Toko faha 5

1 Amizao mikasika ireo fotôna mbamin'ny vanim-potôna, ry rahalay, tsy miharagna na ino na ino voasoratra ho anareo ianareo. 2 Fa ny tegnanareo mahalala tsara fa ny andron'ny Tompo de ho avy ôtra ny mpangalatra amin'ny alina. 3 Ndreka mizaka iary zareo hoe: "Miadana sady milamina," de fahapotehana tampoka no ho avy amin'iary zareo. Ho kara ny ny fahararian'ny viavy bevohoka ndreka miteraka zany. Tsy afaka milefa mihitsy iary zareo 4 Fa anareo, ry rahalay, de tsy agnatiny haizigna ka hagnatratra anareo tampoka kara ny mpangalatra amin'ny atoandro zany. 5 Fa anareo ndreka de zanaky ny mazava sy zanaky ny atoandro. 6 Noho ny zany, andao atsena tsy hoandry kara ny famboarin'ny sanagny. Fa atsena koja, aoka hitandrina sy hamehy tegna. 7 Fa iary zareo zay mandry de magnano an'zany amin'ny alina, ka iary zareo mamo de magnano an'zany my koa amin'ny alina. 8 Fa na mbola an'ny atoandro atsena, de tsy mentsy mahafehy tegna sady misikina finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra, ka ny antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsena. 9 Fa Andriamanitra tsy nanokana antsena ho amin'ny fahavignirana, fa mba hazaoana famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy Tompontsika. 10 Izy efa maty ho antsena, na mifoa atsena na mandry, de afaka miaraka miaigna amin'Azy. 11 Ka amin'zany mifampionona sy mifampahereza anareo, kara ny efa nataonareo. 12 Mangataka aminareo zahay, ry rahalay, mba hagnekenareo zay misahirana aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo sady magnanatra anareo. 13 Magnataka aminareo my koa zahay mba hagnaja an'iary zareo am-pitiavana naho ny asan'iary zareo. mihavàna amin'ny tegnanareo. 14 Magnanatra anareo zahay, ry rahalay: ampitandremo ny fikorontagnana, hampaherezo iregny ketraka, ampeo ny malemy, mahareta amin'ny raha marobe. 15 Tsisy olona mamaly ratsy ny ratsy na amin'iza na amin'iza. Fa koja, miaragna zay tsara ho an'ny tsirai-draika sady ho an'ny marobe. 16 Mifalia fehizay. 17 Aza megnina mivavaka. 18 Misaora amin'ny raha marobe. Fa zany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesôsy ho anareo. 19 Aza mamono ny Fanahy. 20 Aza magnano tsinotsino ny faminaniana. 21 Andramo ny raha marobe. Tano mafy zay tsara. 22 Fadio ny fomba ratsy marobe. 23 Andriamanitry ny fiadanana ane hagnamasina anao tanteraka. Aoka ny tegnanareo raika manontolo de fehezina tsy hanagna tsigny ho amin'ny fihaven'i Jesôsy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izy zay magnatso anao, ny raika zay hagnano an'zany my koa. 25 Anareo rahalay, mivavaha my koa ho anay. 26 Arabay amin'ny fagnorohana masina ny rahalay marobe. 27 Magnataka aminareo amin'ny Tompo zaho mba ho vakiana amin'ny rahalay marobe ity taratasy ity. 28 Ho aminareo ane ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika.