Galatiana Toko Faha 4

1 Izaho de mizaka fa ny mpandova, na mbola zaza izy, de tsisy hafa amin'ny andevo, na de tompon'ny raha marobe aza. 2 Nefa izy de ambany fifehezan'ny mpiambigna mbàn'ny mpitahiry raha lafo vidy mandra) pahatongavan'ny daty napetrakan'ny iabany. 3 Karan'izany my koa, tamintsena mbola zaza, de nandevon'ny lalàna fitsipikan'ny fianaran'izao tontolo izao. 4 Ndreka feno fotoana, de nandefa ny Zanagny Andriamanitra, zay nateraka viavy, nateraka tambanin'ny lalàna. 5 Nagnano an'izany Izy nagnavotana an'ny zegny ambanin'ny lalàna, mba hahafahantsena mandray ny fanganana ho zanaka. 6 Azony hoe zanaka anareo, de nagniraka ny Fanahin'ny Zanagny am-pontsena Andriamanitra, sady magnantso hoe: "Aba, Ray". 7 Izany ny mahatonga anareo tsy andevo koa, fa zanaka; fa na zanaka, de mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra my koa anao. 8 Fa tamin'ny fotoana zany, tamin'ny mbola tsy nahalala an'Andriamanitra, de andevozon'ny zegny, amin'ny hery vôjanahary, de tsy Andriamanitra velively. 9 Fa amin'izao anareo de nanjery nahalala an'Andriamanitra, na koa hoe fantan'Andriamanitra anareo, ka akory ny hiveregnanareo amin'ny abidim-penarana malemy sady tsisy deikany? Sa te ho andevozina ndreka anareo? 10 Mieritreritra ny andro de ny volana mbàn'ny vanim-potôna mbàn'ny taona anareo! 11 Mangoaigna aminareo aho fa sô de very maigna ny asako taminareo. 12 Mengavy anareo aho, ry rahalahy, magnamboara kara anaha, satri izaho koa de efa nanjary kara anareo. Tsy nagnano ratsy taminaha anareo. 13 Nefa de fantanareo fa avy amin'ny aretim-batagnako no nagnambarako tamibareo ny filazantsara tam-bôlohany. 14 Ndre de nitondra anareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batagnako, de nagnano tsisy dikany na nagnilikilika anaha anareo. Fa nandray anaha karan'ny anjelin'Andriamanitra koza anareo karan'ny hoe izaho mihitsy no Kristy Jesôsy. 15 Aza arika, na izany, ny fahasoavanareo amin'izao? Fa mijoro vavolombelona aminareo aho fa, na mety aminareo, de nendahinareo ny masonareo sady nomenareo anaha izany. 16 Raha izany, efa nanjary fahavalonareo aho satria mizaka ny marina aminareo? 17 Iary zareo de mazoto ny hitondra anareo, fa tsy amin'ny tsara. te hagnidy anareo ambelagny agny iary zareo, mba hanagnanareo zotom-po ho an'iary zareo io. 18 Tsara fezay ny managna zotom-po amin'ny tanjogna tsara, na de ndre tsy miaraka aminareo my aho. 19 A zanako, mbola mijaly amin'ny fararen'ny fiterahana ho anareo ndreka aho mandra-piforognan'ny Kristy ao aminareo. 20 Mba magniry ho tafaraka aminareo aho gniany sady hagnova ny feoko, satria sahiran-tsaigna noho ny aminareo. 21 Zakay aminaha, anareo ndregny magniry ho ambanin'ny lalàna, ka tsy miteno ny lalàna ma anareo a? 22 Satria voasoratra fa i Abrahama de nanan-janaka roy lahy, ny raika avy amin'ny andevo viavy de ny raika avy amin'ny viavy afaka. 23 Fa raika de ny andevo viavy niteraka an'azy ara-nofo, fa ny raika hafa ndreka de naterakan'ny viavy tamin'ny zakan'ny fampagnantegnana. 24 Ny raha io de azo alaina karan'ny fagnoharan, satria ny viavy io de magnambara fagnekena roy. Ny raika amin'iary zareo de avy amin'ny tendromohitran'i Sinay sady niteraka zaza andevo izy. Izy io de i Hagara. 25 De i Hagara de mampiseho ny tendromohitran'i Sinay agny Arabia; sady mampiseho an'ny Jerosalema amin'ny fotôna izao, tratriny nandevozina niaraka tamin'iary zareo zanagny izy. 26 Fa Jerosalema zegny ambony de afaka, sady izy no endrintsena. 27 Satria voasoratra hoe: "Mifalea, zegny momba tsy miteraka. Magnantsognantsova mafy sady mihorakoraha ampifalena, zegny amin'ny fanaintaignanan'ny fiterahana. Satria ny zanaka ny viavy zegny nafoy de maro raha mitaha amin'ny an'ny viavy manambady. 28 Fa anareo, ry rahalahy, kara an'i Isaka, de zanaka ny fampagnantegnana. 29 Tamin'izany ny olona zegny teraka ara-nofo de magnànjaka an'ny zegny teraka araka ny Fanahy. Karan'izany my ny amin'izao. 30 Nefa de ino nizakain'ny soratra masina? "Alefay agny ny andevo viavy mbàn'ny zanagny lilahy. Fa ny zazalilahin'ny andevo viavy de tsy hizara lova amin'ny zazalilahin'ny viavy afaka." 31 Noho izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevo viavy antsena, fa zanaka ny viavy afaka.