Toko faha 3

1 Tamin'ny zany, ndreka tsy afaka niaritra an'zany koa zahay, de neveranay fa tsara ny mipetraka raika tagny Atena. 2 Nagniraka an'i Timoty zahay, rahalainay sady mpiara-miasa ho an'Andriamanitra ao amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampatanjaka sy hampahery amin'ny finoanareo. [Fagnamarinana: Ny dikan-teny sanagny taloha de mivaky hoe: "Nagniraka an'i Timoty zahay, rahalainay sady mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny filazantsaran'i Kristy."] 3 Namboarinay zany mba tsy hisy olona taitra noho iregny fijaliana iregny. Fa ny tegnanareo de mahalala fa zany no nagnendrena antsena. 4 Marina tegnany, raha niaraka taminareo zahay, de nizaka taminareo taloha fa atsena de tsy mentsy ampijaliana, ka niseho zany, araka ny fantatrareo. 5 Ka amin'ny anton'ny zany, ndreka tsy nadigny koa zaho, de nagniraka mba ahalalako ny finoanareo. Angamba ny mpangala fagnay de efa nagnala fagnay anareo, ka ho tsisy dikany ny asantsena. 6 Ndreka tonga taminay Timoty avy tagny aminareo de nitondra vaovao mahafali'ny finoana sy ny fitiavanareo anay. Nizaka taminay fa anreo de managna fahatsiarovana tsara anay fehizay, ka anareo de magniry be ny ahita anay kara ny fagnirianay ahita anareo. 7 Noho zany, ry rahalay, zahay de nampatanjainareo nohon'ny finoanareo, tagnatin'ny fanaitaignana sy ny fijaliana marobe. 8 Fa amin'ny izao de velona zahay, na mifikitra mafy amin'ny Tompo anareo. 9 Ka fisaorana ôtra ny aôna no azonay omena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny fifaliana marobe zay nanagnanay teo agnatrehan'Andriamanitra noho ny aminareo? 10 Mivavaka mafy andro aman'alina zahay mba ahita ny hatsaranareo mba hanoagna zay tsy ampy amin'ny finoanareo. 11 Andriamanitra Raintsika tegnany, de Jesôsy Tompontsika ane, hagnitsy ny làlanay ho aminareo. 12 Ny Tompo ane hampitombo sady hampandroso ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy olona marobe, kara ny ataonay aminareo koa. 13 Izy ane hagnamafy ny fonareo, ka mba tsy hanagna tsigny amin'ny fahamasinan'iary zareo eo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika, amin'ny fahatongavan'i Jesôsy Tompontsika mbamin'iregny olona masina marobe.