Genesis 32

Genesis 32:1

Mahanaima

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Mahanaima dia midika hoe 'toby anankiroa.'''

Genesis 32:3

Seira

Faritra be tendrombohitra any amin'ny faritanin'i Edoma izany.

Izao no ho lazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no vaolazan'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa aho (...) eo imasonao.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "'Izao no tiako holazaina an'i Esao tompoko. Lazao azy fa efa tany ... eo imasonao.'''

Esao tompoko

Nampiasa fiteny mahalala fomba i Jakoba raha nanao ny rahalahiny hoe ''ny tompoko.''

Jakoba mpanomponao

Nampiasa fiteny mahalala fomba i Jakoba raha nanao ny tenany hoe ''ny mpanomponao.''

mba hahazoako sitraka eo imasonao

Eto ny teny ''maso'' dia ilazana ny eritreritra na ny fisainan'ny olona. DH: "mba hahafahanao manaiky ahy''

Genesis 32:6

efa-jato lahy

"lehilahy 400''

natahotra

Ilazana ny fahatsapana ny tahotra ny ratra izay ataon'ny olona amin'ny olona amin'ny hafa.

nihorohoro

''tsy nitombin-tsaina'' na ''nikorontan-tsaina''

tonga amin'ny antoko iray Esao ka manafika izany, dia ho afa-mandositra ny antoko iray ambiny

Eto ny ''antoko'' dia ilazana ny olona. DH: "hanafika ny olona ao amin'ny antoko iray, dia hitsoaka ny olona ao amin'ny toby iray hafa''

Genesis 32:9

Ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, sy Andriamanitr'Isaka raiko, ry Yaveh

Tsy ilazana andriamanitra samihafa izany, fa ho an'ilay Andriamanitra iray izay tompon'izy ireo. DH: "Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama raibeko sy Isaka raiko''

Yaveh, izay niteny tamiko hoe: 'Modia any amin'ny taninao sy ny havanao, ary Izaho hanambina anao,

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Yaveh, Ianao izay nilaza fa tokony hiverina any amin'ny fireneko sy any amin'ireo havako, ary dia hanambina ahy ianao''

ary any amin'ireo havanao

''ary any amin'ireo fianakavianao''

Izaho hanambina anao

''hanao soa anao aho'' na ''hitondra tsara anao Aho''

tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho

Ny anarana ''fahatokiana'' sy ny ''fahamendreham-pitokisana'' dia afaka atao hoe: "mahatoky'' sy ''tsy mivadika.'' DH: "tsy mendrika ny hitoetra mahatoky amin'ny fanekenao na tsy hivadika aminao, ny mpanomponao"

ny mpanomponao

Izany dia fiteny mahalala fomba ilazana ny ''izaho."

ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho

Eto ny "lasa" dia ilazana izay hananany ankehitriny. DH: "ary ankehitriny manana olona, ondry aman'osy ary fananana ampy miaraka amiko mba hanaovana antoko roa aho"

Genesis 32:11

"vonjeo (...) aho"

"avoty aho"

amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao

Eto ny teny "tanana" dia ilazana ny hery. Ireo andian-teny roa ireo dia manana dika mitovy ihany.Ilay faharoa dia manazava fa Esao ilay rahalahy izay nandrasan'i Jakoba. DH: "amin'ny herin'i Esao, rahalahiko" na "amin'i Esao rahalahiko"

fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy

"matahotra aho fa ho avy izy"

Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko (...) ireo taranakao ... hisaina.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Kanefa Ianao niteny fa hanambina ahy tokoa, ary hataonao (...) ireo taranakao ... hisaina''

hanambina anao

"hanao soa anao'' na ''hitondra tsara anao''

Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao

Izany dia miresaka ny amin'ny tsy maha tambo isaina tahaka ny voan'ny fasika eny an-dranomasina ireo taranak'i Jakoba.

izay tsy ho tambo isaina

Afaka atao izany hoe: DH: "izay tsy misy afaka manisa ny isan'izy ireo"

Genesis 32:13

roan-jato

"200"

roa-polo ... telo-polo ... efa-polo ... folo

"20 ... 30 ... 40 ... 10"

ary ireo zana-borikiny

"ireo zanany"

Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy

Eto ny "ho eo an-tanan'ny" dia midika hoe manome fahefana azy ireo. DH: "nizara izany ho andiany kely izy, ary nanomeny mpanompony tsirairay fahefana eo amin'ny andiany" (UDB)

asio elanelana isaky ny andiam-biby

"Avelao hisy elanelana eo amin'ny fandehanan'ny andiany"

Genesis 32:17

Nanome toromarika

"nanome baiko"

manontany anareo, ... izay eo alohanareo?'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "manontany anareo hoe iza no tomponareo, ho aiza ianareo, ary an'iza ireo biby izay eo anoloanareo''

Olon'iza ianareo?

