Toko faha 31

1 Loza ho an'ireo izay midina any Egypta hitady vonjy sy miantehitra amin'ireo soavaly, ary mitoky amin'ireo kalesy (fa maro ireo) ary amin'ireo mpitaingin-tsoavaliny (fa tsy voaisa izy ireo). Nefa tsy mba miandrandra Ilay Masin'i Israely, na mitady an'i Yaveh izy ireo! 2 Kanefa hendry Izy, ary hitondra loza Izy ka tsy hanafoana ireo teniny. Hitsangana hanohitra ny ankohonan'ny ratsy sy hanohitra ny mpamonjin'ireo izay manota Izy. 3 Olona i Egypta fa tsy Andriamanitra, nofo ny soavalin'izy ireo fa tsy fanahy. Rehefa maninjitra ny tanany Yaveh, ny olona izay mamonjy dia ho tafintohina, ary ny olona izay vonjena dia ho lavo; samy hiara-ho faty izy roa. 4 Izao no lazain'i Yaveh amiko: ''Tahaka ny liona, na ny zana-diona, mierona amin'ny rembiny, rehefa antsoina hanohitra izany ny andian'ny mpiandry ondry, dia tsy mba hangovitra amin'ny feon'izy ireo izany, na hikisaka amin'ny fihorakorak'izy ireo; dia tahaka izany no hidinan'i Yaveh Tompon'ny maro hiady eo an-Tendrombohitr'i Ziona, eo amin'izany havoana izany. 5 Tahaka ny vorona manomba, no hiarovan'i Yaveh Tompon'ny maro an'i Jerosalema; hiaro sy hamonjy Izy raha mandalo eo amin'izany ary mitahiry izany. 6 Miverena Aminy izay efa nihodinanareo fatratra, ry vahoakan'Israely. 7 Fa amin'izany andro izany ny tsirairay avy dia hanala ireo sampy volafotsiny sy ireo sampy volamenany izay nataon'ny tananareo ihany tamim-pahotana. 8 Ho lavon-tsabatra i Asyria; sabatra izay tsy notanan'olona no handevona azy. Handositra ny sabatra izy, ary ireo zatovolahiny dia hoterena hanao asa mafy. 9 Ho very toky tanteraka nohon'ny fampihorohoroana izy ireo, ary ireo andrian-dahiny dia hatahotra eo imason'ny fanevan'i Yaveh—izany no fanambaran'i Yaveh, izay any Ziona ny afony ary any Jerosalema ny vilany fitoeran'afony.'' 8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringana azy. DIa handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana mafy. 9 Ary izy ireo dia very fahatokisana nohon'ny fahatahorana, ary ireo mpanapaka azy hivadi-po eo anatrehan'ny fanevan'i Yahweh - Izany dia fanambarana nataon'i Yahweh - Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandorana ao Jerosalema."