Marka 1

1 Ny nagnandognavan'ny filazan-tsaran'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra. 2 Izay voasoratra akato aman'ny Isaia mpaminagne oe: "Ty, Zao magnasa ny naseko inga aloanao zay agnao etognano. 3 Zany mise zaka magnantso mafe arỳ anefitra, anove ny etongan'ny Tompo: Atove maise ny etogna andianane." 4 Jaona de ave, agnano Batisa arỳ anefitra nitory batisan'ny fifonana hoan'ny fandeferana noony fadisovana. 5 Ny tany Jodia manontolo sy ny mponina manontolo akô Jerosalema de ave agnatogna ananje. Nagnano Batisa anjarô ize tamana tegnan-dranon'i Jordana nifona taman'ny fadisoany zarô. 6 Jaona de nagnato akanjo volon-drameva sy nagnato fehin-kibo oditra taman'ny andilagny, ary doro sy tintele remby no foaniny. 7 Ize de nizaka oe: "Oave magnaraka anaa lematanjakabe taatra anaa ary sitokone zao de amaa ny tadin-kirarony aza. 8 Zao nagnano Batisa anarô tamana rano, fa Ize ndreka agnano batisa anarô aman'ny Fanahy Masina." 9 Taman'io fotoana io de ave Jesosy avy takagny Nazareta akô Galilia, de nanin'i Jaona Batisa takô aman'ny tegnandranon'ny Jordana Ize. 10 Ary Jesosy niala ny rano de itany nivoa ny Lagnitra ary nandrorogna tamananje ny Fanahy Masina kara pizina. 11 Ary nisy zaka ave arỳ andagnitra nagnano oe: "Ano no Zanako tiako, Ano no atokisako." 12 Nagnaraka anizane de nandôn'ny Fanae takagne anefitra Jesosy. 13 Ka efapolo andro, takagne anefitra, no nangalan'i Devoly fanahy Ananje. Nibodika niaraka tamina bibidy Ize ary ny anjely nentin'Anaze. 14 Raa nosamborina Jaona, Jesosy kosa nagnambara ny filazantsaran'Andriamanitra takô Galilia, 15 ary nagnatoro oe: "Efa ave ny fotoana, efa marivo ny Fanjakan'Andriamanitra. Mifonà de magnikia ny filazantsara." 16 Nandalo takegne amorondranomasin'i Galilia Ize, ary naita an'i Simona sy Andre tambokoreka aman'i Simona magnarato, moa mpagnarato zarô. 17 Ka oy Jesosy tamananjarô: "Andô, magnaraka anaa; faaniko mpagnarato olona anarô." 18 Navelany ny aratone, ka ave nagnaraka Ananje zarô. 19 Raa nandia lavidavitra Jesosy de naita koaan'i Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona tambokoreka, zay takô antsambo bitaka my koa, nagnano ny aratony. 20 Nagnantso anjarô Ize ka de nelane iabany Jebedio takô antsambo bitataka niaraka tamanireo mpiasa, ary nagnaraka Ananje Izarô. 21 Ary raa tonga tako Kapernaomy izarô, sy tamana andro Sabata, Jesosy niditra tako aman'ny Synagoga nampianatra. 22 Magnana ny olona ranaita ny fampenarany, satria nampianatra anjarô kararaa magnana faefana Ize fa simitove amina mpitondra fanjakana. 23 Avekio, nisy lilae reka nanagna fagnae maloto tako amin'ny Synagoga, 24 nizaka oe: "misy ino mà amane sy anô, ry Jesosy ave any Nazareta? Ae amono ane mo Anô va? Fantane fa Anô le Masin'Andriamanitra." 25 Nizaka mafe ny Demonia Jesosy oe: " Maregnina anô! Melà aminy!" 26 Ary ny fagnae maloto nandavo ananje sy niala taminy ka nangekeka niaraka tamna zaka mafe. 27 Magnana sy doroka ny olona rehetra ary nifagnadina oe: "Ino raa ita itogn? Fampenarana vôvô misy faefana? Bokeny ny fanahy maloto ary magneke ananje zarô!" 28 Ary ny vôvô momba ananje de niele malade magneragna ny tane Galilia sy ny magnodidina rehetra. 29 Ary raa nivoaka ny Synagoga Ize; de niditra tako andragon'i simona sy Andrea , niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30 Taman'io fotoana io, nandre takiô ampandriana ny rafozam-bavin'i Simona izay nisiana naranara, ary natoro an'i Jesosy ave atrane ny momba ananje. 31 Nagnatogna Ize ka nitana ananje taman'ny tagnany sy nagnarina ananje; afaka tamany ny naranara ary nanomboka nentia anjarô ize. 32 Taman'io alina io, tafaran'ny maty masoandro, nandônjarô takiô aminy zegny marare marobe na ny misy Demonia. 33 Tafavory takiô ambaragaragna ny takiô antanàna marobe. 34 Nampaery ny aretina samy afa Ize sy nandroaka demonia lalina, ka sinalefany izaka ireo Devoly satria nanfatatra anaze zarô. 35 Nifoa mandrenabe Jesosy, raa pola mizimizigna ny andro; miala takiô Ize ka nandiaa takagne aman'ny toerana gign ary nivavaka tiô. 36 Niaragna anaze Simona sy ireo marobe niaraka taminy. 37 Ary raa naita ananje izarô de nizaka taminy: "Miaragna anô ny olona marobe." 38 Oy Ize: "Andô isena oany amin'ny toerana afa, avelagne, any aminareo tanàna magno didigna, azaoako mitory tene akagny koa. Fa izane no dikany nandianako tatỳ." 39 De nitete an'i Galilia manotolo Ize, nitory tene takô manireo Synagoga sade nanora demonia lalina. 40 Nise boka reka ave takiô mananze. Ka nangeka taminy nentongalika takio amanaze ize ary nagnatoro oe: "Raa ave my anô, sasè zaho." 41 Jesosy nalaelo anaze, de nagnamapatra ny tagnane sy niisatra amanaze, sady nizaka oe: "Magneke aho, madiova anô." 42 Dila taminy ave atrane tokoatra ny abokany ka de vosasa ize. 43 Jesosy nandrara aze mafe sy nandefa ananje, 44 Ize nizaka taminy: "Aza aninase mizaka na amanjove na amanjove, fa mandiana magnatogna aman'ny mpisorogna, ifiô ny anjaranô taman'ny fanasàne anô araka ,ny didin'i Mosesy, mba ho vavolombelona amanjarô anô." 45 Nefa reefa niala tiô ralilae de nanomboka nizaka taman'olona marobe sy nampiparitaka izane zaka izane takegne, ka tsy afaka niditra niariare tao antanàna oitan'ny maro koa Jesosy. Are Ize nitoetra tegne avelagne tanàna tegne aman'ny toerana mangina ary ny olona ave taman'ny tane samiafa de ave nagnatogna Ananje tiô.