Genesis 33

Genesis 33:1

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny amin'ny fizaran-tantara vaovao izay tsy ampoizina.

lehilahy efa-jato

"lehilahy 400"

Notsinjarain'i Jakoba (...) ireo ankizy ... ary ireo mpanompo vavy (...)

Tsy midika izany fa nitsinjara ireo ankizy nitovy isa ho amin'ireo vehivavy Jakoba. Nizara ireo ankizy i Jakoba mba hahafan'ny tsirairay miaraka amin'ny reniny avy.

ireo mpanompo vavy

"ireo vady mpanompo." Ilazana an'i Bila sy Zilpa izany.

Izy tenany dia nandeha nialoha azy ireo

Eto ny "tenany" dia manindry fa nandeha irery teo anoloan'ireo hafa i Jakoba.

Niankohoka (...) izy

Eto ny teny hoe "niankohoka" dia midika mamoritra ny lohalika amim-panetretena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona.

Genesis 33:4

hihaona aminy

"hihaona amin'i Jakoba"

namihina azy, nisankambina ny tendany ary nanoroka azy

Afaka atao fehezanteny vaovao izany. DH: " Namihana an'i Jakoba tamin'ny sandriny Esao, nisankambina azy, ary nanoroka azy"

Avy eo dia nitomany izy ireo

Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "Avy eo dia nitomany i Jakoba sy Esao satria faly izy ireo fa nifankahita indray"

nahita ireo zaza amam-behivavy izy

"nahita ireo zaza amam-behivavy izay niaraka tamin'i Jakoba"

Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao

Ny andian-teny "ny mpanomponao" dia fomba mihaja ilazan'i Jakoba ny tenany. DH: " ireo no zaza izay nomen'Andriamanitra tamin-katsaram-panahy ahy, mpanomponao"

Genesis 33:6

mpanompo vavy

"ireo vady mpanompo." Ilazana an'i Bila sy Zilpa izany.

niankohoka

Famantaram-panetretena sy fanajana manoloana ny olona hafa izany.

Inona no dikan'ny nandefasanao ireny vondrona rehetra nifanena tamiko ireny?

Ny andian-teny "ireny vondrona rehetra" dia ilazana ireo vondron'ireo mpanompo izay nalefan'i Jakoba hanome ireo fanomezana an'i Esao. DH: "Nahoana ianao no nandefa ireny vondrona samihafa ireny hihaona amiko?"

Mba hahazoana sitraka eo imason'ny tompoko

Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "mba hahafaly anao, tompoko, amiko"

ny tompoko

Ny andian-teny "ny tompoko" dia fomba mihaja ilazana an'i Esao.

Genesis 33:9

Efa manana ny ampy aho

Ny teny hoe "biby" na "fananana" dia takatra avy amin'izany. DH: "manana biby ampy aho" (UDB) na "manana harena ampy aho"

raha efa nahita fitia eo imasonao aho

Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "raha faly amiko ianao"

fanomezana avy amiko izay eo an-tanako

Eto ny "..tanana.." dia ilazana an'i Jakoba. DH: "izany dia fanomezana avy amiko izay omeko anao"

tanako, eny tokoa

Azo adika ho andian-teny vaovao izany: "ny tanako. Satria tokoa"

efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany

Ny hevitr'izany fanoharana izany dia tsy mazava loatra. Ireo mety ho heviny dia 1) Faly i Jakoba satria namela azy tahaka ny namelan'Andriamanitra azy i Esao na 2) talanjona i Jakoba raha nahita indray ny rahalahany tahaka ny fitalanjonany raha nahita an'Andriamanitra 3) nanetry tena teo amin'ny fanatrehan'i Esao tahaka ny fanetreny tena teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra i Jakoba.

efa nahita ny endrikao aho

Eto ny "endrika = tava." dia ilazana an'i Esao. Ny tena tsara dia ny mandika izany hoe "tava" satria manan-danja ny teny hoe "tava" eto amin'ilay hoe "tavan'Andriamanitra" na "nifanatri-tava" ao amin'ny 32:29.

izay nentina ho anao

Afaka atao izany hoe: DH: "izay nentin'ireo mpanompoko ho eo aminao"

efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra

"nanao soa tamiko Andriamanitra" na "nitahy ahy fatratra Andriamanitra"

toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany

Efa fomba ny mandà ny fanomezana amin'ny voalohany, kanefa raisina ihany izany avy eo mba tsy hanafitohina ny mpanome.

Genesis 33:12

Ny tompoko dia mahafantatra

Fomba mihaja ilazana an'i Esao izany. DH: "Ianao, tompoko, mahalala"

mbola kely ireo ankizy

Afaka atao mazava kokoa ny hevitr'izany. DH: "tsy afaka ny handeha haingana ireto ankizy nohon'ny hakelin'izy ireo"

Raha entina mafy na dia iray andro monja aza

Afaka atao izany hoe: DH: "raha terentsika handeha mafy na dia iray andro monja aza" na "Raha ho koropahina handeha na dia iray andro monja aza"

Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony

Izany dia fomba mihaja ilazan'i Jakoba ny tenany. DH: "Ry tompoko, izaho mpanomponao. Mba mandehana mialoha ahy"

araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako

"mifanaraka amin'ny hafainganam-pandehan'ireo biby izay andrasako"

Seira

Faritra be tendrombohitra any amin'ny faritanin'i Edoma izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny32:3.

Genesis 33:15

Nahoana no manao izany?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba mba hanindrina fa tsy ilaina akory ny hanajanonany ireo lehilahy eo aminy. DH: "Aza manao izany!" na "tsy mila manao izany akory ianao!"

ny tompoko (efa)

Izany dia fomba mihaja ilazana an'i Esao. DH: "Ianao, ry tompoko, efa"

Sokota

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Sokota dia midika hoe 'fialofana.'''

nanangana trano ho azy

Azo tsoahina avy amin'izany fa ilay trano dia ho an'ireo fianakaviany ihany koa"

ho an'ireo biby fiompiny

"ho an'ireo biby izay andrasany"

Genesis 33:18

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka fizaran-tantara vaovao izany. Nanoritsoritra izay nataon'i Jakoba tao aorian'ny nijanonany naka aina tao Sokota izany.

Rehefa avy tany Padana-Arama i Jakoba

"Rehefa niala tao Padana-Arama i Jakoba"

Rehefa (...) i Jakoba ... tonga (...) izy ... Nitoby (...) izy

I Jakoba ihany no voatonona amin'izany satria izy no mpitarika ny ankohonany. Azo tsoahina amin'izany fa ireo fianakaviany dia niaraka taminy.

Nitoby teo akaikin'ny

"Nanorina ny tobiny teo akaikin'ny"

ampahan-tany

"tsinjara tany"

Hamora

Anaran-dehilahy izany.

rain'i Sekema

Anaran-tanàna sy anaran-dehilahy izany.

zato

"100"

El-Elohe Israely

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe El-Elohe Israely dia midika hoe 'Andriamanitra, Ilay Andriamanitr'Israely.'''