''iza no tomponareo?"

An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?

''iza no tompon'ireo biby izay eo anoloanareo?"

Dia hiteny ianareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Dia tiako holazainao azy fa ireo zavatra ireo dia an'i Jakoba, mpanompony, ary homeny an'i Esao tompony izy ireo. Ary teneno azy fa an-dalana hihaona aminy i Jakoba"

Jakoba mpanomponao

Ny tenany ihany no lazain'i Jakoba amin'ny fomba mihaja hoe mpanompon'i Esao.

ho an'i Esao tompoko

Manondro an'i Esao amin'ny fomba mihaja hoe tompony i Jakoba.

tamy ao aorianay

Eto ny "...anay" dia ilazana ny mpanompo izay miresaka sy ireo mpanompo izay mitondra ireo biby fiompy ho an'i Esao.

Genesis 32:19

Nanome toromarika ny vondrona faharoa

"nanome baiko ny vondrona faharoa"

Tsy maintsy miteny ihany koa ianareo hoe: 'Jakoba mpanomponao

Ireo mety ho heviny dia 1) "hilaza koa ianareo hoe: 'i Jakoba mpanomponao'" na 2) "hilaza ianareo,'i Jakoba mpanomponao ihany koa."'

Hampitony azy (...) aho

"hanala ny hatezerany aho"

handray ahy izy

"handray ahy amin'ny fahatsaram-po izy" na "handray ahy tsara izy"

Koa nalefa nialoha azy ireo fanomezana

Eto ny "fanomezana" dia anondrona ireo mpanompo izay nitondra ireo fanomezana.

Izy tenany nijanona

Eto ny "tenany" dia manindry fa Jakoba tsy niara-nandeha tamin'ireo mpanompony.

Genesis 32:22

ny ankizivaviny anankiroa

"ireo roa vady mpanompony." Milaza an'i Zilpa sy Bila izany.

fitàn' = fitàna

Toerana marivo ao amin'ny renirano izay mora hiampitana

Jaboka

Anaran-drenirano izany.

ireo fananany rehetra

"izay nananany rehetra"

Genesis 32:24

mandra-parainan'ny andro

"mandra-mangiran-dratsy" (UDB)

fotopen(y)

"fotope." Eo amin'ny toeran'ny taolam-pe izay mampitohy ny fotope izany.

Nipitsoka ny fotopen'i Jakoba raha nitolona taminy izy

Afaka atao izany hoe: DH: "Nahavoa (nandratra) ny foto-pen'i Jakoba ilay lehilahy raha nifampitolona taminy"

mitso-drano

Eto ny "mitso-drano" dia manana hevitra hoe manonona faniriana sy tombotsoa tsara hitranga amin'izany olona izany.

Tsy hamela anao handeha aho raha tsy mitso-drano ahy ianao

Afaka atao izany hoe: DH: "Tsy tokoa! tsy maintsy mitso-drano ahy aloha ianao, dia izay vao hamela anao andeha aho"

Genesis 32:27

Israely

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Israely dia midika hoe 'nifampitolona tamin'Andriamanitra izy.'''

sy tamin'ny vahoaka

Eto ny "vahoaka" amin'ny ankapobeny dia midika hoe "olona".

Genesis 32:29

Hoy izy hoe: "Nahoana ianao no manontany ny anarako?"

"Hoy izy hoe: 'Nahoana ianao no manontany mahakasika ny anarako ?"' Izany fanontaniana fampisainana dia nanehoana fahatezerana, fibedesana ary mba hampisaina an'i Jakoba tamin'izay nitranga taminy sy ilay olona hafa izay vao avy nifampitolona taminy. DH: "Aza manontany ahy ny amin'izay anarako!"

Peniela

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Peniela dia midika hoe 'ilay endrik'Andriamanitra.'''

nifanatri-tava

Ny hoe "nifanatri-tava" dia midika hoe olona roa izay mifankahita akaiky (mifanakaiky).

ary avotra ny aiko

Afaka atao izany hoe: DH: "eny nitsitsy ny aiko izy"

Genesis 32:31

Izany no antony (...) mandrak'ankehitriny

Izany dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ireo taranak'Israely.

mandrak'ankehitriny

Ny heviny dia hatramin'ny nanoratan'ny mpanoratra izany.

hozatry ny foto-pe

Ilazana ny hozatra izay mampitohy ny taolam-pe sy ny foto-pe.

fitohizan'ny fe

"foto-pe"

raha nanapitsoka

"raha nanaitra azy"