Toko faha 33

1 Loza ho anareo, ry mpandrava izay tsy mbola noravàna! Loza ho an'ny mpamadika izay tsy mbola novadian'izy ireo! Raha mihato amin'ny famotehana ianareo, dia ho potehina! Raha mihato amin'ny famadihana ianareo, dia hivadihan'izy ireo. 2 Ry Yaveh, mamindrà fo aminay; miandry Anao izahay; aoka mba ho sandrinay isa-maraina, ary famonjenay amin'ny andro fahoriana. 3 Anatin'ny feo mafy no handosiran'ny olona; rehefa mitsangana Ianao, dia miparitaka ireo firenena. 4 Nalevina tahaka ny valala niangona ny babonao; tahaka ny fifanaretsak'ireo andiam-balala, no ifanaretsahan'ny olona amin'izany. 5 Nasandratra i Yaveh. Mitoetra any amin'ny toerana avo Izy. Ho fenoiny amin'ny fitsaràna sy fahamarinana ny Ziona. 6 Ho filaminana amin'ny fotoanareo Izy, famonjena be, fahendrena, ary fahalalana; ny fahatahorana an'i Yaveh no hareny. 7 Indro, ireo irak'izy ireo mitaraina eo an-dalana; mitomany mafy ireo iraka manantena fiadanana. 8 Foana ireo lalam-be; tsy misy mpandeha intsony. Rava ny fanekena, notsinotsiniavina ireo vavolombelona, ary tsy voahaja ny maha- olombelona. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "notsinontsiniavina ny vavolombelona", ny dika-teny sasany manao hoe: "notsinontsiniavina ny tanàna".] 9 Misaona ny tany ary milofika; menatra Lybanona ary karakaina; [Fanamarihana: ny dika-teny sasany manao hoe: "maina ny tany ary malazo."] Saràna dia tahaka ny lemaka maina; ary manintsana ny raviny i Basana sy Karmela. 10 "Ankehitriny hitsangana Aho," hoy Yaveh; "ankehitriny ho hasandratra Aho; ankehitriny ho eny amin'ny avo Aho. 11 Manorotoro ny voam-bary ianareo, ary miteraka mololo; afo mandevona anareo ny fofon'ainareo. 12 Ho voadoro ireo olona, tahaka ny tsilo notapahina sy nodorana. 13 Ianareo izay lavitra, henoy izay efa nataoko; ary, ianareo izay akaiky, ekeo ny heriko." 14 Matahotra ireo mpanota any Ziona; fangovitana no efa nahazo ny mpiatsaravelatsihy. Iza amintsika no afaka hijanona amin'ny afo mandevona? Iza amintsika no afaka hijanona eo amin'ny firehetana mandrakizay? 15 Izy ilay mandeha amin'ny fahamarinana sy miresaka am-pahatsorana; Izy ilay nanafoana ny tombon'ny fampahoriana, izay mandà ny handray kolilkoly, izay tsy manao teti-dratsy heloka bevava fandatsahan-drà, ary tsy mitady ny ratsy__ 16 ho ataony amin'ny avo indrindra ny fonenany; ny toerana fiambenany dia ho fiarovana mafy amin'ny harambato; ny sakafony sy ny ranony dia ho feno famatsiana. 17 Ny masonareo dia hahita ny mpanjaka amin'ny hatsarany; hitsinjo tany malalaka izy ireo. 18 Ho tsaron'ny fonareo ny horohoro; aiza ny mpanora-dalàna, aiza izy izay nandanja ny vola? Aiza izy izay nanisa ireo tilikambo? 19 Tsy hahita ny olona mpanohitra anareo intsony ianareo, olona hafa fiteny izay tsy takatrareo. 20 Jereo Ziona, ilay tanànan'ny fankalazantsika; hahita an'i jerosalema tahaka ny mponina milamina ny masonareo, lay izay tsy mba ho esorina, izay tsy ho voahongotra mihitsy ny tsato-kazony na ho tapaka ny kofehiny. 21 Fa kosa, homba amin-kery amintsika i Yaveh, any amin'ny toerana amoron'ny ony sy lakan-drano. Tsy hisy sambo voizina handeha amin'izany, ary tsy hisy sambo lehibe hamakivaky izany. 22 Fa Yaveh no mpitsara antsika, Yaveh no mpanome lalàna antsika, Yaveh no mpanjakantsika; ary hamonjy antsika Izy. 23 Miraviravy ireo fanodikodinanareo; tsy afaka hiazona ny hazo lava amin'ny toerany ireo; tsy afaka hanaparitaka ny lay ireo; rehefa nozaraina ilay voababo lehibe, na dia ny mandringa aza hanintona ilay babo. 24 Tsy hilaza ny mponina hoe: "Marary aho;'' ny olona izay mitoetra any dia ho voavela amin'ny helok'izy ireo.