Galatiana Toko Faha 3

1 Eh Galatiana foka! zovy nagnosavy anareo? Tamasonareo mihitsy no nagnatoroana an'i Jesôsy Kristy voafantsika. 2 Io my ny raha teko enarana aminareo: nahazo ny Fanahy avy amin'ny asan'ny lalàna sa avy tamin'ny finôna zgny regninareo anareo? 3 Foka tegnany ma anareo? Netomboka tamin'ny Fragnahy anareo, de hifaragna amin'ny nofo amin'izao? 4 Anareo ma zany ka niharitra raha maro tamin'ny tsisy dikany_ fa na tsisy antony tegnany arika izany? 5 Izy ma ka magnome Fagnahy anareo sady magnano asa mahagaga aminareo de magnano an'izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fitnoana amin'ny finôna? 6 Karan'i Abrahama "nin an'Andriamanitra sady nisaina ho fahamarinana izany," 7 de karan'izany, fantaro, fa zegny amin'ny finôna de zanak'i Abrahama. 8 Ny Soratra Masina, de naita meloha fa Andriamanitra hagnamarina an'ny iary zareo Jentilisa amin'ny finôna, de nitory ny filazantsara talohan'ny Abrahama, de nizaka hoe: "Avy aminao no hitahiana ny firenena marobe." 9 Ka, zegny amin'ny finôna de vôtahy miaraka amin'ni Abrahama, ny olona ny finôna. 10 Ndregny miankina amin'ny asan'ny lalàna de voaozogna; fa voasoratra hoe: " voaozogna zegny tsy magneky ny raha marobe vôsoratra agnatin'ny bokin'ny lalàna, sady magnano an'io." 11 Amin'izao de mazava tsara fa tsisy olona hamarignina anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny olona de ho velona amin'ny finôna. 12 Fa ny lalàna de tsy magnaraka ny finôna, nefa koza, "Ny olona zegny magnano ny asan'ny lalàna de tsy mentsy velona amin'io." 13 Kristy nagnavotra antsena tamin'ny ozognan'ny lalàna tamin'ny neven'ny ozogna ho antsena fa vôsoratra oe: " Voaozogna zegny mihantogna amin'ny kakazo"_ 14 mba ho avy amin'ny Jentilisa ny fitahian'Abrahama ami'ny Kristy Jesôsy, mba ho amin'ny finôna azahoantsena fampagnategnanan'ny Fagnahy. 15 Ry rahalahy, avelay aho hizaka mitovy amin'ny fanihin'olona. Amin'ny fifagnarahana ataon'ny olona, tsisy afaka mamôagna na magnampy zegny ao, ndreka tafapetrakan'ny lalàna izany. 16 Sady ny fampagnategnana de nizakain'i Abrahama niaraka tamin'ny taranagnya. Tsy midika izany hoe: " ho an'ny taranaka," manondro olona maro, fa koza raika my, " ho an'ny taranakanao," de i Kristy. 17 Sady izao no teko zakaina: " Ny lalàna, tonga telo-polo sy efa-zato taona tafara taty, de hahafôgna ny fanekena zegny efa napetrakan'Andriamanitra taloha. 18 Fa na avy amin'ny lalàna ny lova, de tsy avy amin'ny fampagnantegna koa izany. Fa Andriamanitra nagnome an'izany an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnantegnana. 19 Ino arika izany taonjognan'ny lalàna? Napetrakan'izany tratrin'ny fandikan-dalàna, mandra-peven'ny taranak'i Abrahama amin'n zegny nagnamboarana fampagnategnana. Ny lalàna de nataon'ny mpagnalalana raika ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20 Fa ny mpagnalalana de midika ambonin'ny raika, kanefa Andriamanitra de raika my. 21 Ny lalàna ma ka manohitra ny fampagnategnan'Andriamanitra? Sagnatria izany! Fa na misy lalàna nomena an'ny zegny afaka magnome fiaignana, de avy tamin'ny lalàna tegnany ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina magnadra ny raha marobe ho ambanin'ny fahotana. Nagnano an'izany Anriamanitra mba hagnomezana an'ny ndregny mino ny fampagnantegnana hagnavotana antsena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy. 23 Sady talohan'ny nahatongavan'ny finôna, antsena de nitàna ho babo tambanin'ny lalàna, nigadraina mandra-pivoahan'ny finôna. 24 Ka aveon'igny ny lalàna de nanjary mpiambigna antsena nandra-peven'ny Kristy, mba ho vômarina amin'ny finôna antsena. 25 Fa amin'izao de efa tonga finôna zany, ka tsy ambanin'ny mpiambigna koa antsena. 26 Fa anareo marobe de zanak'Andriamanitra amin'ny finôna an'i Kristy Jesôsy. 27 Fmaro aminareo ndregny natao batisa tamin'ny Kristy, de nandray an'i Kristy. 28 Sady tsisy Jiosy koa na Grika, na andevo na olon-kafa, na lilahy na viavy, fa raika my anareo amin'ny Kristy. 29 Ka na an'i Kristy anareo, de taranak'i Abrahama, sady mpandova magnaraka ny fampagnantegnana anareo.