ny tegnany ho voafora ndreka aho fa vôtery hagnaraka ny lalàna marobe izy. 4 Tafasaraka tamin'i Kristy anareo, zegny te ho hamariignina amin'ny lalàna, sady tsy miaigna fahasoavana ko anareo. 5 Amin'ny alalan'ny Fagnahy, amin'ny finôna, no handigniasantsena fatratra ny fagnantegnana ny fahamarinana. 6 Amin'ny Kristy Jesôsy de tsy misika ino amin'ino na voafora na tsy voafora, fa ny finôna miasa amin'ny fitiavana my. 7 Fa mihazakazaka tsara anareo. Ka iza nanakana anareo amin'ny fanakatovana ny marina? 8 Ny fandresen-dahatra io de tsy avy amin'ny zegny nagnantso anreo mihitsy. 9 10 Lalivay bitaka fotsiny de mampitombo koba marobe. Fa matoky ny Tompo aho fa fomba fijerevana hafa anareo. Fa ndregny mampikorotagna anareo no hagnefa sazy, ndre iza ndre iza. 11 Ry rahalahy, na de mbola mitory ny amin'ny famorana aho, nagnino arika aho mbola anjahina? Amin'izany de ho afaka tegnany ny fahatafintohinan'ny hazofijalena. 12 Ndregny mangakorontana anareo de engan anie hanapaka ny tegnany ary zareo! 13 Tamin'ny fahafahana nagnatsovana anareo, rahalahy nefa de aza ampesaina amin'ny kendritohina ny tenga izany fa ndreka amin'ny fitiavana koja, de mifanompoa. 14 Fa ny lalana maro be de tanteraka amin'ny didy tokana de hoe: "Tsy mentsy mitia ny akamanao karan'ny ny tegnanao anao". 15 Fa na mifagnekitra sady mifampihinagna anareo, de mitandrema sô de hifandringana. 16 Fa hoy izaho, mandiana amin'ny Fanahy fezay de tsy hotanterakanareo zegny filan'ny nofo. 17 Fa manohitra ny Fanahy ny filan'ny nofo, sady manohitra ny filan'ny nofo ny fagnirian'ny Fanahy. Fa mifanohitra iary zareo, mba tsy ahafahahanareo magnano zegny tenareo atao. 18 Fa na tarihin'ny Fanahy anareo de tsy ho ambanin'ny lalàna. 19 F amin'izao de miharihary ny asan'ny filan'ny nofo: fampirafesana, fahalotôna, fijejojejôna, 20 fanompoan-tsampy, famosavena, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, havignirana, fifandrafena, fisaraham-bazagna, fizarazarana, 21 felognana, hamamôna, fagnakorotagnana, miaraka amin'ny raha mitovy amin'izany. Mampitandrina anareo izaho, karan'ny efa nampitandremako anareo taloha, fa ts handova ny fanjakan'Andriamanitra zegny magnano an'izany. 22 Fa ny vokatry ny Fanahy de fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, fahatsaram-pagnahy, fanaovan-tsara, finoana, 23 fahalemam-panahy mbàn ny fahafeheza-tegna, tsisy lalàna manohitra ny raha karan'izany. 24 Zegny an'i Kristy Jesôsy de efa nagnary ny toetra feno fahotana niaraka tamin'ny fahafinaretany mbàn'ny filany. 25 Ndreka miaigna amin'ny Fanahy antsena, de tokony handeha amin'ny Fanahy my koa. 26 Aoka antsena mba tsy hanjary mpirehareha, mifandringitra, sady mifampialogna.