Toko faha 4

1 Farany, ry rahalay, mampahery sy magnanatra anareo zahay ao amin'ny Tompo Jesôsy. Ndreka nahazo an'iregny fampianarana avy aminay anareo araka ny fomba tsy mentsy handehananareo sady hamalifalianareo an' Andriamanitra, ny amin'io làlana andehananareo my koa, de mba agnamboaranareo mihôtra noho zany. 2 Fa anareo de mahafantatra ny fampianarana zay nomenay anareo tamin'ny alalan'i Jesôsy Tompo. 3 Fa zao ny sitrapon'Andriamanitra, de ny hagnamasinana anareo, mba hegnanareo amin'ny fampirafesana, 4 zay ahafantaran'ny tsirai-draika avy aminareo ny fomba azaona ny fanakiny ny tegnany ao amin'ny fahamasinana sy voninahitra, 5 tsy amin'ny filan-dratsy (kara an' iregny Jentilisa zay tsy mahalala an'Andriamanitra). 6 Aoka tsy olona hampitovy na hagnaratsy ny rahalainy amin'zany. Fa ny Tompo no mamaly amin'zany raha marobe zany, ôtra ny nampitandremanay mialoha sady nijoroanay vavolombelona taminareo. 7 Fa Andriamanitra tsy nagnatso anay amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. 8 Noho zany, zay tsy magneky an'zany de tsy mandà olona, fa Andriamanitra, zay nagnome ny Fanahy Masina ho anareo. 9 Momban'ny fifankatiavan'ny mpirahalay, tsy ilanareo olon-kafa ny hanoratra an'zany ho anareo, fa ny tegnanareo de nampian'Andriamanitra mba hifankatia. 10 Ataonareo tegnany zany, ho an'iregny rahalay marobe zay eragn'i Makedonia. Fa zahay de magnanatra anareo, ry rahalay, mba hagnano mihoatra. 11 Magnanatra anareo my koa zahay mba hagnandrana hiaigna am-pilaminana, hisaigna ny asanareo manokana, sady hiasa ny tàgnanareo manokana, kara ny nandidiany anareo, 12 mba hanagnanareo fitondran-tegna tsara eo agnatrehan'iregny tsy mino sady tsy hanagna raha mampanahirana. 13 Fa tsy tenay tsy ho fantatrareo, ry rahalay, ny mikasika an'iary zareo efa maty, mba tsy hampalahelo anareo ôtra ny sanagny zay tsy managna fagnantenana amin'ny ho avy. 14 Fa ndreka mino atsena fa Jesôsy de maty ka velona ndreka, de kara zany no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesôsy iregny zay efa maty tamin'azy. 15 Fa zao no zakainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo, fa atsena zay velona, zay sisa tavela amin'ny fihaven'ny Tompo, de tsy hialoha làlana iregny zay efa maty. 16 Fa ny tegnan'ny Tompo no hijotso avy agny an-dagnitra. Ho tonga miaraka amin'ny feo mafy be Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, sady miaraka amin'ny trômpetra an'Andriamanitra, ka ny maty ao amin'ny Kristy no hitsangana voalohany. 17 Aviteo atsena zay velona, zay sisa tafapetraka, hiaraka hiakatra amin'iregny egny amin'ny rahogna ka hifankahita amin'ny Tompo egny amin'ny habakabaka. Amin'ny zany de hiaraka ny Tompo mandrakizay atsena. 18 Noho zany, mifampahereza amin'zany teny zany.