Marka 4

1 Ay nagnadogna nampianatra Jesosy tarỳ amoron' ny ranomasina, ary olona lalina be nagnatogna ananje ary niditra tagnatina sambo bitika Ize; ary nibodika fa ireo olona lalina be de nitoetra tiô amoron'ny ranomasina. 2 Ary nampianatra an-jarô taman'ny alalan'ny ohatra Ize tamanjarô taman'ny fampenarane. 3 Tonoe, mise nampiaraka nande hampiaraka. 4 Ary raa nampiaraka ize de nisy ireo niparaka tanketogna, ka ave ireo vorogna ninana ananje. 5 Ny voa sasane niparaka tamana tane lalina voatoto, izay sinise tane lalina. De nalade nanire izirene satria nanife ny tane nise anaze. 6 Ary ra ave ny agnandro de nalazo izarô satria sinise vaane ka meng. 7 Ny voa sasane niparaka niparaka tamana tane sosotra, ary reefa nanire vagnona ny ahitra namia anazireo ka sinise isine izireo. 8 Ny voa sasane niparaka tamana tany maleme ka lalina isine tiô ampitomboana ary nialalina, nysasane nitombo telopolo avoene, ny sasane enimpolo, ny sasane zato." 9 Ary oy ize oe: "Izay manan-tadigne andô miteno, aoka ize hiteno." 10 Raa ireka Jesosy, irô zae marivo ananje sy irô mpianata roambinifolo nagnadina ananje momba an'io ohatra io. 11 Hoy Ize tamanjarô: "Oamanarô no nagnatoroana raa tsy hita aman'ny Fanjakan'Andriamanitra fa amanjarô afa arỳ de ohatra daholo. 12 Ka aman'ny fotoana angnintegnana zarô, nefa simaita ary aman'ny fotoana hitonoana zarô, de iteno, nefa sia fantatra, na magneke zarô de Andriamanitra mintia ananje" 13 Ary oy ize taminy: " Sy enarô va zane ohatra izane? Aninarô ino afantaranarô ny ohatra afa maro? 14 Ny mpampiaraka de nampiaraka zaka. 15 Ny sasane niparaka tanketogna, ary reefa niparaka ny zaka. Ary raa regninzarô izane, de tonga malade ny Devoly ary nangalatra zaka voaparaka tamajarô. 16 Ny sasagne niparaka tamana tanebe vatovato, ary zegny naregne ny zaka, de nitana izane tampifaliana. 17 Ary sinise vaany izireo, navandry fotoana bitika fosine. Raa ave ny fisapana sy ady noho ny zaka, de lavo malade izarô. 18 Ny sasagne niparaka tamana tane nisy aitra. Tonoanjarô ny zaka, 19 fa ny fitiavanen'ezô tontolo izô, ny fitiavana fanagnana, ary ny fagniriany raa maro karazana, tafiditra ka namia ilay zaka, ka simise isine. 20 Fa nise my reo sasany voaparaka takegny aminy tany maleme. De ireo naregne ny zakanjarô ary nitana anizane ary nise isine, ny sasane enimpolo, ny sasane zato. 21 Jesosy nizaka tamanjarô oe: "Mitondra ziro ao andragno ve anô de atonô ambany latabatra, na ambany kidoro? Andonô miditra zany de atonô ambony fibodiana ziro. 22 Fa simise raa mivone zay sy ho ita, azy simise raa sy atorotoro sy fantatra. 23 Raa mise managna tadignr oentina miteno, aoka izy iteno. 24 Oy Ize tamanjarô: "Aoka ofadiananarô izô itono anarô izô karakara ny ohatra agnoaranarô my no agnoarana oanarô. 25 Satria amin'nizay managna, my no amena be, ary zegny simanagna de ny bitaka anagnany aza alôna amanaze." 26 Ary oy Ize: "Ny Fanjakan'Andriamanitra de kara olona reka nampiparaka tamina tane. 27 Mandry ize androalina ary mifoa mandrena, de nise manire sy mise isine, eka na d sene aza ny matonga izane. 28 Ny tane de mavokatra oazy, volognane mise tagnantagne, de teraka, ary avekiô mise isine. 29 Ary refa matoe ny isine de vilezina, efa tonga ny fambilezana . 30 Ary oy ize: "Aninakore ny agnoarantsena ny Fanjakan'Andriamanitra, na ino ny ohatra ampesena agnazavansena aze? 31 Zane de kara voanaraa madinika ize ka reefa aparaka de ize ni voa madinikabe se aketo ambony tane. 32 Nefa reefa voaparaka ize manire ary manjary agnona be se taatra ny kakazo rehetra, sy magnatô tagnantangany agnona be, ka azon'ny vorogna mirigna agnonovany tragnony akiô aman'ny malomalotra. 33 Ary fagnoarana lalina karnize no nagnatoroany ny zaka taman-jarô, araka zegny fazaoany anaze, 34 ary tsy nizaka taman-jarô Ize raa sy taman'ny alalan'ny ohatra. Ary reefa izireka, de natorony tamanireo mpaminany izane. 35 Ndrekandro, reefa tonga ny alina, oy Ize tamanjarô: "Andia isena orỳ anilany." 36 Ka niala takio aman'olona lalina zarô, niaraka taman'i Jesosy, reefa tako agnatin'ny sambo bitaka Ize. Nagnaraka anaze koa sambo bitaka afa. 37 Ary nise tadio be; ary ny onjandrano nanafotra ny sambo bitaka ka efa ofeno rano izane. 38 Ary Jesosy nandre tiô ambondin'ny sambo bitaka, tambonin'ny ondana. Nofoazin-jarô Ize nagnano taminy oe: "Mpampianatra ô, tsy mampagninona anô ve raa ofaty aketo ze? 39 Ary nifoa Ize, de nibeko taman'ny tadio ary nizaka taman'ny ranomasina: "Maregnina, mibodia." Ary negnina ny tadio, ka de megne ny andro. 40 Ary Ize nizaka tamanjarô: "Nagnino anarô no vaka?" simatoky va anarô? 41 Izarô de feno avakana ka nifampizaka magnao oe: "Izove moa ity, fa ny tadio sy ny ranomasina aza magneke anaze?"