Toko faha 32

1 Indro, ny mpanjaka dia hanjaka amin'ny fahamarinana, ary ny andrian-dahy dia hanapaka amin'ny rariny. 2 Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka, tahaka ny ranovelona amin'ny toerana maina, tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana. 3 Ary ny mason'ireo izay mahita dia ho pahina, ary ny sofin'ireo izay mandre dia hihaino tsara. 4 Ireo kely fisainana dia hihevitra tsara amin'ny fahazavan-tsaina, ary ireo mibadabada dia hahay hiteny mahitsy tsara. 5 Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika, na ny mpamitaka ho hajaina. 6 Fa ny adala dia hiteny fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa miatsaravelatsihy, ary hiteny diso hanohitra an'i Yaveh izy. Hampanoana ireo noana izy, ary hahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra hosotroina. 7 Ratsy ireo fomban'ny mpamitaka. Mihevitra teti-dratsy izy mba hanimbàna ny mahantra amin'ny lainga, na dia milaza izay marina aza ny mahantra. 8 Fa ny olona mendrika kosa dia manao tetika mendrika; ary noho ireo tetiny mendrika dia hahomby izy. 9 Mitsangàna, ry vehivavy tsy manano-sarotra, ary henoy ny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, henoy Aho. 10 Fa afaka herintaona farafahakeliny dia ho rava ny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fihotazam-boaloboka, tsy ho tonga ny fanangonana. 11 Mangovita, ry vehivavy tsy manano-sarotra; aoka hangovitra, ianao izay mahatoky; esory ireo akanjo manifinao ary aoka ianao hiboridana; ary asio lamba fisaonana ny valahinao. 12 Hidradradradra amin'ireo saha mahafinaritra ianao, ho an'ireo voaloboka mamokatra. 13 Ny tanin'ny vahoakako dia ho rakotr'ireo tsilo sy ireo hery, eny fa na dia ny ao amin'ireo trano mahafaly rehetra ao amin'ny tanànan'ny firavoravoana aza. 14 Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana; ny havoana sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakizay, fifaliana ho an'ireo boriky dia, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy; 15 mandra-pilatsahan'ny Fanahy avy any amin'ny avo amintsika, ka ny tany efitra dia ho tonga saha mamokatra, ary ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala. 16 Ary hitoetra ao amin'ny tany efitra ny rariny; ary ny fahamarinana hitoetra ao amin'ny saha mamokatra. 17 Ny asan'ny fahamarinana dia ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana, dia fahanginana sy fahatokiana mandrakizay. 18 Ny vahoakako dia honina ao amin'ny fitoerana feno fiadanana, ao amin'ireo trano azo antoka, ary ao amin'ny toerana mangingina fakàna aina. 19 Kanefa raha misy ireo havandra dia ho simba ny ala, ka dia ringana tanteraka ny tanàna, 20 ianao izay mamafy eny akaikin'ireo onja dia ho voatahy, ianao izay mamoaka ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka.