Marka 2

1 Reefa niverina tiô Kaperinaomy indreka Jesosy, afaka andro visivise, de regnin'ny olona fa tiô andragno Ize. 2 Ary bedebe ny olona nitangorognaTaminizané anefa de sy nise toerana malalaka intsone tiô andragno nade tiô ambarangarana aza, ary Jesosy nanambara ny tenin'Andriamanitra tamin-jarô. 3 De nise lilae laligna be nagnatogna Ananje izay nitondra lilae maleme reka; izay notakonin'olona efadae. 4 Ary satria si afaka nagnatogna akeke an'i Jesosy izarô nony alalignan'ny vahoaka, de nagnanika tagne an-tafotragno, nangalaka ny tafo izarô ka nagnise tombaka tiô ka nampandrognony ilay lilae malelme taminy fandriane tiô anatrehanỳ Jesosy. 5 Raha naita ny finoan-jarô, Jesosy de nizaka taman'ilae lilae maleme oe: "Zanaka, navela ny elokanô." 6 Nefa ny sasane taman'ireo mpitondra fanjakana nitoetra tiô de mimenimenigna tao ampone oe: 7 "Naôna no afaan'io lilae io mizaka izane? Mizaka rasi an'Andriamanitra Ize! Fa si Andriamanitra reka my va no afaka mamela eloka?" 8 Fa Jesosy nafantatra ave atrane tamina fagnae ny raha nieritreretin'ny sasane taminjarô mombagny tegnane. Ary Izy nizaka taminjarô: "Fa magnino anarô no mieritreritra izane ao amponarô?" 9 Inona no moramora koà? ny mizaka amin'ilae lilae maleme oe: "navela ny hadisoanô" sa ny oe : "Batsio ni fandrianô de mandiana"? 10 Izane no ataoko de mba afantaranarô fa managna faefana hamela fahadisoana aty antane ny Zanak'olona," 11 de nizaka tamin'ny ilae maleme Ize oe: "Zakeko aminô batio ny fandrianô de mandana mode." 12 De nisangana ave atrane ize ka nibata ny fandriane, ary nivoaka anilae tragno teo anivon'ny olona maro, ka de magnana taminizane izarô ka nidera an'Andriamanitra ary nizaka oe: "Sy mbola naita raha karanize ize." 13 Avy tiô Jesosy de nivoaka ndreka ka nandea okagne amoron-dranomasina. Ary nagnaraka ananje ny olona reetra, ary nampianariny izarô. 14 Ary raa nandalo Ize, ka naita an'i Leve Zanak'i Alfeo tegne amin'ny toerana fanangonana karatra de nizaka taminy oe: "Andô agnaraka anà." De nisangana i Leve ka nanaraka ananje. 15 Ary reefa nomena rahanina tao antranony Leve Jesosy, de niara-niinana tamina mpagnangona karatra sy ny olona rasy tondrategna maro Ize sy ny mpianane. 16 Ary zarô mpitondra fanjakana, izay fariseo, raa naita an'i Jesosy niaraka ninan-dranina tamin'ireo olona rasy tondrategna, sy zarô mpagnangona karatra, de nagnadina anjarô mpianane: "Nahoana Ize no miara-miinana amin'ny mpagnangona karatra sy olona rasy tondrategna?" 17 Ary raa naregne anizane Jesosy de nizaka taminjarô oe: "Sy ny salama no miaragna mpisabo; fa izegne marare iane no mila izane. Sy avy ao angnantso ny marina, fa izegne diso." 18 Ny mpianatry Jaona sy ny Fariseo de mifade rahanina. De nise olona nagnadina an'i Ananje oe: " Famaninona ny mpianatry Jaona sy ny Fariseo de mifade rahanina fa ny mpianatranô kosa de sy mba mifade?" 19 De namale anjarô Jesosy: "Afaka mifade rahanina va ny mpagnatrika ny fampekarana raha mbola akiô ny mpampiakatra? Raa mbola akiô ny mpampiakatra de siafaka agnano izane zarô. 20 Fa oave ny andro izay ekaran'ny mpampiakatra de amizane andro izane, no ifade rahanina izarô. 21 Fa sisy manobigna lamba rota amin'ny lamba vao, satria rasizane, de iala izane nanombegnana ananje izane, ary ny vao de iala amin'ny rota, fa raha izegne de vao mainka olehibe ny rovitra. 22 Ary sisy olona mametra divena vao ao agnatisine oditra rota, fa raha izane de ho rovitra ny sine ka ho very ny sine sy ny divena vao. Fa ny divena vao de atao agnaty sine oditra vao." 23 Ary indray andro Sabata Jesosy de nande tegne amin'ny tane nise varim-bazaha, ary nanomboka namentina voam-barim-bazaha ny mpianane. 24 De oy ny Fariseo: "Antegno, nahoana izarô magano raha sy araky ny lalànan'ny andro Sabata?" 25 De namale anjarô Jesosy: "Sinovakianarô angamba izay nataon'i Davida raa refogna izarô sy izay niaraka taminy? 26 Nahoana ny fomba nidirane tao antrangnon'Andriamanitra tamin'ny andron'ny Abiatara mpisorognabe, ka niinana ny mofo izegne vôtokana hoan'ny mpisorogna iane, ary koa nagnomezane anireo izae niaraka taminy?" 27 De oy koa Ize: "Ny Sabata natao hoan'ny olona, fa siny olona akore no hoan'ny Sabata. 28 Izane de izakane fa, ny Zanak'Olona de Andriamanitra, Ize no tompon'ny Sabata?"