Galatiana Toko Faha 6

Ry rahalay, na misy olona nanonta, de ianareo zegny amin'ny Fanahy no tokony agnerigna an'azy ndreka amin'ny fahamarinana. Hevero ny tegnanao, mba tsy alaim-pagnay koa anao. 2 Mifampitondrà zegny mavesatra, amin'izany de tanterao ny lalànan'i Kristy. Na misy olona mievitra ny tegnany mavita raha nefa tsinotsino, de mamitaka ny tegnany izy. 4 Tokony andinika ny ataony aby ny tsirai-draika, mba ho an'ny tegnany my no ireareany fa tsy amin'olon-kafa. 5 De samy hitondra ny entagnany aby ny olona tsirai-draika 6 Ny olona zegny nampianarina ny teny de tsy mentsy magnome raha tsara amin'ny zegny nampianatra. 7 Aza magneky fitaina. Andriamanitra tsy azo fokafokaina zany, fa zegny afafin'ny olona my no jinjainy. Ho an'ny zegny mamafy voa amin'ny toetra feno fahotana, de amin'izany my no hijinjany fahapoteana. 8 Zeny mamafy amin'ny Fanahy, de handray fiaignana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Aoka mba tsy ho ketraka amin'ny fagnamboarana ny tsara antsena, fa hahazo vokatra my indraika andro any, ndreka tsy ketraka. 10 Satria managna fahafahana atsena, de aoka mba hagnano tsara amin'olona aby, indrindra amin'ny mpiara-mivavaka. 11 Mba jerevo ny agnoasan'ny soratra nosoratan'ny tagnako ho anareo. 12 Zegny te hiseo ho tsara amin'ny tegna de manery anareo mba ho voafoara. Ataon'iary zareo izany mba hengana amin'ny fagnenjena noho ny amin'ny azofijalian'i kristy. 13 Ka de zegny tsy voafora aza de tsy magnaraka ny lalàna, nefa de ten'iary zareo hoforaina anareo mba hireharehan'iary zareo amin'ny tegnanareo. 14 Kanefa de tsy hirearea na ovena na ovena aho raha tsy amin' ny hazofijalen'i Jesôsy Kristy Tompontsika, izay nanomboana an'izao tontolo izao, ka na izaho koa de mba teo amin'izao tontolo izao. 15 Fa na voafora na tsy voafora de samy tsisy dikany fa ny fiaignam-baovao no tena misy dikany. 16 Fa ho an'izay rehetra miaigna amin'io fomba io, de ho amin'iary zareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po,na amin'Israelin'Andriamanitara aza. 17 Manomboka amin'izao de aoka tsy hisy hagnafoka anaha, fa mitondra ny marikan'i Jesôsy io amin'ny vatagnako aho. 18 Ho amin'ny fagnainareo anie ny fatsaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, ry rahalay. Amena.