Marka 3

1 De niditra tio amin'ny Synagoga indreka Jesosy ary nisy lilae narare tagnana takiô. 2 Nandigne izay ataon'i Jesosy izarô mpagnajaka satria Sabata ny andro. Nozahavan-jarô Jesosy na anasitrana amin'ny andro Sabata na sia. 3 Nasene Jesosy nisangana ilay lilae maty tagnana. 4 De nanadina ireo olona ireo Jesosy ra mete ny manasitrana amin'ny andro Sabata na sia nefa sy nizaka izarô. 5 Vingitra Jesosy nony ditran'ny olona ireo de nasene namparin'ilay lilaeny tagnane de afaka. 6 Naregne an'izane ny Fariseo de niala malade niaraka tamin'ireo Herodiana niaragna hevitra hafaty Azy. 7 Sitiô Jesosy sy ny mpianane nefa maro ny nagnaraka ananje hatrany Galilia, hatrany Jodia 8 ka hatrany Jerosalema sy Edoma ary hatramin'ny amoron'ny Jordana ka magneragna an'Tira sy Edona de maro no nafantata ny nataone ka nagnatona ananje. 9 Nisy sambo bitika nandigne an'i Jesosy sy ny mpianane tiô mba sy itangoronan'ny olona Ize. 10 Nanafanafaka olona maro Izy de tonga tiô aby ny marare na de iisatra aman'anje foana aza. 11 Raha nahita anje ireo fanahy maloto ireo de nangekeka oe: "Anô no Zanak'Andriamanitra." 12 Nozakene mafe ireo mba sy izakazaka ananje. 13 De nagnatona tavirana Ize ary nantsovane ireo tiane hiarakamananje de nakiô aminy ireo. 14 Roambinifolo no isan-jarô( izay nantsovany hoe Apostoly), izay alefany hetore 15 miaraka amin'ny faefana handroaka ny devoly. 16 Togna aby izarô roambinifolo izay nofidine: Simona, izay antsovana oe Petera, 17 tiô koa Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona ralahany, izay namene anarana oe Boanarijesy izay midika ho zana-baratra, 18 Andre, Filipo, Bartolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona kananita ary farany 19 i Jodasy Iskariota izay namadika an'i Jesosy. 20 Raha tonga takagne andragno izarô de avindreka ny olona maro tonga tiô amanje ka siafaka niinana zarô. 21 Raha naregne zava-niseo takagne zarô fianakaviene Jesosy de ave zarô ananje. 22 Ary ny mpitondra fanjakana kosa izay nandrorogna avy takagne Jerosalema de nizaka fa: "Manana devoly Ize de Beslizeboba", ka, "io mpanjaka ny demonia io no hanoravane ny demonia." 23 De nangian'i Jesosy izarô ka nozakene tamin'ny alàlan'ny fagnoarana oe: "nahoana no afahan'i Satana mandroaka an'i Satana? 24 Ra misy fanjakana miade andragno de orava izane. 25 Ary ra misy miaratrano miade andragno de si maaritra izane. 26 Ra mikome amin'ny tegnane i Satana, de siaefa na inona na inona ize,ary de izane no vitane amine. 27 Sisy afaka iditra ao andragnon'olona maere mba androbaka anaze sy ny fanagnane ra sy afatony aloha ilay maere. 28 Zakeko aminarô marina tokoa, avela eloka ny zanak'olombelona, sy ny zaka rase izay nozakene vavane. 29 Fa izay mizaka rase ny Fanahy Masina kosa de tsy avela eloka mandrakize." 30 Nizaka anizane Jesosy nony fizakan-jarô: "Fa manana fagnae maloto Ize." 31 Tonga tiô avelagne tiô ny reniny sy ny ralahiny ary nampagnatso Azy. 32 Ary nipetraka magnodidigna an'i Jesosy ny olona marobe. Ary nise nizaka taminy: "Fa miaragna ananje ao ivelagne ao ny reniny sy ny ralahiny." 33 Ary Ize namaly oe: "Zove no reniko, ary zove no ralahiko?" 34 Ary nitodika tamin'olona nipetraka magnodidigna ananje Ize ary oy Ize: "Itogno ny reniko sy ny ralahiko! 35 Fa na zove na zove no magnano ny sitrapon'Andriamanitra, de ize no ralahiko sy anabaviko ary reniko."